An’Andriamanitra ny Fanompoam-pivavahana
Toko Faha-34
An’Andriamanitra ny Fanompoam-pivavahana
HANONTANY zava-dehibe iray anao aho, zava-dehibe aoka izany ka hisy vokany eo amin’ny fiainanao ho avy ny valin-teninao. Iza no Andriamanitrao? —
Ny Andriamanitrao dia izay toloranao fanompoam-pivavahana. Manolotra fanompoam-pivavahana ho an’ny andriamanitra maro ireo mponina maneran-tany. Ny sasany voasokitra fotsiny na vita amin’ny hazo na vato. Ny hafa olona be mpahalala eo amin’ny tontolon’ny fanatanjahan-tena na ny mozika. Resahina ho toy ny “vedettes” na “sampy” izy ireny. Tsara ve anefa ny mankalaza ireny andriamanitra hafa ireny? —
Nanambara toy izao ilay Mpampianatra Lehibe: “Jehovah Andriamanitrao no hiankohofanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao.” — Matio 4:10.
Nasehon’i Jesosy mazava àry fa i Jehovah Andriamanitra irery ihany no tokony hotolorantsika fanompoam-pivavahana. Tsy afaka manolotra fanompoam-pivavahana na dia kely fotsiny aza ho an’ny andriamanitra hafa iray isika. Resahin’ny Baiboly amintsika amin’ny fomba mampihetsi-po ny amin’ny tanora telo lahy nahafantatra tsara izany.
Nantsoina hoe Sadraka sy Mesaka ary Abednego izy ireo. Hebreo izy ireo, nefa niaina tany Babylona. Nanangana sary vongana volamena goavana ny mpanjakan’i Babylona. Nandidy izy ny hiankohofan’ny tsirairay teo anatrehan’io rehefa maneno ny mozika. Izao no
nambarany: ‘Na iza na iza tsy hiankohoka sy tsy hivavaka dia hatsipy ao anatin’ny lafaoro misy afo mirehitra.’ Inona no ho nataonao? —Mandrakariva, dia nankato ny mpanjaka ry Sadraka sy Mesaka ary Abednego. Tsy nety niankohoka anefa izy ireo. Nahoana? — Satria milaza toy izao ny lalàn’Andriamanitra: ‘Aza manana andriamani-kafa, fa Izaho ihany. Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao ary aza miankohoka eo anatrehany.’ Nankato ny lalàn’i Jehovah fa tsy ny baikon’ny mpanjaka ireo tanora telo lahy. — Eksodosy 20:3-5a.
Rehefa nandre izany ny mpanjaka dia tezitra. Nampiantso an’i Sadraka sy i Mesaka ary i Abednego izy ka nanontany azy ireo hoe: ‘Marina ve fa tsy manompo ireo andriamanitro ianareo? Omeko anareo indray ny fahafahana hanao izany. Rehefa mandre ny mozika ianareo, dia miankohofa ka mivavaha amin’ilay sary vongana. Raha tsy izany, dia hatsipy ao anatin’ny lafaoro mirehitra ianareo. Ary iza moa no andriamanitra hanafaka anareo amin’ny tanako?’
Inona no nataon’ireo tanora telo lahy? Inona no ho nataonao? — Nitoky tamin’i Jehovah izy ka namaly tamim-pahatsorana ny mpanjaka hoe: ‘Afaka mamonjy anay ny Andriamanitray Izay tompoinay. Kanefa na dia tsy hanao izany aza izy, dia tsy hanompo ireo andriamanitrao izahay. Tsy hiankohoka eo anatrehan’ny sary vongana volamenanao izahay.’
Nisafoaka ny mpanjaka. Nanome izao baiko izao izy: ‘Hafanao ho impito mihoatra noho ny famana azy ny lafaoro!’ Nodidiany ireo lehilahy matanjaka tao aminy mba hamatotra an’i Sadraka sy i Mesaka ary i Abednego. Avy eo dia hoy izy: ‘Atsipazo ao anatin’ny lafaoro ireo!’
Hebreo telo lahy?
Natsipin’ireo mpanompon’ny mpanjaka tao izy ireo, kanefa nahamay aoka izany ny lafaoro, hany ka matin’ny lelafo ireo lehilahy nirahin’ny mpanjaka. Ary ireoNianjera teo afovoan’ny afo izy ireo. Nitsangana anefa izy ireo. Tsy naratra izy ary tsy nifatotra intsony. Ahoana ho netezan’izany?
Nijery tao anaty lafaoro ny mpanjaka, ary raiki-tahotra noho izay hitany. Hoy ny fanontaniany: ‘Tsy telo lahy ve no natsipintsika tao anatin’ny afo?’
‘Eny, ry mpanjaka ô!’, hoy ny navalin’ireo mpanompony.
Nanampy teny toy izao anefa ny mpanjaka: ‘Ka no efa-dahy no hitako mandehandeha eo anaty afo, nefa tsy maninon-tsy maninona akory.’
Iza moa ilay lehilahy fahefatra? — Ny anjelin’i Jehovah. Teo izy io mba hiaro ireo mpanompo hebreo telo nahatokin’ilay Andriamanitra marina.
Rehefa nahita izany ny mpanjaka dia nanatona ny varavaran’ny lafaoro ka niantso hoe: “Ry Sadraka sy Mesaka sy Abednego, mpanompon’Andriamanitra Avo Indrindra, mivoaha, ka avia atỳ”! Rehefa nivoaka ireo, dia afaka nahita ny rehetra fa tsy may izy ireo. Tsy nahatratra azy ireo akory ny fofon’afo.
Hoy ny mpanjaka tamin’izay: ‘Isaorana anie Andriamanitr’i Sadraka sy Mesaka ary Abednego, izay namonjy ny mpanompony, satria izy ireo tsy nivavaka tamin’izay andriamani-kafa, afa-tsy Andriamaniny ihany!’ — Daniela, toko fahatelo.
Tsy mahatalanjona, mahagaga, ve izany? — Nahafaly an’i Jehovah ny fihetsik’ireo tanora telo lahy. Afaka maka lesona avy amin’izany isika.
Na dia amin’izao andro izao aza, dia misy olona manangana sary vongana hotolorana fanompoam-pivavahana. Ny sasany vita amin’ny hazo, ny hafa vita amin’ny vato na amin’ny metaly. Hiankohoka eo anatrehan’ireny sary vongana ireny ve ianao? —
Misy sary atao amin’ny lamba koa. Efa nahita izany ve ianao? — Eo imason’Andriamanitra, samy hafa ve ny sary vongana vita amin’ny hazo na ny vato sy ny sary vita amin’ny lamba? — Hanao tsara ve ny mpanompon’i Jehovah iray raha manolotra fankalazana indray mandeha monja eo anoloan’ny iray amin’ireo sary ireo? —
Tsy naniry hivavaka afa-tsy tamin’i Jehovah ry Sadraka sy Mesaka ary Abednego. Nahafaly an’Andriamanitra izany. Hanahaka azy ireo ve ianao? —
(Tsy afaka manolotra fanompoam-pivavahana ho an’ny sary vongana ireo mpanompon’i Jehovah. Hovakintsika izay voasoratra ao amin’ny Isaia 42:8; Josoa 24:14, 15, 19-22.)