Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vehivavy

Vehivavy

Famaritana: Olombelona vavy efa lehibe. Ny teny hebreo kosa manao hoe ’ishshah, izay midika ara-bakiteny hoe “lehilahy vavy.”

Manambany ny vehivavy ve ny Baiboly?

Gen. 2:18: “Hoy koa i Jehovah Andriamanitra: ‘Tsy tsara raha irery foana ralehilahy. Hanao mpanampy ho azy aho, ho famenony.’ ” (Tsy voalaza eo hoe tsara kokoa noho ny vehivavy ny lehilahy. Nilaza kosa Andriamanitra fa hifameno amin’ny toetran’ny lehilahy ny an’ny vehivavy. Ny hoe fameno dia izay entina hanampiana ny zavatra iray mba hahafeno azy. Samy manana toetra sy fahaizana miavaka àry ny vehivavy sy ny lehilahy. Ampitahao amin’ny 1 Korintianina 11:11, 12.)

Gen. 3:16: “Hoy [Andriamanitra] tamin-dravehivavy: ‘... ny vadinao no hiantefan’ny fanirianao, ary hanjaka aminao izy.’ ” (Izany no nolazain’i Jehovah tamin’i Adama sy Eva taorian’ny nanotan’izy ireo. Tsy milaza izay tokony hataon’ny lehilahy anefa izy eo, fa izay mety hitranga kosa, satria lasa tia tena ny olombelona. Tantara maro ao amin’ny Baiboly no miresaka momba ny voka-dratsin’ny toe-tsaina tia manjakazaka ananan’ny lehilahy. Tsy voalaza ao anefa hoe nankasitraka ny nataon’izy ireo Andriamanitra, na tokony hotahafina izy ireo.)

Mampietry ny vehivavy ve ny hoe fehezin’ny lehilahy?

Tsy mampietry velively ny fanekena fahefana. Mampisy filaminana kosa izany, ary “tsy Andriamanitry ny fikorontanana” i Jehovah “fa Andriamanitry ny filaminana.” (1 Kor. 14:33) Eo ambany fahefan’i Jehovah Andriamanitra i Jesosy Kristy, ary tena faly izy manaiky Azy.—Jaona 5:19, 20; 8:29; 1 Kor. 15:27, 28.

Voafetra ihany ny fahefana nomen’Andriamanitra ny lehilahy, eo anivon’ny fianakaviana sy ny fiangonana kristianina. I Jesosy Kristy no filohany. Mbola hampamoahin’i Jesosy sy Andriamanitra àry izy ny amin’ny fomba ampiharany ny fahefany. (1 Kor. 11:3) Didiana koa ny lehilahy mba ‘ho tia ny vadiny tahaka ny tenany’ sy “hanome voninahitra azy.” (Efes. 5:28; 1 Pet. 3:7) Tsy hoe zava-dehibe kokoa noho ny filan’ny vadiny, ny filan’ny lehilahy hanao firaisana. (1 Kor. 7:3, 4) Sarobidy ho an’ny fianakaviana sy ny fiaraha-monina ny vehivavy miantsoroka tsara ny andraikiny, araka ny hita ao amin’ny Baiboly. Sady afaka mandray fanapahan-kevitra amin’ny lafin-javatra maro izy, no manaiky ny fahefan’ny vadiny. (Ohab. 31:10-31) Milaza ny Baiboly fa tsy ny ray ihany no tokony hohajain’ny zanaka, fa ny reny koa. (Efes. 6:1-3) Voaresaka manokana ao koa ny tokony hikarakarana ny vehivavy mpitondratena. (Jak. 1:27) Mahatsapa ho tsy manana ahiahy sy ankasitrahana àry ny vehivavy eo anivon’ireo tena Kristianina, sady afa-po amin’izay ataony.

Mendri-kaja eo imason’i Jehovah koa ny vehivavy, matoa antsoiny hoe vehivavy na vadiny, na renin’ireo zanany, ny fandaminany ahitana an’ireo anjeliny tsy mivadika. (Apok. 12:1; Gal. 4:26) Antsoina hoe vadin’i Jesosy Kristy koa ny fiangonan’ny Kristianina voahosotra. (Apok. 19:7; 21:2, 9) Mitovy daholo ireo voantso hiara-manjaka amin’i Kristy any an-danitra, na lahy na vavy.—Gal. 3:26-28.

Afaka ny ho mpitondra fivavahana ve ny vehivavy?

Lehilahy no resahin’ny Baiboly hoe niandraikitra fiangonana. Lehilahy daholo ny apostoly 12, sy ireo voatendry ho mpiandraikitra sy mpanampy amin’ny fanompoana teo anivon’ny fiangonana kristianina. (Mat. 10:1-4; 1 Tim. 3:2, 12) Toroana hevitra ny vehivavy mba “hangina sy hanaiky tsara rehefa mandray fampianarana” any am-pivoriana, izany hoe tsy hametraka fanontaniana hanoherana ny fahefan’ireo lehilahy eo anivon’ny fiangonana. “Tsy mahazo miteny” ny vehivavy mandritra ireny fivoriana ireny, raha toa mampiseho tsy fanekena ny zavatra holazainy. (1 Tim. 2:11, 12; 1 Kor. 14:33, 34) Marina fa mandray anjara be amin’ny asan’ny fiangonana ny vehivavy. Tsy nomena fahefana hiandraikitra na hampianatra ny fiangonana anefa izy ireo, raha mbola misy lehilahy mahafeno fepetra koa eo.

Afaka ny ho mpitory ny vaovao tsara anefa ve ny vehivavy, rehefa ivelan’ny fivorian’ny fiangonana? Samy nilatsahan’ny fanahy masina na lahy na vavy, tamin’ny Pentekosta taona 33. Naka teny tao amin’ny Joela 2:28, 29 ny apostoly Petera, mba hanazavana izany. Hoy izy: “ ‘Amin’ny andro farany’, hoy Andriamanitra, ‘dia handatsahako ampahany amin’ny fanahiko ny karaza-nofo rehetra, ka ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo haminany, ary ny tovolahy eo aminareo hahita fahitana ary ny lahiantitra eo aminareo hanonofy. Ary na ny mpanompolahiko sy ny mpanompovaviko aza, dia handatsahako ampahany amin’ny fanahiko amin’izany andro izany, ka haminany.’ ” (Asa. 2:17, 18) Afaka manao fanompoana koa ny vehivavy kristianina ankehitriny: Mitory isan-trano izy ireo sady mampianatra Baiboly any an-trano.—Jereo koa ny Salamo 68:11; Filipianina 4:2, 3.

Nahoana ny vehivavy kristianina no misaron-doha indraindray?

1 Kor. 11:3-10: “I Kristy no lohan’ny lehilahy rehetra, ny lehilahy no lohan’ny vehivavy, ary Andriamanitra kosa no lohan’i Kristy. ... Izay vehivavy rehetra mivavaka na maminany ka tsy misaron-doha kosa, dia mampahamenatra ny lohany ... Fa tsy tokony hisaron-doha ny lehilahy satria endrika sy voninahitr’Andriamanitra izy, fa ny vehivavy kosa no voninahitry ny lehilahy. Ny lehilahy mantsy tsy avy amin’ny vehivavy, fa ny vehivavy no avy amin’ny lehilahy. Ankoatra izany, dia tsy noforonina ho an’ny vehivavy ny lehilahy, fa ny vehivavy no noforonina ho an’ny lehilahy. Izany no antony itondran’ny vehivavy marika eo amin’ny lohany, dia mariky ny fanajana fahefana, noho ny amin’ny anjely.” (Manaja ny fahefana napetrak’Andriamanitra ny vehivavy kristianina, rehefa misaron-doha amin’ny fotoana tokony hanaovany izany. Manaja ny fahefana napetrak’Andriamanitra i Kristy, ary tokony hanaja izany koa ny lehilahy sy ny vehivavy. Tsy natera-behivavy i Adama, lehilahy voalohany, fa noforonin’Andriamanitra. I Eva kosa namboarin’Andriamanitra avy tamin’ny taolan-tehezan’i Adama, mba ho mpanampy azy. Ny lehilahy, izay noforonina voalohany, àry no notendrena ho filoha. Tsy misaron-doha izy rehefa “mivavaka na maminany” satria ‘endrik’Andriamanitra’ izy eo amin’ny lafiny fahefana, izany hoe tsy misy olona filohany ao an-tokantranony. Tsy manaja ny fahefana nomen’Andriamanitra ho an’ny lehilahy kosa ny vehivavy “mivavaka sy maminany” nefa tsy misaron-doha. Mampahamenatra ny lehilahy koa izy, raha manao izany. Na ny anjely aza, izay anisan’ny fandaminan’i Jehovah any an-danitra oharina amin’ny vadiny, dia mandinika ilay “mariky ny fanajana fahefana” anaovan’ny vehivavy kristianina tsy mivadika. Mampahatsiahy an’ireo anjely izany fa tokony hanaiky an’i Jehovah koa izy ireo.)

Rahoviana ny vehivavy no tokony hisaron-doha?

Rehefa “mivavaka na maminany” izy, hoy ny 1 Korintianina 11:5. Tsy midika akory izany hoe mila misaron-doha izy rehefa mivavaka samirery, na manambara amin’ny hafa ny faminanian’ny Baiboly. Tokony hisaron-doha kosa izy ho fanajana ny fahefan’ny lahy, rehefa voatery miantsoroka andraikitra ara-pivavahana tokony hataon’ny vadiny na ny lehilahy hafa. Tokony hisaron-doha koa izy rehefa mivavaka amin’ny feo avo na mitarika fampianarana Baiboly eo anatrehan’ny vadiny, na dia tsy mitovy finoana aminy aza ilay vadiny. Tsy voatery hisaron-doha anefa izy rehefa miara-mivavaka amin’ny zanany tanora tsy vita batisa na rehefa mampianatra azy, raha tsy eo ny vadiny, satria omen’Andriamanitra alalana hanao izany izy. Tokony hisaron-doha kosa izy, raha sendra tafaraka amin’ny rahalahy vita batisa na amin’ny mpiandraikitra mpitety faritany, rehefa mitarika fampianarana Baiboly. Tsy izy anefa no hivavaka, fa ilay rahalahy.

Mahazo manao makiazy sy firavaka ve ny vehivavy?

1 Pet. 3:3, 4: “Aoka ny haingonareo tsy ho zavatra ivelany toy ny firandranam-bolo sy ny fanaovana firava-bolamena na akanjo ivelany, fa aoka kosa ho ilay toetra miafina ao am-po, izay toy ny manao fitafiana tsy mety simba, dia ny toetra tony sy malemy paika, izay tena sarobidy eo imason’Andriamanitra.” (Midika ve izany fa tsy mahazo mihaingo ny vehivavy? Tsia, raha tsy izany mantsy dia tsy mahazo manao akanjo ivelany koa izy ireo. Ampirisihina kosa izy ireo hahay handanjalanja amin’ny fomba fitafy sy fihaingo, ary hihevitra ho zava-dehibe kokoa ny toetra tsara.)

1 Tim. 2:9, 10: “Iriko koa ny vehivavy mba hihaingo amin’ny akanjo milamina tsara, sy amin’ny fomba maotina sy amim-pahendrena, fa tsy amin’ny randram-bolo niangaliana fatratra, na amin’ny volamena na perla na fitafiana tena lafo vidy. Aoka kosa ny fihaingoany hifanentana amin’ny vehivavy milaza ho mpivavaka amin’Andriamanitra, izany hoe, amin’ny alalan’ny asa tsara.” (Inona no tena zava-dehibe amin’Andriamanitra: Ny haingo sa ny toe-po? Ho faly ve Izy raha tsy manao makiazy sy firavaka ny vehivavy iray, nefa maloto fitondran-tena? Sa ankasitrahany kosa izay vehivavy tsara toetra sy tsara fitondran-tena, ary maotina na dia manao makiazy sy firavaka aza? Hoy i Jehovah: “Tsy toy ny fijerin’ny olona ny fijerin’Andriamanitra, satria ny olona mijery izay hitan’ny maso, fa i Jehovah kosa mijery ny fo.”—1 Sam. 16:7.)

Ohab. 31:30: “Mamitaka ny hatsaram-bika, ary zava-poana ny hatsaran-tarehy, fa ny vehivavy matahotra an’i Jehovah no hahazo dera.”