Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vidim-panavotana

Vidim-panavotana

Famaritana: Izay aloa mba hividianana zavatra efa an’ny tena ihany taloha, na mba hanafahana amin’ny adidy na toe-javatra mampijaly. Ny ran’i Jesosy Kristy no vidim-panavotana lehibe indrindra. Naloan’i Jesosy tany an-danitra ny vidin’ny rany. Afaka manavotra ny olombelona amin’ny ota sy ny fahafatesana nolovana tamin’i Adama àry izy.

Nahoana no tsy mitovy amin’ny fahafatesan’ny maritiora ny fahafatesan’i Jesosy Kristy?

Olona lavorary i Jesosy. Tsy nisy ota izy rehefa teraka, ary lavorary foana mandra-pahafatiny. “Tsy nanota izy.” ‘Tsy nisy loto’ izy, ary ‘tafasaraka tamin’ny mpanota.’—1 Pet. 2:22; Heb. 7:26.

Zanaka lahitokan’Andriamanitra izy. Ren’olona mihitsy Andriamanitra nilaza izany avy any an-danitra. (Mat. 3:17; 17:5) Efa niaina tany an-danitra ilay Zanany, ary tamin’ny alalany no namoronan’Andriamanitra ny zavaboary rehetra eo amin’izao rehetra izao. Nanao fahagagana Andriamanitra, ka namindra ny ain’ilay Zanany tao an-kibon’ny virjiny iray, mba ho teraka olombelona ilay Zanany. Tena lasa olombelona i Jesosy, matoa niantso ny tenany hoe Zanak’olona.—Kol. 1:15-20; Jaona 1:14; Lioka 5:24.

Tsy hoe tsy afa-nanoatra izy rehefa hovonoina. Hoy izy: “Afoiko ny aiko ... Tsy misy manaisotra ny aiko amiko fa izaho no mahafoy azy araka ny nahim-poko.” (Jaona 10:17, 18) Tsy nangataka ny handefasana anjely hamonjy azy izy. (Mat. 26:53, 54) Marina fa nisy olona ratsy fanahy navela hamono azy, kanefa tena nanao sorona ny ainy izy.

Ny rany no mahavotra ny olona. “Ny Zanak’olona aza tsy tonga mba hotompoina fa mba hanompo, ka hanome ny ainy ho vidim-panavotana ho takalon’ny maro.” (Mar. 10:45) Misy maty maritiora satria tsy nety niala tamin’ny finoany. Mihoatra lavitra noho ny fahafatesana toy izany anefa ny fahafatesan’i Jesosy.

Jereo koa ny pejy 134-136, eo ambanin’ny loha hevitra hoe “Fahatsiarovana.”

Nahoana no tsy maintsy navotana isika, mba hahazoantsika fiainana mandrakizay?

Rom. 5:12: “Tahaka ny nidiran’ny ota avy tamin’ny olona iray [Adama] ho amin’izao tontolo izao, ary avy tamin’ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka niely tamin’ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra.” (Teraka mpanota isika rehetra, na dia miezaka mafy hanao izay mahitsy aza. [Sal. 51:5] Tsy manan-jo hiaina mandrakizay mihitsy àry isika ho tambin’izay ataontsika.)

Rom. 6:23: “Fahafatesana no tambin’ny ota.”

Sal. 49:6-9: “Mitoky amin’ny fananany izy ireo, ary mirehareha amin’ny harem-beny, nefa tsy misy amin’izy ireo mahavita manavotra ny rahalahiny, na manome an’Andriamanitra ny vidim-panavotana ho azy,—fa lafo loatra ny vidiny hanavotana ny ain’izy ireo, ka tsy ho voaloa mandritra ny fotoana tsy voafetra—mba ho velona mandrakizay izy ka tsy ho lasa any amin’ny lavaka.” (Tsy lavorary ny olona rehetra, ka tsy misy mahavotra ny namany amin’ny ota sy fahafatesana. Tsy mahavidy fiainana mandrakizay ny volany. Tsy mahavotra na iza na iza ny fahafatesany, satria izany no tambin’ny otany.)

Nahoana no tsy nilaza fotsiny Andriamanitra hoe ho afaka hiaina mandrakizay izay taranak’i Adama mankatò, na dia tsy maintsy maty aza i Adama sy Eva mpikomy?

Satria “tia ny rariny sy ny hitsiny” i Jehovah. (Sal. 33:5; Deot. 32:4; Jer. 9:24) Araka ny rariny sy ny hitsiny àry ny nataony, sady porofon’ny fitiavany sy ny famindram-pony. Fa nahoana?

1) Efa nanota i Adama sy Eva vao niteraka. Tsy nisy lavorary àry ny taranany, satria teraka mpanota. Ny fahafatesana anefa no tambin’ny ota. Raha nisy àry taranak’i Adama navelan’i Jehovah ho velona mandrakizay, dia ho nanao tsinontsinona ny fitsipiny marina Izy. Ho nankasitraka ny tsy fahamarinana koa izy. Tsy ara-drariny anefa izany. Tsy misy mihitsy àry afaka manome tsiny azy hoe tsy ara-drariny ny nataony.—Rom. 3:21-26.

2) Ahoana no hahafahan’i Jehovah hanao ny rariny, no sady hamonjy an’izay taranak’i Adama tia sy mankatò azy? Raha olona lavorary no maty ho sorona, dia ho afaka handrakotra ny fahotan’ireo mino an’ilay sorona ny ainy lavorary. Rariny izany satria ny fahotan’ny olona iray (Adama) no nahatonga ny olona rehetra ho mpanota. Ny ain’ny olon-kafa iray lavorary (Adama faharoa) àry no hifandanja amin’ilay aina lavorary nafoin’i Adama. Tsy handray soa avy amin’izany i Adama satria nanota an-tsitrapo. Ho avotra kosa ny taranany, satria ho voaloa ilay sazy tokony haloan’ny olona rehetra noho ny ota. Tsy nisy olona lavorary toy izany anefa teto an-tany. Nanome ny Zanany lahitokana àry i Jehovah noho ny fitiavany, na dia mafy taminy aza izany. (1 Kor. 15:45; 1 Tim. 2:5, 6; Jaona 3:16; Rom. 5:8) Nanaiky koa ilay Zanany ka nahafoy ny voninahiny tany an-danitra. Lasa olona lavorary i Jesosy, ary maty hamonjy ny olombelona.—Fil. 2:7, 8.

Fanoharana: Aoka hatao hoe lasa mpanao heloka bevava ny lehilahy iray ka voaheloka ho faty. Mety ho lasa mahantra sy ho voatery handoa ny trosany ny zanany. Tsara fanahy anefa ny raiben’ireo ankizy ireo, ka nirahiny ny zanany iray miara-mipetraka aminy mba handoa ireo trosa. Ho afaka hanana fiaingana vaovao indray àry ireo ankizy. Tsy maintsy manaiky an’ilay fanampiana anefa izy ireo. Mety hitaky zavatra amin’izy ireo koa ny raibeny, mba ho azony antoka fa tsy hanahaka an-drainy izy ireo.

Iza no nandray soa voalohany tamin’ny soron’i Jesosy, ary inona no zava-kendrena tamin’izany?

Rom. 1:16: “Herin’Andriamanitra [ny vaovao tsara momba an’i Jesosy Kristy sy ny anjara asany ao amin’ny fikasan’i Jehovah] ho famonjena izay rehetra mino, dia ny Jiosy aloha vao ny Grika koa.” (Ny Jiosy aloha no novonjena, vao ny tsy Jiosy.)

Efes. 1:11-14: “Tao [amin’i Kristy] no nanaovana antsika [Jiosy, anisan’izany ny apostoly Paoly] koa ho mpandova [an’ilay Fanjakana any an-danitra], ... mba hanompoantsika ho fiderana ny voninahiny, dia isika izay voalohany nanantena an’i Kristy. Fa nanantena azy koa ianareo [Kristianina hafa firenena, toy ireo tany Efesosy] rehefa avy nandre ny tenin’ny fahamarinana, dia ny vaovao tsara momba ny famonjena anareo. Ary tamin’ny alalany koa no nanisiana tombo-kase anareo rehefa nino ianareo, dia ny tombo-kasen’ny fanahy masina nampanantenaina, izay antoka mialoha ny amin’ny lovantsika. Nasiana izany tombo-kase izany ianareo mba hanafahana ny olon’Andriamanitra amin’ny alalan’ny vidim-panavotana, mba hiderana azy amim-boninahitra.” (Voatahiry any an-danitra io lova io, araka ny 1 Petera 1:4. Miisa 144 000 ireo hahazo azy io, araka ny Apokalypsy 14:1-4. Ho mpanjaka sy mpisorona miaraka amin’i Kristy mandritra ny 1 000 taona izy ireo. Ho tanteraka ny fikasan’Andriamanitra amin’izay, ka ho lasa paradisa honenan’ny olona lavorary ny tany.)

Iza koa ankehitriny no mandray soa avy amin’ny soron’i Jesosy?

1 Jaona 2:2: “Izy [Jesosy Kristy] no sorona fampihavanana noho ny fahotantsika [ny an’ny apostoly Jaona sy ny Kristianina hafa voahosotra], nefa tsy noho ny antsika ihany fa noho ny an’izao tontolo izao manontolo koa [ny olon-kafa rehetra manantena ny hiaina mandrakizay eto an-tany].”

Jaona 10:16: “Manana ondry hafa tsy ao amin’ity vala ity aho. Ireny koa tsy maintsy hoentiko, ary hihaino ny feoko izy, ka ho tonga andiany iray ireo sady ho iray ihany ny mpiandry.” (Mbola eto an-tany ny sisa amin’ny “ondry vitsy” mpandova ilay Fanjakana, amin’ny fotoana ikarakaran’i Jesosy ny “ondry hafa.” Afaka ny ho “andiany iray” ihany àry izy ireo. Samy mandray soa avy amin’ny soron’i Jesosy izy ireo, saingy ny iray ho any an-danitra ary ny iray ho eto an-tany.)

Apok. 7:9, 14: “Taorian’izany, dia nahita aho, ary nisy vahoaka be tsy tambo isaina, avy tamin’ny firenena sy foko sy vahoaka ary fiteny rehetra ... ‘Ireo no avy tamin’ny fahoriana lehibe, ary ny akanjony nosasany sy nofotsiany tamin’ny ran’ny Zanak’ondry.’ ” (Hahita ny fanombohan’ny fahoriana lehibe ny vahoaka be. Madio eo anatrehan’Andriamanitra izy ireo satria mino ny vidim-panavotana. Lasa olo-marina àry izy ireo ka ho voaro mandritra ny fahoriana lehibe.)

Inona avy ny fitahiana ho azo noho ilay vidim-panavotana?

Apok. 5:9, 10: “Nihira hira vaovao izy ireo, nanao hoe: ‘Mendrika handray ny horonam-boky sy hamaha ny tombo-kaseny ianao [Jesosy Kristy, ilay Zanak’ondry], satria efa novonoina ho faty, ary ny ranao no nividiananao ho an’Andriamanitra, olona avy tamin’ny foko sy fiteny sy vahoaka ary firenena rehetra. Ary nataonao fanjakana sy mpisorona ho an’Andriamanitsika ireo, ka ho mpanjaka hitondra ny tany.’ ” (Ilay vidim-panavotana no nahatonga ny Kristianina sasany ho afaka hiara-manjaka amin’i Kristy any an-danitra. Tsy ho ela izy rehetra dia hipetraka eo amin’ny seza fiandrianany any an-danitra.)

Apok. 7:9, 10: “Nisy vahoaka be tsy tambo isaina, avy tamin’ny firenena sy foko sy vahoaka ary fiteny rehetra, nitsangana teo anoloan’ny seza fiandrianana sy teo anatrehan’ny Zanak’ondry [Jesosy Kristy izay natao sorona toy ny zanak’ondry], nanao akanjo fotsy lava, ary nisy sampana palmie teny an-tanany. Niantsoantso mafy tsy an-kijanona izy ireo, nanao hoe: ‘Ny famonjena dia azontsika avy amin’Andriamanitsika, izay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana, sy avy amin’ny Zanak’ondry.’ ” (Tena ilain’ny vahoaka be ny mino ny soron’i Kristy, mba hahatafavoaka velona azy amin’ny fahoriana lehibe.)

Apok. 22:1, 2: “Ary nampiseho ahy reniranon’ny ranon’aina izy. Mangalahala toy ny vato kristaly izy io ary nikoriana avy teo amin’ny seza fiandrianan’Andriamanitra sy ny Zanak’ondry, teo afovoan’ny lalamben’ilay tanàna. Ary nisy hazon’aina mamoa indroa ambin’ny folo sady namoa isam-bolana, teo amin’ny andaniny roa amin’ilay renirano. Ary ny ravin’ireo hazo dia ho fanasitranana ny firenena.” (Ny vidin’ilay sorona nataon’i Jesosy Kristy, ilay Zanak’ondry, no hampiasain’Andriamanitra hanasitranana ny olombelona, mba ho afaka tanteraka amin’ny vokatry ny ota izy ireo ka hiaina mandrakizay.)

Rom. 8:21: “Ny zavaboary [olombelona] koa dia hafahana amin’ny fanandevozan’ny fahalovana, ka hanana ny fahafahana be voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra.”

Inona no tokony hataontsika mba handraisan-tsoa avy amin’ny soron’i Jesosy?

Jaona 3:36: “Izay maneho finoana ny Zanaka dia manana fiainana mandrakizay. Izay tsy mankatò ny Zanaka kosa tsy hahita fiainana, fa ny fahatezeran’Andriamanitra no mitoetra eo aminy.”

Heb. 5:9: “Rehefa avy natao lavorary izy [Jesosy Kristy], dia nahatonga an’izay rehetra mankatò azy hahazo famonjena mandrakizay.”

Inona no nahatonga an’Andriamanitra hanome ilay vidim-panavotana?

1 Jaona 4:9, 10: “Izao no nanehoana ny fitiavan’Andriamanitra tamintsika: Nirahiny ho amin’izao tontolo izao ny Zanany lahitokana mba hahazoantsika fiainana amin’ny alalany. Ary izany fitiavana izany dia tsy ny nitiavantsika an’Andriamanitra, fa ny nitiavany antsika ka nanirahany ny Zanany ho sorona fampihavanana noho ny fahotantsika.”

Rom. 5:7, 8: “Mahalana vao misy manaiky ho faty ho an’ny olo-marina, fa angamba mety hisy ihany ho sahy ho faty ho an’ny olona tsara fanahy. Andriamanitra kosa anefa naneho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty ho antsika i Kristy.”

Ahoana àry no tokony hampiasantsika ny fiainantsika?

1 Pet. 2:24: “Izy no nitondra ny fahotantsika tao amin’ny vatany, teo amin’ny tsato-kazo, mba ho afaka amin’ny ota isika ka hanao ny marina foana eo amin’ny fiainantsika.” (Tokony hiezaka mafy hanohitra ny faniriana hanota àry isika. Sanatria antsika ny hinia hanota!)

Tit. 2:13, 14: “Kristy Jesosy ... nanolotra ny tenany ho antsika ... mba hanafahany antsika amin’ny karazana fandikan-dalàna rehetra sy mba hanadiovany firenena iray ho azy manokana, dia firenena mazoto amin’ny asa tsara.” (Tokony hazoto hanao ireo asa nampanaovin’i Kristy àry isika.)

2 Kor. 5:14, 15: “Ny fitiavan’i Kristy no manery anay, satria izao no hevitray: Olona iray no maty ho an’ny rehetra, satria efa maty izy rehetra, raha ny marina. Ary maty ho an’ny rehetra izy, mba tsy ho velona ho an’ny tenany intsony izay velona, fa ho an’ilay efa maty ho azy ireo sady efa natsangana.”