Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

sy

sy

Famaritana: I Adama no olombelona voalohany. Azo adika koa hoe “lehilahy” sy “olombelona” ilay teny hebreo hoe ’adam. Vadin’i Adama i Eva, ilay vehivavy voalohany.

Angano fotsiny ve ny tantaran’i Adama sy Eva?

Sarotra inoana ve ny hoe iray ihany ny razamben’ny olona rehetra?

“Voaporofon’ny siansa izao fa marina izay nolazain’ny ankamaroan’ny fivavahana hatry ny ela hoe: Avy amin’ilay lehilahy voalohany ... ny olombelona rehetra.”—Toetra Nolovan’ny Olombelona (anglisy, Philadelphie sy New York, 1972), Amram Scheinfeld, p. 238.

“Asehon’ny siansa izao fa marina ny tantaran’ny Baiboly momba an’i Adama sy Eva, razamben’ny olona rehetra: Fianakaviambe iray ihany ny firenena rehetra eto an-tany, ary olona iray ihany no nipoirany.”—Ireo Firazanan’olombelona (anglisy, New York, 1978), Ruth Benedict sy Gene Weltfish, p. 3.

Asa. 17:26: “Avy tamin’ny olona anankiray no [nanaovan’Andriamanitra] ny olona any amin’ny firenena rehetra mba honina manerana ny tany manontolo.”

Teny an’ohatra ilazana ny olona rehetra tany am-boalohany ve ny hoe ‘Adama’?

Joda 14: “Naminany ... i Enoka, ilay taranaka fahafito avy tamin’i Adama.” (Tsy fahafito avy amin’ny olona rehetra tany am-boalohany i Enoka.)

Lioka 3:23-38: “Telopolo taona teo ho eo i Jesosy rehefa nanomboka ny asany. Izy ilay ... zanak’i Davida, ... zanak’i Abrahama, ... zanak’i Adama.” (Olona tena nisy sady nalaza i Davida sy Abrahama. Tsy tokony ho tena nisy koa àry ve i Adama?)

Gen. 5:3: “Rehefa telopolo amby zato taona i Adama, dia niteraka zazalahy nisy itovizana taminy, araka ny endriny. Ary nataony hoe Seta ny anarany.” (Azo antoka fa tsy ny lehilahy rehetra tany am-boalohany no niteraka an’i Seta, ary tsy izy rehetra no niteraka rehefa 130 taona.)

Angano fotsiny ve ny tantaran’i Eva satria hoe nisy menarana niresaka taminy?

Gen. 3:1-4: “Ary ny menarana no malina indrindra tamin’ny bibidia rehetra nataon’i Jehovah Andriamanitra. Koa hoy izy io tamin-dravehivavy: ‘Marina tokoa ve fa niteny taminareo Andriamanitra hoe tsy tokony hihinananareo ny voan’ny hazo rehetra ato amin’ny zaridaina?’ Dia hoy ravehivavy tamin’ilay menarana: ‘... Hoy kosa Andriamanitra taminay ...: “Aza ihinananareo io, ary aza kasihinareo mba tsy ho faty ianareo.” ’ Dia hoy ny menarana tamin-dravehivavy: ‘Tsy ho faty velively ianareo.’ ”

Jaona 8:44: “[Hoy i Jesosy:] Mpandainga [ny Devoly] sady rain’ny lainga.” (Ny Devoly no nilaza ilay lainga voalohany tany Edena, ka mody nampiteny an’ilay menarana. Tsy angano fotsiny àry ilay tantara ao amin’ny Genesisy. Jereo koa ny Apokalypsy 12:9.)

Fanoharana: Misy olona mody mampiteny zavatra eo akaikiny, nefa izy ihany no miteny. Ampitahao amin’ny Nomery 22:26-31, izay mitantara fa nampitenenin’i Jehovah ny ampondran’i Balama.

Raha tsy tena nisy ilay “Adama voalohany”, dia ahoana ny amin’i Jesosy Kristy, ilay “Adama farany”?

1 Kor. 15:45, 47: “Izao mihitsy no voasoratra: ‘Tonga zavamananaina i Adama voalohany.’ Ary i Adama farany kosa tonga fanahy mahavelona. Ilay lehilahy voalohany dia avy amin’ny tany sady natao tamin’ny vovoka, fa ilay lehilahy faharoa kosa avy any an-danitra.” (Izay tsy manaiky hoe tena nisy ilay Adama nanota tamin’Andriamanitra, dia tsy manaiky koa fa nilaina ny nahatongavan’i Jesosy Kristy teto an-tany mba ho faty ho an’ny olombelona. Mandà ny finoana kristianina àry izy.)

Ahoana no fiheveran’i Jesosy ny fitantaran’ny Genesisy?

Mat. 19:4, 5: “Hoy [i Jesosy]: ‘Mbola tsy novakinareo [tao amin’ny Genesisy 1:27; 2:24] ve fa izay namorona ny olona [Adama sy Eva], dia nanao azy ho lahy sy vavy, tany am-piandohana, ka nilaza hoe: “Noho izany, ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ny vadiny, ary ho nofo iray ihany izy roa”?’ ” (Nino i Jesosy fa tena nisy ireo olona notantarain’ny Genesisy. Tsy tokony hino izany koa ve isika?)

Raha misy milaza hoe:

‘Efa sitrapon’Andriamanitra ny nanotan’i Adama.’

Azonao valiana hoe: ‘Olona maro no milaza izany. Raha tianao hanao zavatra iray anefa aho ka hataoko tokoa ilay izy, dia homelohinao ve aho?... Raha sitrapon’Andriamanitra àry ny nanotan’i Adama, nahoana izy no noroahiny avy tao Edena? (Gen. 3:17-19, 23, 24)’

Na hoe: ‘Raha izany tokoa no izy, rariny ve raha melohin’Andriamanitra ny olona iray nanao ny sitrapony? Maneho fitiavana ve izy amin’izany?’ Azo ampiana hoe: 1) ‘Andriamanitra fitiavana i Jehovah. (1 Jaona 4:8) Ara-drariny avokoa izay ataony. (Sal. 37:28; Deot. 32:4) Tsy sitrapony ny nanotan’i Adama satria efa norarany izy. (Gen. 2:17)’ 2) ‘Nomen’Andriamanitra safidy hanao izay tiany i Adama, toa antsika ihany. Na lavorary aza izy, dia afaka nifidy ny tsy hankatò. Nifidy ny hikomy tamin’Andriamanitra anefa izy, na dia efa nilazana aza fa ho faty raha manao izany.’ (Jereo koa ny pejy 314.)