Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Vavolombelon’i Jehovah

Famaritana: Kristianina mazoto mitory eran-tany momba an’i Jehovah Andriamanitra sy ny fikasany. Avy ao amin’ny Baiboly irery ihany ny zavatra inoan’izy ireo.

Inona no zavatra inoan’ny Vavolombelon’i Jehovah ka tsy itovizany amin’ny fivavahana hafa?

1) Baiboly: Mino ny Vavolombelon’i Jehovah fa ny Baiboly manontolo no Tenin’Andriamanitra avy amin’ny herin’ny fanahy masina. Avy ao amin’ny Baiboly daholo ny zavatra inoany, fa tsy avy amin’ny lovantsofin’olombelona.

2) Andriamanitra: Mivavaka amin’i Jehovah, ilay hany tena Andriamanitra, izy ireo. Mitory momba an’i Jehovah sy ny fikasany koa izy ireo. Matetika no tonga dia fantatry ny olona fa “Vavolombelon’i Jehovah” ireo mitory momba an’i Jehovah.

3) Jesosy Kristy: Mino izy ireo fa Zanak’Andriamanitra i Jesosy, araka ny voalazan’ny Baiboly, fa tsy hoe anisan’ny Andriamanitra telo izay iray. Izy no zavaboary noforonin’Andriamanitra voalohany. Efa nisy tany an-danitra izy, ary nafindra tao an-kibon’i Maria virjiny ny ainy. Nanolotra ny ainy lavorary ho sorona izy, mba hahazoan’izay mino azy famonjena sy fiainana mandrakizay. Efa Mpanjaka any an-danitra izy nanomboka tamin’ny 1914, ary nomen’Andriamanitra fahefana hitondra ny tany manontolo.

4) Fanjakan’Andriamanitra: Mino izy ireo fa ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no azo antenaina hitondra vahaolana ho an’ny olombelona. Tena fitondram-panjakana izy io, ary handrava tsy ho ela ity tontolo ratsy ity, anisan’izany ny fanjakan’olombelona rehetra. Hanorina tontolo vaovao hanjakan’ny fahamarinana koa izy io.

5) Fiainana any an-danitra: Mino izy ireo fa 144 000 ireo Kristianina voahosotry ny fanahy hiara-manjaka amin’i Kristy any an-danitra. Tsy mino àry izy ireo hoe ho any an-danitra daholo ny olona “tsara” rehetra.

6) Ny tany: Mino izy ireo fa ho tanteraka ny fikasan’Andriamanitra tany am-boalohany momba ny tany, ka ho feno mpivavaka amin’i Jehovah ny tany. Ho lavorary izy ireny ka ho afaka hiaina mandrakizay. Na ny maty aza hatsangana mba hahazo izany fitahiana izany.

7) Fahafatesana: Mino izy ireo fa tsy mahalala na inona na inona ny maty, ary tsy mijaly na sambatra. Tsy misy intsony izy ireny, nefa hotsaroan’Andriamanitra, ka azo antenaina fa hatsangany ary ho velona indray amin’ny hoavy.

8) Andro farany: Mino izy ireo fa ao anatin’ny andro faran’ity tontolo ratsy ity isika, nanomboka tamin’ny 1914. Ho tafavoaka velona anefa ireo tia ny fahamarinana, ka hiaina eo amin’ny tany iray voadio.

9) Fisarahana amin’izao tontolo izao: Miezaka mafy ny ho tsy anisan’izao tontolo izao izy ireo, araka ny tenin’i Jesosy. Tena tia ny mpiara-belona aminy izy ireo, nefa tsy miditra amin’ny politika na ny adin’ireo firenena. Mamelona ny ankohonany izy ireo, nefa tsy matimatin-karena na mitady laza na manaram-po amin’ny fahafinaretana, toy ny ataon’ity tontolo ity.

10) Fampiharana ny torohevitry ny Baiboly: Mino izy ireo fa zava-dehibe ny mampihatra ny torohevitry ny Baiboly eo amin’ny fiainana andavanandro, na ao an-trano izany na any am-pianarana na any am-piasana na eo anivon’ny fiangonana. Na iza na iza dia afaka ny ho lasa Vavolombelon’i Jehovah, raha miala amin’ny fanao ratsiny taloha ka mampihatra ny torohevitry ny Baiboly. Horoahina tsy ho anisan’ny fiangonana anefa izy, raha lasa zatra manitsakitsa-bady na mijangajanga, miray amin’ny lehilahy toa azy na vehivavy toa azy, na midoroka zava-mahadomelina, na mimamo, na mandainga, na mangalatra indray.

(Tsy ireo ihany ny zavatra inoan’ny Vavolombelon’i Jehovah tsy itovizany amin’ny fivavahana hafa. Hita ao amin’ny Fanondroana amin’ity boky ity ny andinin-teny misy ireo zavatra inoany ireo.)

Fivavahana amerikanina ve ny Vavolombelon’i Jehovah?

Ny Fanjakan’Andriamanitra no tohanan’izy ireo, fa tsy ny rafitra politika na sosialy na ny toe-karenan’ny firenena iray, na iza izy na iza.

Marina fa nanomboka tany Etazonia ny tantaran’ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny. Any ny foibeny, ka izany dia manamora ny fanaovam-pirinty sy fandefasana boky aman-gazety ara-baiboly any amin’ny tany maro. Tsy manindrahindra firenena na iza na iza anefa izy ireo. Saika ahitana azy ireo ny firenena rehetra, ary manana birao miandraikitra ny asany any amin’ny tany maro izy ireo.

Diniho izao: Jiosy i Jesosy ary teraka tany Palestina. Fivavahana palestinianina anefa ve ny Fivavahana Kristianina? Tsy ny toerana nahaterahan’i Jesosy akory no tena zava-dehibe. Avy tamin’i Jehovah Andriamanitra Rainy ny fampianarany, ary tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra.—Jaona 14:10; Asa. 10:34, 35.

Avy aiza ny vola ampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah?

Avy amin’ny fanomezana an-tsitrapo, toy ny nataon’ireo Kristianina voalohany. (2 Kor. 8:12; 9:7) Tsy mitanty rakitra mihitsy izy ireo rehefa mivory. Tsy mangata-bola amin’olona koa izy ireo. Ampiasainy hampandrosoana ny asa fampianarana Baiboly eran-tany izay rehetra omen’ny olona liana.

Tsy karamaina hitory isan-trano na hizara boky sy gazety eny an-dalana koa izy ireo. Tia an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona aminy kosa izy ireo matoa mazoto mitory.

Najoro tamin’ny 1884 ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania (Fikambanana Tilikambo Fiambenana), izay fikambanana ara-pivavahana ampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah. Mifanaraka amin’ny Lalàn’i Pennsylvanie Mifehy ny Fikambanana Tsy Mitady Tombony, any Etazonia, izy io. Tsy natao hitadiavana tombony àry izy io, sady tsy eken’ny lalàna rahateo ny hanaovany izany. Tsy misy olona mampiasa azy io koa mba hitadiavana tombony. Izao no voalazan’ny satan’io Fikambanana io: “Tsy mieritreritra ny haka tombony ilay fikambanana, na iniana hatao izany na tsia.” Toy izany koa ny fikambanana ampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah any an-tany hafa.

Sekta ve ny Vavolombelon’i Jehovah?

Misy milaza fa antokom-pivavahana niala tamin’ny fivavahana lehibe iray no atao hoe sekta. Ny hafa indray milaza fa sekta ny antokom-pivavahana manaraka mpitarika iray, ary mitoka-monina ireo mpivavaka ao aminy ka ny tombontsoan’izy samy izy ihany no tadiaviny. Teny manambany ny hoe sekta. Tsy niala tamin’ny fivavahana lehibe iray anefa ny Vavolombelon’i Jehovah, fa misy olona avy amin’ny saranga sy fivavahana rehetra ao aminy. Tsy niala tamin’ny fampianaran’ny Baiboly mihitsy izy ireo, fa manaraka akaiky an’izany kosa. I Jesosy Kristy, fa tsy olombelona, no ekeny ho mpitarika azy. Tsy mitoka-monina koa izy ireo, fa miara-miaina sy miara-miasa amin’ny olon-drehetra.

Oviana no niforona ny fivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah?

Resahin’ny Baiboly fa i Abela no vavolombelon’i Jehovah voalohany. Hoy ny Hebreo 11:4–12:1: “Finoana no nanoloran’i Abela ho an’Andriamanitra sorona nisy vidiny kokoa noho ny an’i Kaina. ... Finoana no nanehoan’i Noa tahotra an’Andriamanitra ..., rehefa nahazo fampitandremana avy tamin’Andriamanitra ny amin’ny zavatra mbola tsy hitany izy. ... Finoana no nankatoavan’i Abrahama rehefa nantsoina izy. Nankatò tokoa izy ka nandeha ho any amin’ny toerana voatendry ho lovany. ... Finoana no nandavan’i Mosesy tsy hatao hoe zanaky ny zanakavavin’i Farao, rehefa nihalehibe izy. Naleony nampijalina niaraka tamin’ny vahoakan’Andriamanitra, toy izay hifaly vetivety tamin’ny fahotana. ... Koa satria misy vavolombelona maro be toy ny rahona manodidina antsika, dia aoka koa isika hanaisotra izay rehetra manavesatra antsika sy ny ota izay mora mamatopatotra antsika, ary aoka isika hihazakazaka amim-paharetana amin’ilay hazakazaka eo anoloantsika.”

Hoy ny Baiboly momba an’i Jesosy Kristy: “Izao no lazain’ny Amena, ilay vavolombelona mendri-pitokisana sy marina, ilay fiandohan’ny zavatra noforonin’Andriamanitra.” Vavolombelon’iza izy? Ny tenany mihitsy no nilaza fa nampahafantatra ny anaran-dRainy izy. Izy àry no vavolombelon’i Jehovah lehibe indrindra.—Apok. 3:14; Jaona 17:6.

Nifanontany ny Jiosy sasany, indray mandeha, raha “fampianarana vaovao” no nataon’i Jesosy Kristy. (Mar. 1:27) Nisy Grika koa nihevitra fa nitondra “fampianarana vaovao” ny apostoly Paoly. (Asa. 17:19, 20) Vaovao tamin’ireo nandre azy tokoa izany, nefa ny tena zava-dehibe dia hoe izany no fahamarinana mifanaraka tanteraka amin’ny Tenin’Andriamanitra.

Nanomboka taoriana kelin’ny 1870 ny tantaran’ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny, rehefa nisy olona vitsivitsy niara-nianatra Baiboly tany Allegheny, any Pennsylvanie, Etazonia. Mpianatra Baiboly no nahafantarana azy ireo tamin’ny voalohany, kanefa noraisiny ilay anarana ao amin’ny Baiboly hoe Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny 1931. (Isaia 43:10-12) Tsy vaovao akory ny zavatra inoany sy ny fanaony, fa ny Fivavahana Kristianina tamin’ny taonjato voalohany ihany no naveriny tamin’ny laoniny.

Mino ve ny Vavolombelon’i Jehovah fa ny fivavahany ihany no marina?

Tsy mifanaraka amin’ny Baiboly ny fiheverana hoe samy eken’Andriamanitra ny fivavahana rehetra. Hoy ny Efesianina 4:5: “Iray ny Tompo, iray ny finoana.” Hoy koa i Jesosy: “Tery ... ny vavahady ary ety ny lalana mankany amin’ny fiainana, ka vitsy no mahita azy. ... Tsy izay rehetra milaza amiko hoe: ‘Tompo ô, Tompo ô’, no hiditra ao amin’ny fanjakan’ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon’ny Raiko izay any an-danitra.”—Mat. 7:13, 14, 21; jereo koa ny 1 Korintianina 1:10.

Imbetsaka ny Soratra Masina no milaza fa “fahamarinana” ny fampianarana kristianina, ary “lalan’ny fahamarinana” ny Fivavahana Kristianina. (1 Tim. 3:15; 2 Jaona 1; 2 Pet. 2:2) Avy ao amin’ny Baiboly daholo ny zavatra inoan’ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny fitsipi-pitondran-tena ary ny lamina arahiny. Tenin’Andriamanitra anefa ny Baiboly aminy. Miaiky àry izy ireo fa ny fahamarinana no arahiny. Tsy manambony tena anefa izy ireo, fa matoky kosa fa ny Baiboly no ahafahana mamantatra raha marina na tsia ny fivavahana iray. Tsy tia tena koa izy ireo, fa mazoto miresaka amin’ny hafa ny zavatra inoany.

Moa ve tsy manaraka ny Baiboly koa ny fivavahana hafa?

Mampiasa Baiboly ihany ny fivavahana maro. Kanefa, tena mampianatra sy mampihatra izay voalaza ao ve izy ireo? Diniho izao: 1) Nesorin’izy ireo tao amin’ny ankamaroan’ny Baiboly nadikany ny anaran’ilay tena Andriamanitra. 2) Avy tamin’ny mpanompo sampy ilay foto-pinoany hoe telo izay iray Andriamanitra, izay nanjary nekeny ela be taorian’ny nahavitana ny Baiboly. 3) Tsy avy ao amin’ny Baiboly ilay finoany hoe manana fanahy tsy mety maty ny olombelona, fa avy tany Babylona fahiny. 4) Ny Fanjakan’Andriamanitra no foto-kevitry ny fitorian’i Jesosy, ary nirahiny hitory azy io ny mpianany. Zara raha miresaka momba an’io Fanjakana io anefa ny fivavahana ankehitriny, ary tsy mitory ny “vaovao tsaran’ilay fanjakana” ireo mpiangona ao aminy. (Mat. 24:14) 5) Nilaza i Jesosy fa ny fifankatiavana no amantarana ny tena mpianany. Mifankatia anefa ve ireo fivavahana milaza azy ho Kristianina rehefa miady ireo firenena? 6) Milaza ny Baiboly fa tsy anisan’izao tontolo izao ny mpianatr’i Kristy, ka ho lasa fahavalon’Andriamanitra na iza na iza te ho naman’izao tontolo izao. Miditra lalina amin’ny politika anefa ireo fivavahana milaza azy ho Kristianina sy ireo mpiangona ao aminy. (Jak. 4:4) Azo lazaina àry ve fa tena manaraka izay voalazan’ny Baiboly izy ireo?

Ahoana no ahafahan’ny Vavolombelon’i Jehovah manazava ny hevitry ny Baiboly?

Tena mino izy ireo fa Tenin’Andriamanitra ny Baiboly, ary natao ho fianarantsika izay voasoratra ao. (2 Tim. 3:16, 17; Rom. 15:4; 1 Kor. 10:11) Tsy soloany hevitr’olombelona àry ny fahamarinana sy ny fitsipi-pitondran-tena ao amin’ny Baiboly.

Ny Baiboly ihany, fa tsy ny heviny manokana, no entiny hanazavana ny teny an’ohatra ao amin’ny Baiboly. (1 Kor. 2:13) Hita ao amin’ny andininy hafa mantsy ny hevitry ny teny an’ohatra sasany. (Jereo, ohatra, ny Apokalypsy 21:1; avy eo ny Isaia 57:20, mba hahitana ny hevitry ny hoe “ranomasina.” Jereo ny Jaona 1:29 sy 1 Petera 1:19, mba hahitana hoe iza ilay “Zanak’ondry” resahin’ny Apokalypsy 14:1.)

Manaraka ny tenin’i Jesosy koa izy ireo ka mandinika foana an’ireo fisehoan-javatra eran-tany. Izany no manampy azy ireo hahita ny fahatanterahan’ny faminaniana. (Lioka 21:29-31; ampitahao amin’ny 2 Petera 1:16-19.) Resahiny amin’ny olona avy eo ireny fisehoan-javatra ireny, sy izay lazain’ny Baiboly momba azy ireny.

Nilaza i Jesosy fa hanana “mpanompo mendri-pitokisana sy malina” izy eto an-tany, izay tsy iza fa ny Kristianina voahosotra rehetra. Amin’ny alalan’io “mpanompo” io no hanomezany sakafo ara-panahy ho an’ny mpianakavin’ny finoana. (Mat. 24:45-47) Manaiky an’izany lamina izany ny Vavolombelon’i Jehovah. Ny filan-kevi-pitantanana solontenan’io “mpanompo” io àry no anontaniany rehefa manana fanontaniana sarotra izy ireo, toy ny nataon’ny Kristianina voalohany ihany. Tsy miantehitra amin’ny fahendreny io “mpanompo” io rehefa mamaly fanontaniana, fa miantehitra amin’ny fahalalany ny Baiboly sy izay efa nataon’Andriamanitra tamin’ny mpanompony, ary mangataka mafy ny fanampian’ny fanahy masina.—Asa. 15:1-29; 16:4, 5.

Nahoana no nisy niova ny fampianaran’ny Vavolombelon’i Jehovah?

Asehon’ny Baiboly fa ampian’i Jehovah hahatakatra tsikelikely ny fikasany ny mpanompony. (Ohab. 4:18; Jaona 16:12) Tsy nahazo ny hevitr’izay rehetra nosoratany, ohatra, ireo mpaminany nanoratra boky ao amin’ny Baiboly. (Dan. 12:8, 9; 1 Pet. 1:10-12) Niaiky koa ny apostolin’i Jesosy Kristy fa betsaka ny zavatra mbola tsy takany. (Asa. 1:6, 7; 1 Kor. 13:9-12) Milaza anefa ny Baiboly fa hitombo be ny fahalalana ny marina, amin’ny “fotoanan’ny farany.” (Dan. 12:4) Midika izany fa tsy maintsy hahitsy izay hevi-diso taloha. Manetry tena ny Vavolombelon’i Jehovah ka manaiky izany fanitsiana izany.

Nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no mitory isan-trano?

Nolazain’i Jesosy toy izao ny asa tokony hatao ankehitriny: “Hotorina maneran-tany ity vaovao tsaran’ilay fanjakana ity, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, vao ho tonga ny farany.” Hoy koa izy tamin’ny mpanara-dia azy: ‘Mandehana, ataovy mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra.’—Mat. 24:14; 28:19.

Nasain’i Jesosy nitsidika ny olona isan-tokantrano ireo mpianany. (Mat. 10:7, 11-13) Hoy ny apostoly Paoly: “Tsy niahotra aho nilaza taminareo izay rehetra nahasoa, sy nampianatra anareo ampahibemaso sy isan-trano.”Asa. 20:20, 21; jereo koa ny Asan’ny Apostoly 5:42.

Mamonjy ain’olona ny hafatra torin’ny Vavolombelona, ka miezaka mafy hitory amin’ny olona rehetra izy ireo. (Zef. 2:2, 3) Tia an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona aminy mantsy izy ireo.

Hoy ny mpitondra fivavahana maromaro nivory tany Espaina: “[Ataon’ny fiangonana] tsirambina loatra angamba ilay asa lehibe indrindra ifantohan’ny Vavolombelona, dia ny fitsidihana ny olona isan-tokantrano. Izany anefa no fomba fitorin’ny apostoly sy ny fiangonana voalohany. Imbetsaka ireo fiangonana ankehitriny no mianina fotsiny amin’ny fanorenana trano fivavahana, mampaneno lakolosy ary mitory ao am-piangonana. [Ny Vavolombelona] kosa manahaka ny apostoly ka mitety trano, ary mitory isaky ny mahita hirika hanaovana izany.”—El Catolicismo, Bogotá, Kolombia, 14 Septambra 1975, p. 14.

Nahoana ny Vavolombelona no miverimberina mitsidika olona tsy mitovy finoana aminy?

Tsy teren’izy ireo hihaino ny hafatra toriny ny olona. Fantatr’izy ireo anefa fa misy olona mifindra trano, ary miova koa ny fiainan’ny olona. Mety ho sahirana be, ohatra, ny olona iray ka tsy afaka mihaino, nefa mety ho vonona hihaino izy amin’ny manaraka. Mety ho tsy liana ny olona iray, nefa mety ho liana kosa ny mpianakaviny. Miova koa ny olona. Mety hanjary ho liana izy, ohatra, rehefa miatrika olana lehibe.—Jereo koa ny Isaia 6:8, 11, 12.

Nahoana no enjehina sy haratsina ny Vavolombelon’i Jehovah?

Hoy i Jesosy: “Raha halan’izao tontolo izao ianareo, dia fantatrareo fa izaho efa halany talohanareo. Raha anisan’izao tontolo izao ianareo, dia ho tia ny azy izao tontolo izao. Fa satria tsy anisan’izao tontolo izao ianareo, fa izaho efa nifidy anareo avy tamin’izao tontolo izao, dia halan’izao tontolo izao ianareo.” (Jaona 15:18, 19; jereo koa ny 1 Petera 4:3, 4.) Milaza ny Baiboly fa eo ambany fahefan’i Satana izao tontolo izao. Izy àry no tena mampirisika ny olona hanenjika ny Vavolombelona.—1 Jaona 5:19; Apok. 12:17.

Hoy koa i Jesosy tamin’ny mpianany: “Ho halan’ny olona rehetra ianareo noho ny anarako.” (Mar. 13:13) Ilay hoe ‘anarana’ eto dia ilazana ny toerana tanany amin’ny maha Mesia Mpanjaka azy. Enjehina àry ny Vavolombelon’i Jehovah satria ny baikon’i Jesosy no ekeny, vao ny an’ny mpitondra olombelona.

Raha misy milaza hoe:

‘Nahoana ianareo no tsy manao asa soa ho an’ny fiaraha-monina?’

Azonao valiana hoe: ‘Hitako fa zava-dehibe aminao tokoa izay hahasoa ny fiaraha-monina. Tena zava-dehibe aminay koa izany. Inona, ohatra, no olana heverinao fa tokony halamina voalohany indrindra?’ Azonao ampiana hoe: ‘Nahoana no tena ilaina halamina izany, araka ny hevitrao?... Mety ho tsara tokoa raha voalamina haingana izany, nefa tiantsika koa ny hahita vahaolana maharitra. Izany no zava-kendrenay Vavolombelon’i Jehovah. (Hazavao fa manampy ny isam-batan’olona hampihatra ny toro lalan’ny Baiboly isika, mba hahitany vahaolana maharitra. Lazao koa fa ny Fanjakan’Andriamanitra no hamaha tanteraka ny olana rehetra.)’

Na hoe: ‘(Rehefa avy nilaza hevitra sasany etsy aloha...) Misy manome vola ary misy kosa manampy an-tsitrapo, mba hanasoavana ny fiaraha-monina. Samy ataonay Vavolombelon’i Jehovah ireo.’ Azonao ampiana hoe: 1) ‘Mandoa hetra foana izahay Vavolombelon’i Jehovah. Vola miditra amin’ny fanjakana izany, ka manampy azy hanao ny asany ho an’ny vahoaka.’ 2) ‘Tsy izay ihany anefa. Mitsidika ny olona isan-tokantrano koa izahay, mba hanasa azy hianatra Baiboly maimaim-poana. Rehefa mianatra Baiboly ny olona iray, dia afaka mampihatra izay ianarany ka afaka mandamina ny olana mahazo azy.’

Na hoe: ‘Misaotra anao nametraka izany fanontaniana izany. Olona maro no mbola tsy nanontany mihitsy hoe inona marina no ataonay Vavolombelon’i Jehovah ho an’ny fiaraha-monina. Ekentsika rehetra angamba fa misy fomba maro azo anampiana.’ Azonao ampiana hoe: 1) ‘Misy manangana hopitaly, sekoly, trano fitaizana ny be antitra, sy ny sisa. Ny hafa indray mitsidika ny olona any an-tokantranony ka manampy azy arakaraka izay ilainy. Izany no ataonay Vavolombelon’i Jehovah.’ 2) ‘Hitanay fa lasa be fanantenana ny olona iray rehefa mianatra Baiboly, satria lasa fantany ny dikan’ny fiainana sy izay hitranga amin’ny hoavy.’

Na hoe: ‘Misaotra anao amin’ilay fanontaniana. Tiantsika tokoa raha mihatsara ny fiainana e? Ahoana no fahitanao ny fomba nanampian’i Jesosy Kristy ny olona, tamin’izy teto an-tany? Nitondra soa ho azy ireo ve izany?... Miezaka manahaka azy izahay.’

‘Tokony ho vavolombelon’i Jesosy, fa tsy vavolombelon’i Jehovah, ny Kristianina’

Azonao valiana hoe: ‘Marina tokoa fa manana adidy ho vavolombelon’i Jesosy isika. Izany no mahatonga ny boky aman-gazetinay hanasongadina ny anjara asan’i Jesosy eo amin’ny fikasan’Andriamanitra. (Azonao aseho ao amin’ny boky na gazety any aminao izany.) Asa anefa raha efa fantatrao ity hevitra ity? (Apok. 1:5) ... Vavolombelon’iza moa i Jesosy? (Jaona 5:43; 17:6) ... Tsy tokony hanahaka an’i Jesosy àry ve isika?... Nahoana no tena ilaina ny mahalala an’i Jesosy sy ny Rainy? (Jaona 17:3)’