Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

()

()

Famaritana: Sakafo ahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy Kristy. Misy vokany be lavitra noho ny an’olon-kafa rehetra ny nahafatesany. Io ihany no nasain’i Jesosy Kristy hotsarovan’ny mpianany. Antsoina koa hoe Fanasan’ny Tompo izy io, na Sakafo Harivan’ny Tompo.—1 Kor. 11:20.

Inona no hevitry ny Fahatsiarovana?

Hoy i Jesosy tamin’ireo apostoliny tsy nivadika: “Ataovy hatrany izao ho fahatsiarovana ahy.” (Lioka 22:19) Hoy koa ny apostoly Paoly tamin’ireo Kristianina nateraky ny fanahy: “Isaky ny mihinana izany mofo izany sy misotro amin’izany kaopy izany ianareo, dia manambara foana ny fahafatesan’ny Tompo, mandra-piaviny.” (1 Kor. 11:26) Asongadina mandritra ny Fahatsiarovana àry ny maha zava-dehibe ny nahafatesan’i Jesosy Kristy mba hahatanterahan’ny fikasan’i Jehovah. Asongadina koa ny ifandraisan’ny soron’i Jesosy amin’ilay fifanekena vaovao sy amin’ireo hiara-manjaka aminy any an-danitra.—Jaona 14:2, 3; Heb. 9:15.

Tsiahivina mandritra ny Fahatsiarovana koa fa nanamasina ny anaran’i Jehovah ny nahafatesan’i Jesosy sy ny fomba nitrangan’izany, araka ny fikasan’Andriamanitra voalaza ao amin’ny Genesisy 3:15 sy ny andininy hafa. Tsy nivadika mandra-pahafatiny i Jesosy, ka voaporofo fa tsy hoe nisy tsininy akory ny fomba namoronan’i Jehovah an’i Adama, matoa izy nanota. Azon’ny olombelona atao tsara ny tsy mivadika mihitsy amin’Andriamanitra, na dia iharan’ny fitsapana mafy aza. Noporofoin’i Jesosy àry fa i Jehovah tokoa no Mpamorona sy Mpanjakan’izao Rehetra Izao. Fikasan’i Jehovah koa ny hahafatesan’i Jesosy, mba ho vidim-panavotana ho an’ny taranak’i Adama. Olona an’arivony tapitrisa mino azy io àry no ho afaka hiaina mandrakizay eto amin’ny tany paradisa. Ho tanteraka amin’izay ny fikasan’i Jehovah tany am-boalohany, ary hiharihary fa tena tiany ny olombelona.—Jaona 3:16; Gen. 1:28.

Mafy tamin’i Jesosy ny alina farany niainany teto an-tany! Fantany hoe inona no fikasan’ilay Rainy any an-danitra momba azy, nefa fantany koa fa tsy tokony hivadika izy. Ho afa-baraka mantsy ny Rainy raha sanatria nivadika izy, ary tsy ho voavotra ny olombelona! Tena rariny àry raha nandidy ny hahatsiarovana ny nahafatesany i Jesosy.

Mifanitsy amin’inona ny mofo sy ny divain’ny Fahatsiarovana?

Nomen’i Jesosy mofo tsy misy lalivay ny apostoliny, ny alina nanaovany ny Fahatsiarovana voalohany. Hoy izy: “Raiso, ity no vatako.” (Mar. 14:22) Mifanitsy amin’ny vatany tsy misy ota ilay mofo. Nafoiny izy io mba hahafahan’ny olona hanantena hiaina mandrakizay. Asongadina mandritra ny Fahatsiarovana fa afaka manantena ny hiara-manjaka amin’i Jesosy any an-danitra ireo olona nofidin’Andriamanitra.

Hoy koa i Jesosy rehefa nampandalo ny divay tamin’ireo apostoliny tsy nivadika: “Ity no rako, dia ‘ny ran’ny fifanekena’ izay halatsaka ho an’ny maro.” (Mar. 14:24) Mifanitsy amin’ny rany ilay divay. Noho ny ran’i Jesosy, dia afaka ny ho voavela heloka ireo mino azy io, ary afaka ny ho voadio amin’ny ota ireo hiara-manjaka aminy. Nilaza izy fa ny rany no hampanan-kery an’ilay fifanekena vaovao nifanaovan’i Jehovah tamin’ny Kristianina voahosotra.

Jereo ny pejy 321-324, eo ambanin’ny loha hevitra hoe “Lamesa.”

Iza no tokony hihinana ny mofo sy hisotro ny divay?

Iza no nanao izany tamin’ilay Sakafo Harivan’ny Tompo voalohany? Ireo mpianatra 11 tsy nivadika, izay nilazan’i Jesosy hoe: “Manao fifanekena aminareo aho, toy ny nanaovan’ny Raiko fifanekena tamiko, ho amin’ny fanjakana.” (Lioka 22:29) Nasaina hiara-manjaka amin’i Kristy any an-danitra daholo izy ireo. (Jaona 14:2, 3) Tokony ho anisan’ireo nanaovan’i Kristy ‘fifanekena ho amin’ny fanjakana’ koa àry, izay rehetra mihinana ny mofo sy misotro ny divay.

Firy izy ireo? Nilaza i Jesosy fa “ondry vitsy” ihany no hahazo ilay Fanjakana any an-danitra. (Lioka 12:32) Miisa 144 000 izy rehetra. (Apok. 14:1-3) Nanomboka nangonina izy ireo tamin’ny taona 33. Azo inoana àry fa efa vitsy sisa izao ireo mihinana ny mofo sy misotro ny divay.

Milaza ve ny Jaona 6:53, 54 fa ireo mihinana ny mofo sy misotro ny divay ihany no hiaina mandrakizay?

Jaona 6:53, 54: “Hoy i Jesosy: ‘Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa raha tsy mihinana ny nofon’ny Zanak’olona sy misotro ny rany ianareo, dia tsy manana fiainana ao anatinareo. Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako dia manana fiainana mandrakizay, ary izaho hanangana azy amin’ny maty amin’ny andro farany.’ ”

Tsy maintsy misy heviny an’ohatra eto ilay hoe mihinana sy misotro. Raha tsy izany mantsy, dia hifanohitra amin’ny lalàn’Andriamanitra izany. (Gen. 9:4; Asa. 15:28, 29) Tsy misy ifandraisany amin’ilay Sakafo Harivan’ny Tompo nosantarin’i Jesosy ny teniny ao amin’ny Jaona 6:53, 54. Tsy nisy tamin’ireo nihaino azy nieritreritra fankalazana ampiasana mofo sy divay, izay mifanitsy amin’ny vatan’i Kristy sy ny rany. Herintaona teo ho eo tatỳ aoriana mantsy vao natomboka io fankalazana io. Tsy miresaka momba ny Sakafo Harivan’ny Tompo koa ny Filazantsaran’i Jaona, raha tsy efa any amin’ny toko faha-14.

Inona àry no dikan’ilay hoe “mihinana ny nofon’ny Zanak’olona sy misotro ny rany”? Mariho fa nilaza i Jesosy hoe hanana “fiainana mandrakizay” izay manao izany. Rehefa nohazavainy izay tsy maintsy atao mba hahazoana fiainana mandrakizay, dia izao no nolazainy fa sitrapon’ny Rainy, araka ny andininy faha-40: “Tokony hahazo fiainana mandrakizay izay rehetra mijery ny Zanaka ka mino azy.” Toy ny hoe “mihinana ny nofon’ny Zanak’olona sy misotro ny rany” àry ny olona iray, rehefa mino fa afaka manavotra azy ny nofo sy ny ran’i Jesosy natao sorona. Tsy maintsy mino an’izany izay rehetra hahazo fiainana lavorary, na any an-danitra na eto amin’ny tany paradisa.

Impiry no tokony hankalazana ny Fahatsiarovana, ary rahoviana?

Tsy nilaza mivantana i Jesosy hoe impiry. Niteny fotsiny izy hoe: “Ataovy hatrany izao ho fahatsiarovana ahy.” (Lioka 22:19) Hoy i Paoly: “Isaky ny mihinana izany mofo izany sy misotro amin’izany kaopy izany ianareo, dia manambara foana ny fahafatesan’ny Tompo, mandra-piaviny.” (1 Kor. 11:26) Tsy voatery midika hoe imbetsaka isan-taona ny hoe “isaky ny”, fa mety ho indray mandeha isan-taona mandritra ny taona maro. Impiry, ohatra, no ankalazaina ny fisehoan-javatra lehibe iray, toy ny fitsingerenan’ny mariazy na ny fetim-pirenena? Indray mandeha isan-taona, rehefa mitsingerina ilay daty. Tokony ho toy izany koa ny Sakafo Harivan’ny Tompo. Nitovy ihany ny andro nanaovana azy io sy ny Paska jiosy, izay fety fanao isan-taona. Tsy nasaina nitandrina ny Paska intsony ireo Jiosy lasa Kristianina.

Isaky ny inona ny Vavolombelon’i Jehovah no mankalaza ny Fahatsiarovana? Ny 14 Nisana aorian’ny filentehan’ny masoandro, araka ny kalandrie jiosy tamin’ny taonjato voalohany. Amin’ny Jiosy, dia manomboka amin’ny filentehan’ny masoandro ny andro iray ary mifarana amin’ny filentehan’ny masoandro ny ampitson’iny. Tamin’ilay andro nisantaran’i Jesosy ny Fahatsiarovana ihany àry no nahafatesany. Miantomboka ny volana Nisana rehefa manomboka tazana any Jerosalema ny tsinam-bolana, aorian’ny herinandro voalohandohany amin’ny Martsa. Koa 14 andro aorian’izay ny Fahatsiarovana. (Mety tsy hitovy amin’ny andron’ny Paska ao amin’ny kalandrie jiosy ankehitriny ny datin’ny Fahatsiarovana. Nahoana? Satria miantomboka ny azy ny volana rehefa manomboka tazan’ny astronoma ny tsinam-bolana. Mety tsy ho tazana any Jerosalema anefa izy io, raha tsy 18-30 ora aorian’izay. Ny 15 Nisana koa ny ankamaroan’ny Jiosy no mankalaza ny Paska, fa tsy ny 14 Nisana toy ny nataon’i Jesosy, araka ny Lalàn’i Mosesy.)