Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Zava-mahadomelina

Zava-mahadomelina

Famaritana: Zavatra tsy fihinana nefa fampiasan’ny olona mba hanadinoany ny olana eo amin’ny fiainana, na zavatra tsy nahazoan-dalana tamin’ny dokotera nefa ampiasain’ny olona te hanonofinofy na te ho sambatsambatra.

Tena raran’ny Baiboly ve ny zava-mahadomelina?

Tsy hita ao amin’ny Baiboly ny hoe herôinina, kôkainina, rongony, ravina katy, sigara ary paraky. Hita ao anefa ny toro lalana ny amin’izay tokony hatao sy tsy tokony hatao mba hampifaliana an’Andriamanitra. Tsy lazainy koa, ohatra, hoe ratsy ny mitifitra olona amin’ny basy, kanefa rarany ny mamono olona.

Lioka 10:25-27: “ ‘Inona no hataoko mba handovako fiainana mandrakizay?’ ... ‘ “Tiavo i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo sy ny herinao manontolo ary ny sainao manontolo”, ary “tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.” ’ ” (Manafohy ny androm-piainany sy mahatonga ny sainy tsy hiasa tsara ny olona midoroka zava-mahadomelina. Moa àry ve izy tena tia an’Andriamanitra amin’ny tenany sy ny sainy manontolo? Tia ny namany koa ve izy raha mangalatra mba hahazoana vola hividianana zava-mahadomelina?)

2 Kor. 7:1: “Koa satria nahazo izany fampanantenana izany isika, ry malala, [dia ny hoe ho Andriamanitsika sy Raintsika i Jehovah] dia aoka isika hanadio ny tenantsika ho afaka amin’ny zava-drehetra mandoto ny nofo sy ny saina, ka hanao izay hahatonga lafatra ny fahamasinana ao amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra.” (Hankasitraka antsika ve Andriamanitra raha minia mandoto tena isika?)

Tit. 2:11, 12: “Efa naseho ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’Andriamanitra, dia hatsaram-panahy mitondra famonjena ho an’ny karazan’olona rehetra, sady mampianatra antsika handa izay mifanohitra amin’ny sitrapon’Andriamanitra sy ny fanirian’izao tontolo izao, ary mampianatra antsika koa mba hisaina tsara [‘hahalala onony’, Kat.; “ho velona mahafehy tena”, DIEM] sy hanao izay mahitsy ary hahafoy tena ho an’Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika, eto amin’ity tontolo ankehitriny ity.” (Manao toy izany ve ny olona midoroka zava-mahadomelina, nefa izy io mahatonga azy tsy hisaina tsara sy tsy hahafehy tena?)

Gal. 5:19-21: “Miharihary ny asan’ny nofo, dia ... filalaovana ody, ... lanonana feno filibana, ary ny toy ireo. ... Tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra izay mpanao an’ireo.” (Ny hoe “filalaovana ody” dia avy amin’ny teny grika hoe farmakia, izay midika ara-bakiteny hoe “fampiasana fanafody na zava-mahadomelina.” Hoy ny Diksionera Manazava ny Testamenta Vaovao nosoratan’i W. Vine: “Matetika ny mpilalao ody no mampiasa zava-mahadomelina, na mahery izany na tsia. Miteniteny na mihirahira sy miantso ny herin’ny maizina izy ireo, sady mampiasa zavatra toy ny vakana na tapa-kazo. Mody atao hoe fiarovana amin’ny herin’ny demonia izy ireny, nefa mahatonga ny olona ho eo ambany fahefan’ilay mpilalao ody sy ny herin’ny maizina.” [Londres, 1940, Boky Faha-4, p. 51, 52] Mifandray amin’ny herin’ny maizina na amin’ny olona manao izany koa ny olona maro mampiasa zava-mahadomelina. Mora iasan’ny herin’ny demonia mantsy ny saina tsy misy na inona na inona, na ny saina mahita zavatra tsy tena misy. Ampitahao amin’ny Lioka 11:24-26.)

Tit. 3:1: ‘Ampahatsiahivo izy ireo mba hanaiky sy hankatò ny fanjakana sy ny manam-pahefana mpitondra.’ (Mandika lalàna ny olona manana na midoroka zava-mahadomelina, any amin’ny tany maro.)

Tena ratsy ve ny zava-mahadomelina, nefa misy izy ireny mahatonga ny olona hahatsiaro ho sambatsambatra?

2 Tim. 3:1-5: “Amin’ny andro farany, dia hisy fotoan-tsarotra tsy mora setraina. Fa ny olona ... ho tia fahafinaretana fa tsy ho tia an’Andriamanitra ... Ialao ny olona toy ireny.” (Asehon’ny Baiboly fa ratsy raha tia fahafinaretana loatra isika, satria manjary tsy miraharaha ny toro lalan’Andriamanitra ka tsy hankasitrahany.)

Misy FANAFODY MANALA FANAINTAINANA sady mahatonga hahatsiaro ho sambatsambatra. Manandevo koa anefa izy ireny, ary mahafaty raha be loatra. RANOKA FANDEVONAN-JAVATRA kosa no fohin’ny sasany mba hampientanentana azy. Mety hanjary hiraikitra anefa ny lelany, na tsy hahita tsara izy, na tsy hahabaiko ny tenany. Mety ho simba tanteraka koa ny atidohany sy ny atiny ary ny voany. MAMPAHITA ZAVATRA TSY TENA MISY ny zava-mahadomelina sasany, izay mahasambatsambatra sady toa manala havizanana. Inona anefa no vokany amin’izay mampiasa azy? Lasa tsy hainy raha akaiky na lavitra ny zavatra iray. Tsy afaka misaina tsara koa izy, miova tanteraka ny toetrany, ary mety ho te hamono tena izy na te hamono olona.

Ahoana ny amin’ny rongony, izay lazain’ny dokotera sasany fa tsy mampaninona?

Tokony heken’ny lalàna, hono, ny fifohana rongony, hoy ny Dr. David Powelson, izay efa lehiben’ny hopitaly fitsaboana aretin-tsaina tao amin’ny Oniversiten’i Kalifornia. Hoy anefa izy tatỳ aoriana: “Hitako porofo izao fa ny rongony no zava-mahadomelina mampidi-doza indrindra, satria: 1. Mamitaka ilay izy amin’ny voalohany: Toa mahatsiaro ho sambatsambatra ilay olona, nefa tsy tsapany akory fa mihasimba ny sainy sy ny vatany. 2. Manjary mino zavatra tsy tena misy izy, rehefa mandeha ny fotoana. Lasa voan’ny aretin-tsaina izy, rehefa afaka herintaona na telo taona.”—Tatitra Momba ny Fahasalamana (anglisy), Oktobra 1977, p. 8.

Nisy mpitsabo hafa koa nilaza fa tsy dia mampidi-doza ny rongony. Tsy iza izany fa ny Dr. Robert DuPont, izay efa talen’ny Foibe Amerikanina Miady Amin’ny Fidorohana Zava-mahadomelina. Hoy anefa izy tatỳ aoriana tao amin’ny gazety iray any Montréal: ‘Roa fara fahakeliny ny loza aterak’izy io eo amin’ny tanora. Voalohany, mamo ilay tanora ka mampidi-doza ny fitondrany fiara, na tsy miraharaha na inona na inona izy. Faharoa, simba ny fahasalamany satria mety harary tratra matetika izy, hikorontana ny hormonina, hihena ny hery fanefitra ary mety ho voan’ny kansera izy.’—22 Martsa 1979, p. 9.

Hoy koa ny boky iray momba ny siansa: “Rehefa jerena ny atidohan’ny mpifoka rongony, dia hita fa mitombo ny elanelan’ny tendron’ireo sela tena ilaina amin’ny fitadidiana sy ny fihetseham-po ary ny toetra. Mila mifandray anefa ireo selan’ny atidoha mba ho afaka hiasa tsara.” Noresahin’io boky io koa ny vokatry ny rongony tamin’ny biby nanaovana fandinihana: “Ireto ny faritra voa indrindra tao amin’ny atidohan’ireo biby: Ilay mibaiko ny fihetseham-po, ilay misy ny fitadidiana, ary ilay mibaiko ny toetra sasany.”

Ratsy noho ny toaka ve ny rongony?

Sakafo ny toaka, ka avadiky ny vatana ho hery ary ariany izay tsy levony. Hoy anefa ny dokotera iray manam-pahaizana momba ny fanafody fitsaboana aretin-tsaina: “Zava-mahadomelina tena mahery ny rongony, ary diso hevitra isika raha mampitovy azy io amin’ny toaka.” ‘Tena mahamamo [ny rongony] satria avo 10 000 heny noho ny an’ny toaka ny heriny. Miandalana no ialany ao amin’ny vatana, ary am-bolana maro vao afaka ny heriny.’ (Tatitra Momba ny Fahasalamana, Oktobra 1977, p. 3) Fantatry ny Mpamorona ny fomba nanaovany antsika, ary avelany hisotro toaka amin’ny antonony isika. (Sal. 104:15; 1 Tim. 5:23) Rarany kosa anefa ny fisotroana tafahoatra, toy ny hatendan-kanina ihany.—Ohab. 23:20, 21; 1 Kor. 6:9, 10.

Nahoana ny fifohana sigara no fahotana lehibe amin’ny Vavolombelon’i Jehovah?

Tsy fanajana ny aina izany

Asa. 17:24, 25: “Ilay Andriamanitra nanao izao tontolo izao sy ny zava-drehetra ao aminy ... no manome ho an’ny olon-drehetra ny aina sy ny fofonaina ary ny zava-drehetra.”

‘Be dia be ny porofo hitan’ny mpitsabo fa manafohy ny androm-piainana ny sigara.’—Siansa 80 (anglisy), Septambra/Oktobra, p. 42.

Nilaza ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana fa “olona efatra tapitrisa no maty isan-taona, izany hoe iray isaky ny valo segondra, noho ny aretina vokatry ny fifohana sigara.” Hoy koa ilay tatitra: “Maherin’ny 60 tapitrisa no matin’ny sigara nanomboka tamin’ny 1950 ka hatramin’ny 2000, tany amin’ireo tany mandroso. Mihoatra noho ny isan’ny maty tamin’ny Ady Lehibe II izany.”—Taratasy No. 221 (anglisy), Aprily 1999.

Hoy i Joseph Califano, izay efa minisitry ny fahasalamana sy ny fanabeazana ary ny sosialy tany Etazonia: “Tsy isalasalana mihitsy ankehitriny fa famonoan-tena tsikelikely ny fifohana sigara.”—Tontolon’ny Siansa (anglisy), 20 Martsa 1980, p. 13.

Tsy mifanaraka amin’izay takin’Andriamanitra amin’ny Kristianina izany

Rom. 12:1: “Koa miangavy anareo aho, ry rahalahy, noho ny fangoraham-pon’Andriamanitra, mba hatolotrareo ny tenanareo ho sorona velona sy masina ary ankasitrahan’Andriamanitra. Izany dia fanompoana masina ampiasanareo ny sainareo.”

Hoy i Everett Koop, minisitry ny fahasalamana tany Etazonia: “Hita mazava fa maro ny antony mahafaty ny olona, fa ny fifohana sigara no azo sorohina indrindra.” (Ny Gazetin’i New York, 23 Febroary 1982, p. A1) “Asehon’ny fandinihana fa ... mihena telo na efa-taona ny androm-piainan’ny mpifoka, raha oharina amin’ny tsy mifoka. Mety hihena valo taona mihitsy aza ny an’ireo mpifoka be mahalany roa pake mahery isan’andro.” (Ny Rakipahalalan’izao Tontolo Izao, 1984, Boky Faha-17, p. 430) Mety ve raha manimba tsikelikely ny fiainany toy izany ny olona efa nanokan-tena hanompo an’Andriamanitra?

“Tena manimba fahasalamana ny sigara, indrindra fa ho an’ny fo sy ny havokavoka. Koa na mitandro fahasalamana toy inona aza ny olona iray, dia ho very maina fotsiny izany raha mifoka izy.” (Sampan-draharahan’ny Filazam-baovaon’ny Oniversiten’i Kalifornia Atsimo, 18 Febroary 1982) “Maro ny antony mankarary ny olona, fa ny fifohana sigara no azo sorohina indrindra.” (Dr. H. Mahler, talen’ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana, Fahasalamana Eran-tany, anglisy, Febroary/Martsa 1980, p. 3) Mety ve raha minia manimba ny fahasalamany ny olona efa nanokan-tena hanao fanompoana masina ho an’Andriamanitra?

Fandikana ilay didin’Andriamanitra hoe tiavo ny namanao izany

Jak. 2:8: “Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.”—Ampitahao amin’ny Matio 7:12.

“Nasehon’ny fandinihana vao haingana ... fa mihena efa-taona ny androm-piainan’ireo vehivavy tsy mpifoka manambady mpifoka, raha oharina amin’ireo vadin’ny lehilahy tsy mpifoka.” (Ny Gazetin’i New York, 22 Novambra 1978, p. C5) “Raha mifoka sigara ny vehivavy bevohoka, dia mety ho sampona ilay zanany ao am-bohoka, ka mety ho faty ao am-bohoka ihany na ho faty raha vao teraka.” (Fahasalaman’ny Fianakaviana, anglisy, Mey 1979, p. 8) Tsy azo lazaina fa Kristianina ny olona tsy miahy ny vady aman-janany toy izany.—Ampitahao amin’ny 1 Timoty 5:8.

‘Asehon’ny fandinihana fa mirehitra ela be ny sigaran’ny mpifoka nefa tsindraindray ihany izy vao mifoka an’ilay izy, ka izay olona eo akaikiny no mety hifoka tsy fidiny setroka maloto sy poizina.’ (Fahasalamana Ankehitriny, anglisy, Aprily 1972, p. 39) Tsy tia namana ny olona toy izany ka tsy tia an’Andriamanitra koa, raha ny marina.—Jereo ny 1 Jaona 4:20.

Nahoana àry Andriamanitra no namorona zavamaniry azo anaovana zava-mahadomelina?

Betsaka ny zavatra mahasoa, nefa ampiasain’ny olona amin’ny fomba ratsy. Toy izany, ohatra, ny taovam-pananahana. Toy izany koa ny divay. Ny laingon’ny rongony sy ny voniny ary ny raviny nohamainina no anaovana zava-mahadomelina. Azo anaovana kofehy fanamboarana tady sy lamba anefa ny rongony. Ny ravim-paraky kosa azo anamboarana fanafody famonoana otrikaretina sy bibikely. Betsaka ny zavatra eto an-tany mbola tsy fantatsika ny fomba tsara hampiasana azy. Na ny ahidratsy aza mahasoa, satria miaro ny tany tsy hokaohin’ny riaka sady manatsara ny tany tsy volena.

Inona no tokony hataonao, raha tsy mety afaka mihitsy amin’ny sigara na zava-mahadomelina hafa ianao?

Voalohany, mila mianatra Baiboly sy misaintsaina izay ianaranao ianao, mba hanananao faniriana mafy hampifaly an’Andriamanitra sy hiaina ao amin’ny tontolo vaovao. Hanatona sy hanampy anao Andriamanitra, raha manatona azy ianao.—Jak. 4:8.

Faharoa, mila miaiky ianao fa tena ratsy ny zava-mahadomelina, ka tokony ho halanao. (Sal. 97:10) Ilainao àry ny mijery indray ny fanazavana ato, ka misaintsaina an’izay mampifaly an’Andriamanitra sy ny voka-dratsin’ny zava-mahadomelina, fa tsy izay fahafinaretana mihelina entin’izy ireny.

Raha maniry mafy hifoka sigara na hidoroka zava-mahadomelina ianao, dia mivavaha mafy amin’Andriamanitra mba hanampy anao. (Lioka 11:9, 13; ampitahao amin’ny Filipianina 4:13.) Ataovy avy hatrany izany. Raiso koa ny Baibolinao ka vakio amin’ny feo avo. Na resaho amin’ny Kristianina matotra ny olana mahazo anao ka mangataha fanampiana aminy.