Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Famaritana: Ilay anjely fahavalon’i Jehovah lehibe indrindra sady fahavalon’ireo mpivavaka aminy. Antsoina hoe Satana izy satria lasa mpanohitra an’i Jehovah. Antsoina hoe Devoly koa izy satria izy no tena mpanendrikendrika an’Andriamanitra. Lazaina hoe menarana tany am-boalohany izy, satria nampiasa menarana rehefa namitaka an’i Eva. Izany no mahatonga ny hoe “menarana” hidika hoe “mpamitaka.” Antsoina koa hoe dragona i Satana, ao amin’ny Apokalypsy.

Ahoana no ahafantarantsika fa tena misy i Satana?

Ny Baiboly no manome porofo lehibe indrindra. Resahina imbetsaka ao ny anarany (in-52 ny hoe Satana, ary in-33 ny hoe Devoly). Voalaza ao koa fa efa nisy nahita azy. Iza izany? I Jesosy Kristy, izay efa tany an-danitra talohan’ny nahatongavany teto an-tany. Imbetsaka izy no niresaka ny amin’i Satana.—Lioka 22:31; 10:18; Mat. 25:41.

Mitombina ny voalazan’ny Baiboly momba an’i Satana Devoly, satria raha ny olombelona irery dia tsy ho nahavita ny faharatsiana rehetra nisy hatramin’izay. Hazavain’ny Baiboly hoe ahoana no niandohan’i Satana, ary inona avy no ataony. Mazava àry hoe nahoana no misy foana ny fankahalana sy ny herisetra ary ny ady, na dia maniry fiadanana aza ny ankamaroan’ny olona, ary nahoana no mitady hifandripaka ny olombelona.

Raha tsy misy ny Devoly, dia tsy hahasoa an’iza na iza ny voalazan’ny Baiboly momba azy. Nisy olona efa nanao ny asan’ny maizina anefa taloha nitantara fa nijaly mafy izy ireo tamin’izay, satria nandre “feo” tsy fanta-piaviana, na “nipetrahan’ny” fanahy mahery, sns. Tsy nijaly intsony kosa izy ireo rehefa nahafantatra izay lazain’ny Baiboly momba an’i Satana sy ny demoniany, ka tsy nanao ny asan’ny maizina intsony, ary nangataka ny fanampian’i Jehovah.—Jereo ny loha hevitra hoe “Fifandraisana Amin’ny Herin’ny Maizina”, pejy 207-212.

Ny hoe mino ny fisian’i Satana akory tsy midika hoe mino fa manan-tandroka sy rambo izy, ary mitana farango vy sy mandoro olona ao amin’ny afobe. Tsy milaza izany mantsy ny Baiboly. Mpanakanto fahiny no nihevitra toy izany, rehefa avy nahita ny sarin’i Pan, andriamanitra grika resahin’ny angano, sy namaky ilay tononkalo italianina hoe Afobe nosoratan’i Dante Alighieri, poety italianina. Tsy milaza mihitsy anefa ny Baiboly hoe misy ny afobe. Hoy kosa izy io: ‘Ny maty tsy mahalala na inona na inona.’—Mpito. 9:5.

Ny ratsy ao amin’ny olona fotsiny ve i Satana?

Tantarain’ny Joba 1:6-12 sy 2:1-7 ny resaka nifanaovan’i Jehovah Andriamanitra sy Satana. Raha ny ratsy ao amin’ny olona àry i Satana, dia ho nisy ratsy koa tao amin’i Jehovah. Milaza anefa ny Baiboly fa “tsy misy tsy fahamarinana” ao amin’i Jehovah. (Sal. 92:15; Apok. 4:8) Tsara homarihina koa fa misy mpanoritra (has) eo alohan’ny anaran’i Satana amin’ny teny hebreo (has·Satan, midika hoe i Satana), ao amin’ny bokin’i Joba. Ilay mpanohitra an’Andriamanitra àry no resahina eo, fa tsy ny ratsy ao amin’ny olona fotsiny.

Tantarain’ny Lioka 4:1-13 ny nakan’ny Devoly fanahy an’i Jesosy, sy ny navalin’i Jesosy azy. Ny ratsy tao amin’i Jesosy ihany ve no naka fanahy azy? Resahin’ny Baiboly anefa fa tsy nisy ota tao aminy. (Heb. 7:26; 1 Pet. 2:22) Marina fa ilazana ny toetra ratsin’i Jodasy Iskariota ny teny grika hoe diabôlôs ao amin’ny Jaona 6:70. Ao amin’ny Lioka 4:3 kosa anefa dia misy mpanoritra () io teny grika io (hô diabôlôs, midika hoe ny Devoly). Tsy ny ratsy ao amin’ny olona fotsiny àry izy eo.

Fialana andraikitra fotsiny ve ny filazana hoe ny Devoly no fototry ny faharatsiana?

Ny Devoly no omen’ny olona sasany tsiny noho izay ataon’izy ireo. Asehon’ny Baiboly anefa fa ny ataon’ny olon-kafa na ny ataon’ny tenany ihany matetika no mahatonga azy ireo hahita loza. (Mpito. 8:9; Gal. 6:7) Resahin’ny Baiboly koa ny fisian’ilay fahavalo mahery mampijaly ny olombelona, sy ny teti-dratsiny, ary ny tokony hataontsika mba tsy hofeheziny intsony.

Ahoana no nampisy an’i Satana?

Tonga lafatra daholo izay ataon’i Jehovah. Tsy avy aminy ny faharatsiana, ary tsy namorona zavaboary ratsy fanahy izy. (Deot. 32:4; Sal. 5:4) Zanak’Andriamanitra lavorary, tamin’ny voalohany, ilay anjely lasa Satana. Nilaza i Jesosy fa “tsy nifikitra tamin’ny marina” ny Devoly. Midika izany fa efa tao amin’ny “marina” izy taloha. (Jaona 8:44) Nanan-tsafidy izy, toy ny zavaboary rehetra manan-tsaina. Nanao safidy ratsy anefa izy, ary nihevi-tena ho zavatra loatra ka naniry ny hivavahana toa an’Andriamanitra. Koa notaominy i Adama sy Eva hanaiky azy, fa tsy hankatò an’Andriamanitra. Izy ihany àry no nahatonga ny tenany ho Satana, izay midika hoe “fahavalo.”—Jak. 1:14, 15; jereo koa ny pejy 139, eo ambanin’ny loha hevitra hoe “Fahotana.”

Nahoana no tsy naringan’Andriamanitra avy hatrany i Satana rehefa nikomy?

Nampipoitra ireto adihevitra ireto i Satana: 1) Tsy manan-jo hitondra i Jehovah, ary tsy ara-drariny ny fitondrany. Moa ve i Jehovah tsy namela ny olombelona hanao izay tiany sy izay hahasambatra azy? Tena nila nankatò an’Andriamanitra ve izy ireo vao hahomby sy ho afaka hiaina mandrakizay? Tsy nilaza ny marina ve i Jehovah rehefa niteny hoe ho faty izy ireo raha tsy mankatò? (Gen. 2:16, 17; 3:3-5) Manan-jo hitondra tokoa àry ve i Jehovah? 2) Hivadika amin’i Jehovah ny zavaboary manan-tsaina rehetra. Nipoitra ireto fanontaniana ireto rehefa nivadika i Adama sy Eva: Tena tia an’i Jehovah ve ny mpanompony matoa mankatò azy? Sa mety hiala aminy sy hanaraka an’i Satana izy rehetra? Mbola nitarin’i Satana izany hevitra izany, tamin’ny andron’i Joba. (Gen. 3:6; Joba 1:8-11; 2:3-5; jereo koa ny Lioka 22:31.) Tsy ny famonoana ireo mpikomy àry no vahaolana.

Efa fantatr’Andriamanitra ny valin’ireo fanontaniana niadian-kevitra ireo. Tsy tiany hiverina intsony anefa ireo adihevitra ireo satria hanakorontana indray an’izao rehetra izao. Namela fotoana ampy àry izy mba handaminana tanteraka an’ireo. Maty tokoa i Adama sy Eva rehefa tsy nankatò. (Gen. 5:5) Navelan’Andriamanitra hanorina fanjakana isan-karazany koa i Satana sy ny olombelona. Tsy nisy nitondra fahasambarana maharitra anefa izy ireny. Navelan’Andriamanitra hanandrana izay fomba fiaina tiany koa ny olona tsy miraharaha ny fitsipiny marina. Hita miharihary izao ny vokany. Marina tokoa ny voalazan’ny Baiboly hoe: “Tsy natao hitondra samirery ny fiainany ... ny olona.” (Jer. 10:23) Nomen’Andriamanitra fotoana koa ny mpanompony hanaporofoana fa tsy mivadika aminy, na eo aza ny fakam-panahy sy fanenjehana avy amin’i Satana. Hoy mantsy i Jehovah amin’izy ireo: “Hendre, anaka, ary ampifalio ny foko, mba hamaliako an’ilay manaratsy ahy.” (Ohab. 27:11) Mandray soa be dia be dieny izao ireo tsy mivadika aminy, ary manantena ny hiaina mandrakizay. Hanao ny sitrapon’i Jehovah foana izy ireo amin’izay, satria tena tian’izy ireo ny toetrany sy ny zavatra ataony.

Tena manan-kery eo amin’ny tontolo ankehitriny ve i Satana?

Nilaza i Jesosy Kristy fa i Satana no “mpitondra an’izao tontolo izao.” Mankatò azy ny ankamaroan’ny olona, izay ampirisihiny tsy hiraharaha ny didin’Andriamanitra. (Jaona 14:30; Efes. 2:2) Milaza koa ny Baiboly fa izy no “andriamanitr’ity tontolo ity.” Manome voninahitra azy ny olona rehefa manaraka fombafomban’ny fivavahan-diso.—2 Kor. 4:4; 1 Kor. 10:20.

Tamin’ny Devoly naka fanahy an’i Jesosy Kristy, dia nentiny “niakatra teny an-tendrombohitra izy, ka nasehony azy indray mipy maso ny fanjakana rehetra manerana ny tany onenana. Ary hoy ny Devoly: ‘Homeko anao izao fahefana rehetra izao sy ny voninahiny, fa efa natolotra ahy izany ka izay tiako homena azy no omeko azy. Koa raha miankohoka indray mandeha eto anatrehako ianao, dia ho anao manontolo izany.’ ” (Lioka 4:5-7) Resahin’ny Apokalypsy 13:1, 2 fa i Satana no manome “hery sy seza fiandrianana ary fahefana lehibe” ho an’ny fitondrana politika eran-tany. Asehon’ny Daniela 10:13, 20 fa manana andriana mifehy an’ireo fanjakana lehibe eto an-tany i Satana. Tsy inona ireny andriana ireny fa demonia. Milaza ny Efesianina 6:12 fa “fanjakana sy fahefana sy mpanjakan’izao tontolo anaty haizina izao” izy ireny, ary “fanahy ratsy any amin’ny faritry ny lanitra.”

Tsy mahagaga àry raha milaza ny 1 Jaona 5:19 hoe: “Izao tontolo izao manontolo kosa eo ambany fahefan’ilay ratsy.” Tsy handefitra mandrakizay amin’ny fitondran’i Satana anefa i Jehovah, ilay Andriamanitra Mahery Indrindra.

Mandra-pahoviana i Satana no avela hamitaka ny olombelona?

Jereo ny loha hevitra hoe “Andro Farany”, sy ny pejy 101-104, eo ambanin’ny loha hevitra hoe “Daty”, mba hahitana ny porofo fa miaina amin’ny andro faran’ny tontolon’i Satana isika.

Toy izao ny fomba hanafahana ny olombelona amin’ny herin’i Satana: “Hitako fa nisy anjely nidina avy any an-danitra, ary teny an-tanany ny lakilen’ny lavaka mangitsokitsoka sy rojo vy lehibe. Ary nosamboriny ilay dragona, ilay menarana tany am-boalohany, dia ny Devoly sy Satana, ka nofatorany arivo taona, dia natsipiny mafy tao amin’ny lavaka mangitsokitsoka. Ary nohidian’ilay anjely sy nasiany tombo-kase ilay lavaka, mba tsy hahafahan’ilay dragona hamitaka ny firenena intsony mandra-pahatapitry ny arivo taona. Aorian’izany, dia hovahana vetivety izy.” (Apok. 20:1-3) Ary avy eo? “Ny Devoly izay namitaka azy dia natsipy mafy tao amin’ny farihy afo sy solifara.” (Apok. 20:10) Inona no dikan’izany? Hoy ny Apokalypsy 21:8: “Tsy inona izany fa ny fahafatesana faharoa.” Ho ringana mandrakizay àry i Satana!

Ho foana tsy hisy mponina mandritra ny 1 000 taona ve ity tany ity, ka ho eto ihany ilay “lavaka mangitsokitsoka” hanipazana an’i Satana?

Misy milaza fa ho foana tsy hisy mponina ity tany ity, ka ho eto ihany ilay “lavaka mangitsokitsoka” na “lavaka tsy hita noanoa” (Prot.) resahin’ny Apokalypsy 20:3 (voalaza etsy ambony). Marina ve izany? Milaza ny Apokalypsy 12:7-9, 12 (Prot.) fa efa “nazera” tetỳ an-tany i Satana ka mitondra loza ho an’ny olombelona, alohan’ny hanipazana azy ao amin’ny lavaka mangitsokitsoka. Midika izany fa efa etỳ amin’ny manodidina ny tany izy. Raha milaza àry ny Apokalypsy 20:3 (Prot.) fa ‘hatsipy ho amin’ny lavaka tsy hita noanoa’ izy, dia azo antoka fa tsy hatsipy etỳ amin’izay efa misy azy izy. Hesorina lavitra kosa izy, “mba tsy hamitahany ny firenena maro intsony mandra-pahatapitry ny arivo taona.” Resahin’ny Apokalypsy 20:3 koa hoe i Satana, fa tsy ireo firenena, no hovahana avy ao amin’ilay lavaka, rehefa tapitra ny arivo taona. Efa eto an-tany ireo firenena ireo, rehefa hovahana i Satana.

Ny Isaia 24:1-6 sy ny Jeremia 4:23-29 (Prot.) koa, hono, no manaporofo fa ho foana tsy hisy mponina ity tany ity. Izao no voalaza ao: “Indro, Jehovah mahafoana ny tany ka mahalao azy ... Hatao foana dia foana ny tany, ary hobaboina dia hobaboina tokoa izy, fa Jehovah no efa niteny.” “Nojereko ny tany, ka, indro, tsy nisy endrika izy sady foana ... Nojereko, ka, indro, tsy nisy olona ... Fa izao no lazain’i Jehovah: Ho lao ny tany rehetra ... Lao avokoa ny tanàna rehetra, ka tsy misy mponina intsony ao.” Efa tanteraka tamin’i Jerosalema sy ny tanin’i Joda anefa izany faminaniana izany. Navelan’i Jehovah handresy azy ireo mantsy ny Babylonianina, ho fampiharana ny didim-pitsarany. Nanjary lao tsy nisy mponina àry ilay tany. (Jereo ny Jeremia 36:29.) Tsy ny tany manontolo anefa no nataon’Andriamanitra lao tamin’izay, ary tsy hanao izany koa izy ankehitriny. (Jereo ny loha hevitra hoe “Lanitra”, sy ny pejy 384-386, eo ambanin’ny loha hevitra hoe “Tany.”) Hataony lao kosa i Jerosalema an’ohatra ankehitriny, dia ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina, izay manala baraka azy noho ny fitondran-tena ratsiny. Horavany koa ny sisa amin’ny tontolon’i Satana.

Tsy ho lao ny tany manontolo fa ho lasa paradisa kosa mandritra ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy, raha mbola ao anaty lavaka mangitsokitsoka i Satana. (Jereo ny hoe “Paradisa.”)