Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavaka

Vavaka

Famaritana: Resaka amim-panajana amin’ilay tena Andriamanitra na amin’andriamani-diso. Azo atao mangina izany na amin’ny feo avo.

Tsy mahazo valim-bavaka mihitsy ve ianao?

Ny vavaka ataon’iza no henoin’Andriamanitra?

Sal. 65:2; Asa. 10:34, 35: “Ry Mpihaino vavaka ô, ianao no hohatonin’ny karazan’olona rehetra.” “Tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra, fa amin’ny firenena rehetra, izay olona matahotra azy ka manao ny marina no ankasitrahany.” (Tsy ny volon-koditra na ny firenena niaviana na ny vola ananana àry no zava-dehibe, fa izay ao am-po sy ny fomba fiaina.)

Lioka 11:2: “Izao àry lazaina rehefa mivavaka ianareo: ‘Ray ô, hohamasinina anie ny anaranao!’ ” (Mivavaka amin’ny Ray, izay antsoin’ny Baiboly hoe Jehovah, ve ianao? Sa kosa amin’ireo “olo-masina”?)

Jaona 14:6, 14: “Hoy i Jesosy: ‘Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana. Tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako. Raha mangataka zavatra amin’ny anarako ianareo, dia hataoko izany.’ ” (Mivavaka amin’ny anaran’i Jesosy ve ianao, ka manaiky fa izy no mpanelanelana anao amin’Andriamanitra, noho ianao mpanota?)

1 Jaona 5:14: “Izao no toky ananantsika ny amin’Andriamanitra: Na inona na inona angatahintsika ka mifanaraka amin’ny sitrapony, dia mihaino antsika izy.” (Tsy maintsy fantarinao anefa aloha hoe inona no sitrapon’Andriamanitra, mba ho azonao antoka fa mifanaraka amin’izany ny fangatahanao.)

1 Pet. 3:12: “Ny mason’i Jehovah mitsinjo ny olo-marina, ary ny sofiny mihaino ny fitalahoany, fa ny tavan’i Jehovah kosa manohitra ny mpanao ratsy.” (Mianatra Baiboly ve ianao mba hahalalanao izay lazain’i Jehovah hoe tsara na ratsy?)

1 Jaona 3:22: “Na inona na inona angatahintsika dia raisintsika avy aminy izany, satria mitandrina ny didiny sy manao izay ankasitrahana eo imasony isika.” (Tena te hampifaly an’Andriamanitra ve ianao, ka miezaka mankatò izay didiny efa fantatrao?)

Isaia 55:6, 7: “Mitadiava an’i Jehovah, dieny mbola hita izy. Miantsoa azy, dieny mbola akaiky izy. Aoka ny ratsy fanahy hahafoy ny lalany, ary ny mpanisy ratsy olona hahafoy ny heviny. Aoka izy hiverina amin’i Jehovah, izay hamindra fo aminy. Ary aoka izy hiverina amin’Andriamanitsika, fa tena mamela heloka tanteraka izy.” (Mamindra fo i Jehovah, ka na olona nanao ratsy aza asainy hivavaka aminy koa. Tsy maintsy mibebaka amim-pahatsorana anefa izy ireo ka miova, raha te hahazo sitraka aminy.)

Nahoana no tsy henoin’Andriamanitra ny vavaky ny olona sasany?

Mat. 6:5: “Rehefa mivavaka koa ianareo, dia aza manao toy ny mpihatsaravelatsihy, izay tia ny mivavaka mitsangana ao amin’ny synagoga sy eny an-joron-dalambe mba ho hitan’ny olona. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valisoany rehetra.” (Jereo koa ny Lioka 18:9-14.)

Mat. 6:7: ‘Rehefa mivavaka ianareo, dia aza mamerimberina zavatra mitovy foana, toy ny ataon’ny olona eo amin’izao tontolo izao. Heveriny mantsy fa ny fampiasany teny maro no hihainoana azy.’

Ohab. 28:9: “Izay manampin-tsofina tsy hihaino ny [lalàn’Andriamanitra], na ny vavaka ataony aza dia maharikoriko.”

Mika 3:4: “Hiantso vonjy amin’i Jehovah izy ireo amin’izany fotoana izany, nefa tsy hamaly izy. Dia hanafina ny tavany amin’izy ireo izy amin’izay fotoana izay, noho ny ratsy nataon’izy ireo.”

Jak. 4:3: “Mangataka ianareo nefa tsy mahazo ihany, satria ratsy ny anton’ny fangatahanareo, dia ny handanianareo izany ho amin’ny fanirianareo fatratra fahafinaretan’ny nofo.”

Isaia 42:8; Mat. 4:10, Kat.: “Izaho no Iaveh, izany no anarako; ary ny voninahitro tsy homeko ny hafa. Ny fanajana ahy, tsy ho an’ny sampy [“sarin-javatra voasokitra”, Prot.].” “Ny Tompo [“Jehovah”, TV ] Andriamanitrao no hivavahanao, ary izy irery ihany no hotompoinao.” (Jereo koa ny Salamo 115:4-8.) (Ho faly ve Andriamanitra raha mivavaka eo anoloan’ny sarin-javatra voasokitra na sary masina ianao?)

Isaia 8:19: “Mety hisy hiteny aminareo hoe: ‘Manontania mpamoha angatra na olona itoeran’ny fanahy mpilaza ny hoavy, izay samy manao feom-boronkely sy mibitsibitsika.’ Tsy ny Andriamaniny anefa ve no tokony hanontaniany? Ny maty indray ve no hanontaniana mba hahasoa ny velona?”

Jak. 1:6, 7: “Aoka ... izy hangataka amim-pinoana hatrany, ary tsy hisalasala mihitsy, fa izay misalasala dia toy ny onjan-dranomasina entin’ny rivotra ka atopatopany. Aoka tsy hanantena handray na inona na inona avy amin’i Jehovah izany olona izany.”

Inona avy no azo angatahina rehefa mivavaka?

Mat. 6:9-13: “Koa mivavaha toy izao ianareo: ‘[1] Rainay izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao! [2] Ho tonga anie ny fanjakanao! [3] Hatao etỳ an-tany anie ny sitraponao, tahaka ny any an-danitra! [4] Omeo anay anio izay hanina sahaza anay anio, ary [5] mamelà ny helokay, tahaka ny namelanay izay meloka taminay. Ary [6] aza mitondra anay ho amin’ny fakam-panahy, fa manafaha anay amin’ilay ratsy.’ ” (Ny anaran’Andriamanitra sy ny fikasany no tokony horesahina voalohany.)

Sal. 25:4, 5: “Ampahafantaro ahy ny lalanao, Jehovah ô, ampianaro ahy ny lalanao. Ampandehano amin’ny fahamarinanao aho ka ampianaro, fa ianao no Andriamanitra mpamonjy ahy.”

Lioka 11:13: “Raha ianareo, na dia ratsy fanahy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an’ny zanakareo, mainka fa ilay Ray any an-danitra! Hanome ny fanahy masina ho an’izay mangataka aminy tokoa izy!”

1 Tes. 5:17, 18: “Aza mitsahatra mivavaka. Misaora amin’ny zava-drehetra.”

Mat. 14:19, 20: “[Nalain’i Jesosy] ny mofo dimy sy ny trondro roa, dia niandrandra ny lanitra izy ka nivavaka. Rehefa notapahiny ny mofo, dia nozarainy tamin’ny mpianany, ary ny mpianatra kosa nizara izany tamin’ny vahoaka. Koa nihinana ny rehetra ka voky.”

Jak. 5:16: “Mifampivavaha.”

Mat. 26:41: “Miambena sy mivavaha foana mba tsy ho resin’ny fakam-panahy.”

Fil. 4:6: “Aza manahy na amin’inona na amin’inona, fa amin’ny zava-drehetra, dia ampahafantaro an’Andriamanitra ny fangatahanareo, amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fitalahoana mbamin’ny fisaorana.”

Raha misy milaza hoe:

‘Mangataka anareo hivavaka aloha izahay’

Azonao valiana hoe: ‘Faly aho mahita fa zava-dehibe aminao ny vavaka. Mivavaka foana koa izahay Vavolombelon’i Jehovah. Nilaza anefa i Jesosy hoe rahoviana no tokony hivavaka, ary amin’ny fomba ahoana. Fantatrao ve fa nilaza tamin’ny mpianany izy hoe tsy mety ny mivavaka mba ho hitan’ny olona fotsiny hoe mpivavaka be?... (Mat. 6:5)’ Azonao ampiana hoe: ‘Nilaza izy avy eo hoe inona no tokony hangatahintsika voalohany rehefa mivavaka. Momba izany indrindra no tiako horesahina aminao. (Mat. 6:9, 10)’

Na hoe: ‘Fantatray fa manao izany ny fivavahana sasany. Tsy manao izany anefa izahay Vavolombelon’i Jehovah, satria hafa ny fomba fitory natoron’i Jesosy ny mpianany. Tsy nilaza izy hoe: “Rehefa miditra ao an-trano ianareo, dia mivavaha aloha”, fa hoy kosa izy ato amin’ny Matio 10:12, 13. ... Ary resahina eto amin’ny andininy faha-7 ny zavatra tokony hotorina. ... Inona àry no hataon’io Fanjakana io ho antsika? (Apok. 21:4)’