Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ankizy Midera An’Andriamanitra

Ankizy Midera An’Andriamanitra

Toko Faha-26

Ankizy Midera An’Andriamanitra

MBA efa nanontany tena ve ianao hoe nahoana no manana vava ianao? Inona no ampiasanao azy io? —

Mazava ho azy fa ampiasainao mba hihinanana izy io; tsy izay ihany anefa. Indraindray monja isan’andro isika vao mihinana. Moa ve tsy mampiasa bebe kokoa ny vavantsika mba hiresahana isika? — Miasa foana ny molotrao sy ny lelanao sy ny nifinao ary ny lanilaninao mba hahafahanao hiteny.

Inona no hataonao raha tsy afaka niteny ianao? Hampalahelo raha tsy afaka nilaza mihitsy ny hevitrao ianao! Tsy faly ve ianao noho ny nanomezan’i Jehovah vava anao? — Koa satria nomeny antsika izy io, moa ve tsy tokony hampiasaintsika amin’ny fomba manome voninahitra an’Andriamanitra? —

Izany no noeritreretin’i Davida Mpanjaka izay mpanompon’Andriamanitra. Izao no nambarany: “Ny fiderana an’i Jehovah no hotenenin’ny vavako”. Araka ny hevitrao, moa ve izany fomba tsara fampiasana ny vavan’ny tena? — Iarahantsika mamerina izay nambarany: “Ny fiderana an’i Jehovah no hotenenin’ny vavako”. — Salamo 145:⁠21.

Nampiasa ny vavany tamin’izany fomba izany ny zazavavy isiraelita iray. Tamin’ny androny dia nifankahala i Syria sy ny Isiraely. Indray andro, dia nanapoaka ady tamin’ny Isiraely ny Syriana ka nitondra ho babo ilay zazavavy. Nalefa ho any an-tranon’ny filohan’ny tafika, dia i Namàna, izy. Tonga mpanompon’ny vadiny izy io.

Voan’ny aretina antsoina hoe habokana i Namàna. Tsy nisy dokotera nahasitrana azy na dia iray aza. Nino an’i Jehovah anefa ilay Isiraelita tanora ary nahalala fa afaka nanao zava-mahatalanjona izy. Nino izy fa ny mpaminany iray, iray tamin’ireo mpanompon’Andriamanitra manokana, dia afaka nanasitrana an’i Namàna. Mazava ho azy fa tsy nino an’i Jehovah i Namàna sy ny vadiny. Hafa ny fivavahan’izy ireo. Tokony hilaza amin’izy ireo izay ninoany ve ilay zazavavikely? Angamba tsy hihaino azy izy ireo. Inona no ho nataonao? —

Fantany fa tokony hiteny ka haneho hatsaram-po amin’izany izy. Hampiseho ny fitiavany an’Andriamanitra koa izy. Hoy àry izy: ‘Raha manatona ny mpaminanin’i Jehovah eo amin’ny Isiraely i Namàna, dia ho sitrana amin’ny habokany.’

Naniry ho sitrana i Namàna. Nihaino an’ilay zazavavy kely àry izy ka lasa nanatona ny mpaminanin’i Jehovah. Noho izy nanaraka ny tenin’ilay mpaminany, dia sitrana izy io ary tonga mpivavaka tamin’ilay Andriamanitra marina. Tsy maintsy ho faly tokoa izy noho ny tsy natahoran’ilay Isiraelita tanora ny hidera an’i Jehovah! — 2 Mpanjaka 5:1-15.

Ho tianao ve ny hanampy olona hahalala an’i Jehovah, toy ny nataon’io zazavavy kely io? — Iza no azonao ampiana? —

Mazava ho azy fa amin’ny voalohany ny olona dia tsy hieritreritra hoe mila fanampiana ny tenany. Azonao atao anefa ny miresaka aminy momba ireo asan’i Jehovah tsara dia tsara. Hihaino angamba izy ireny. Tsy hahafinaritra tokoa ve raha manjary tia an’i Jehovah izy ireny? — Mety hitranga izany raha mampiasa ny vavanao mba hiderana an’i Jehovah ianao.

Miresaka amintsika ny amin’ny zazalahy iray nantsoina hoe Timoty koa ny Baiboly. Tsy nino an’i Jehovah ny rainy, nefa nino an’Andriamanitra ny reniny sy ny renibeny. Nihaino azy ireo i Timoty. Raha mbola zazakely izy, dia nahalala ny Baiboly. Mila ny mahalala ny Baiboly isika mba hiderana an’i Jehovah, satria miresaka amintsika momba azy izy io.

Nitombo i Timoty ary tonga tovolahy nahafinaritra. Indray andro, dia nitsidika ny tanàna nonenan’i Timoty i Paoly apostolin’i Jesosy. Voamariny ny faniriany hanao ny sitrapon’i Jehovah ka nanasa azy izy mba hiaraka aminy, hanompo bebe kokoa an’Andriamanitra. Niara-dia izy ireo tany amin’ny tanàna maro izay niresahany tamin’ny olona momba ny Fanjakan’Andriamanitra sy Jesosy. — Asan’ny Apostoly 16:1-5.

Nianatra zavatra be dia be i Timoty rehefa nidera an’Andriamanitra teo anilan’ny apostoly Paoly. Hitany izy nanao lahateny teo anoloan’ny vahoaka maro be sy nandeha isan-trano mba hampianatra ireo izay nonina tao. Tsy nijery fotsiny anefa i Timoty; nandray anjara tamin’ilay asa izy. Izao no nambaran’i Paoly: ‘Manao ny asan’i Jehovah tahaka ny ataoko i Timoty.’ — 1 Korintiana 16:⁠10.

Rehefa niresaka ny amin’Andriamanitra i Timoty, dia tsy nahafaly ny olona rehetra akory izany. Tsy niala anefa izy; tsy naniry hiverina tany an-tranony izy. Faly izy nampiasa ny vavany mba hiderana an’i Jehovah.

Hilaza angamba ny sasany fa natokana ho an’ny olona be taona kokoa izany. Mino izany ve ianao? — Tsy nieritreritra izany ilay Mpampianatra Lehibe. Indray andro, rehefa nisy olona nitady hisakana zazalahy kely tsy hidera an’Andriamanitra, dia hoy i Jesosy tamin’izy ireo: ‘Mbola tsy novakinareo mihitsy ve ny teny ao amin’ny Soratra Masina manao hoe: “Avy amin’ny vavan’ny ankizy madinika no hivoahan’ny fiderana”?’ — Matio 21:⁠16.

Raha tena tiantsika tokoa izany, dia afaka midera an’i Jehovah daholo isika rehetra. Tsy sarotra izany. Nanome vava antsika Andriamanitra. Tsy ilaina ny hahalalana ny Baiboly manontolo mba hanombohana. Afaka milaza amin’ny hafa izay efa nianarantsika isika. Ho tianao ve ny hanao toy izany? —

(Indreto misy andinin-teny hafa izay mampirisika ny tanora hanompo an’Andriamanitra: Salamo 148:12, 13; Mpitoriteny 12:⁠1; 1 Timoty 4:⁠12.)