Hijery ny anatiny

Fiainam-piadanana ao amin’ny tontolo vaovao

Fiainam-piadanana ao amin’ny tontolo vaovao

Fiainam-piadanana ao amin’ny tontolo vaovao

Inona no tsapanao ao am-po rehefa mandinika ny sary asehon’ity trakitra ity ianao? Moa tsy mitepo ve ny fonao maniry izato fiadanana amam-pahasambarana miseho eo? Tena izany tokoa! Nefa sao nofinofy na hevi-dravina fotsiny ny mino ny hisian’ny toy izany ambonin’ny tany indray andro any?

Maro angamba no mihevitra izany. Ny hany fahita ankehitriny mantsy dia ady sy heloka bevava ary mosary aman’aretina sy fahanterana — raha vitsivitsy aminy monja aza no lazaina. Mbola misy antom-panantenana ihany anefa na dia izany aza. Raha mibanjina ny hoavy ny Baiboly dia milaza fa “isika, araka ny teny fikasany [ny an’Andriamanitra], dia manantena lanitra vaovao sy tany vaovao, izay itoeran’ny fahamarinana”. — 2 Petera 3:13; Isaia 65:17.

Izany “lanitra vaovao” sy “tany vaovao” tononin’ny Baiboly izany anefa akory tsy hoe lanitra fizika vaovao na tany vaovao ara-bakiteny. Ireo tany aman-danitra ara-bakiteny dia noforonina ho lavorary, araka ny filazan’ny Baiboly, ka hitoetra eo mandrakizay. (Salamo 89:36, 37; 104:5). Ny “tany vaovao” àry dia fitambaran’olona marina hiaina eto an-tany ary ny “lanitra vaovao” dia fanjakana lavorary any an-danitra na fanapahana izay hitondra an’io fitambaran’olona eto an-tany io. Kanefa moa ve tena azo inoana fa mety hisy ny “tany vaovao” na ny tontolo vaovao hahafinaritra?

Andao ange isika hiara-mandinika ny porofo fa toe-piainana fikendry toy izany no anisan’ny fikasan’Andriamanitra ho an’ny tany hatramin’ny voalohany. Tao am-paradisa an-tany tao Edena no nasiany an’izy mivady voalohany ka nomeny azy ireo ny andraikitra mahatalanjona hoe: “Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany, ka mampanompoa azy”. (Genesisy 1:28). Eny, ny nikasan’Andriamanitra azy ireo dia ny ho maro anaka ka hanitatra ilay Paradisany hanenika ny tany amin’ny farany. Na dia safidin’izy ireo aza tato aoriana ny tsy hanoa an’Andriamanitra ka niseho hatreo ho tsy mendrika ny hiaina mandrakizay izy ireo, dia tsy niova kosa ny fikasan’Andriamanitra voalohany. Ary io dia tsy maintsy ho ao amin’ny tontolo vaovao no hanatontosana azy! — Isaia 55:11.

Raha ny marina, rehefa manao ny Vavaky ny Tompo, na ny Rainay Izay any An-danitra ianao, ka mangataka ny hahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra, dia tsy inona akory no angatahinao fa ny hanadiovan’io fanapahana any an-danitra io ny tany tsy hisian-karatsiana sy ny hifehezany ny tontolo vaovao. (Matio 6:9). Ary azontsika antoka tokoa ny hamalian’Andriamanitra an’io vavaka io, satria ny Teniny mampanantena fa “ny marina handova ny tany ka honina eo aminy mandrakizay.” — Salamo 37:29.

Ny fiainana ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra

Hitondra eto an-tany tombontsoa tsy hanam-paharoa ilay Fanjakan’Andriamanitra rehefa hanatanteraka ny soa rehetra nokasain’Andriamanitra hatramin’ny voalohany hankafizin’ireo olony. Ho tapitra tsy hisy intsony ny fifankahalana sy ny fitompoan-teny fantatra, ary amin’ny farany dia tena hifampisakaiza marina tokoa amin’ny olona hafa rehetra ny mponina tsirairay avy eto an-tany. Ampanantenain’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly fa ‘hampitsahatra ady hatramin’ny faran’ny tany Izy’. “Ny firenena tsy hanainga sabatra hifamely na hianatra ady intsony.” — Salamo 46:9; Isaia 2:4.

Hovana hanan-toetra paradisa miendrika zaridaina ny tany manontolo, amin’ny farany. Hoy ny Baiboly: “Ravoravo ny efitra sy ny tany karankaina, ary ny tani-hay mifaly sy mamony tahaka ny lilia (...) Fa hiboiboika any an-efitra ny rano, ary hisy renirano any amin’ny tany karankaina. Ny alonalona mitarehin-drano dia ho tonga farihy tokoa, ary ny tany mangentana ho loharano miboiboika.” — Isaia 35:1, 6, 7.

Tsy hisy antony tsy hahasambatra ao amin’ilay Paradisa ho eto an-tany. Tsy ho hita intsony na oviana na oviana izany hoe olona mosarena fa tsy ampy hanina izany: “Ny tany efa nahavokatra”, hoy ny Baiboly. (Salamo 67:6; 72:16). Samy hahita fahafaham-po amin’ny asa vitan’ny tanany daholo ny olona rehetra, araka ny fampanantenan’Ilay Nahary antsika hoe: “Hanao tanimboaloboka ny olona ka hihinana ny vokatra aminy. Tsy (...) hamboly zavatra hohanin’olon-kafa” izy. — Isaia 65:21, 22.

Ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra, dia tsy hisy intsony olona voatery hifanesisesika anaty trano fanofa goavana na hifanitsa-kitro an-trano bongo malotoloto, satria araka ny fikasan’Andriamanitra: “Hanao trano ny olona ka hitoetra ao (...) Tsy hanao trano hitoeran’olon-kafa izy”. Mbola mampanantena koa ny Baiboly fa: “Tsy hisasatra foana izy”. (Isaia 65:21-23). Ny olombelona àry izany dia hanao asa mahavokatra sy mahafa-po tokoa. Tsy hanorisory velively ny fiainana.

Haverin’ilay Fanjakan’Andriamanitra amin’ny farany ny fiadanana nisy tao am-paradisan’i Edena teo amin’ny samy biby sy teo amin’ny biby sy ny olona. Hoy ny Baiboly hoe: “Ny amboadia hiara-mitoetra amin’ny zanak’ondry; ny leoparda hiara-mandry amin’ny zanak’osy; ary ny zanak’omby sy ny liona tanora ary ny ombikely mifahy hiray toerana, ary ny zazakely no hiroaka azy.” — Isaia 11:6-9; Hosea 2:20.

Hevero fotsiny ange ny hoe tsy hisian’ny aretina ao am-paradisa an-tany e ary ny kilema hositranina koa! Manome toky antsika ny amin’izany ny Tenin’Andriamanitra hoe: “Tsy hisy amin’ny mponina ao hilaza hoe: Marary aho”. (Isaia 33:24). Hofafan’Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ary ny fahafatesana dia tsy hisy intsony; ny alahelo amam-pitarainana sy fahoriana koa tsy hisy intsony, fa efa lasa ny toetra taloha.” — Apokalypsy 21:4, Fandikan-teny Katolika.

Ny fomba hetezan’izany ho anao koa

Tsy maintsy efa nampientana ny fonao tokoa izao ireo fampanantenan’Andriamanitra ny amin’ny fiainana ao amin’ny tontolony vaovao marina. Ary na dia misy aza manao ny fahatanterahan’ireo fitahiana ireo ho tsara loatra ka tsy hety ho marina, dia tsy misy tsara loatra akory ny avy eo am-pelatanan’Ilay be fitia Nahary antsika. — Salamo 145:16; Mika 4:4.

Marina aloha fa tena misy tokoa fepetra takina amintsika raha te hiaina mandrakizay ao amin’ilay Paradisa ho avy eto an-tany isika. Anisan’ny voalohany amin’izany ny nasehon’i Jesosy rehefa nivavaka tamin’Andriamanitra hoe: “Izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao.” — Jaona 17:3.

Koa raha te hiaina ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra àry isika dia tsy maintsy mianatra voalohany indrindra izay sitrapon’Andriamanitra ary dia manao izany. Marina tokoa fa “mandalo izao tontolo izao sy ny filàny, fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay”, ka hiravoravo ho doria amin’ireo fitahiana harotsak’Ilay be fitia Nahary antsika. — 1 Joany 2:17, Kat.

Raha tsy misy fanamarihana manokana (toy ny hoe NW ho an’ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao—Fanaovana Fikarohana, anglisy), ny andinin-teny rehetra dia avy amin’ny Baiboly Fandikan-teny Protestanta.