Ankizy Natsangana Tamin’ny Maty
Toko Faha-20
Ankizy Natsangana Tamin’ny Maty
TSY mahafinaritra ve ny mahafantatra fa tiana ny tenanao? — Toy inona moa ny fahasambarana rehefa misy olona mikarakara ny tena! Fantatrao ve fa misy tia anao mihoatra noho ny olona rehetra? — Tsy iza izany fa i Jehovah Andriamanitra.
Manao ahoana ny halehiben’ny fitiavany? — Moa ve tsy mihevitra antsika afa-tsy amin’ny fotoana ahavelomantsika izy ary manadino antsika rehefa maty isika? Mahatsiaro antsika ve izy? — Milaza ny Baiboly fa ‘na fahafatesana, na fiainana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, dia tsy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra’. — Romana 8:38, 39.
Tsy manadino antsika àry Andriamanitra. Tsaroany ireo izay manompo azy mbamin’ny zanak’izy ireo kely. Na dia maty aza izy ireny, dia hovelominy indray.
Teto an-tany i Jesosy dia nampiseho fa miahy ny ankizy kely i Jehovah. Naka fotoana hiresahana tamin’izy ireny ny amin’Andriamanitra izy ary nampiasa ny hery avy amin’Andriamanitra mihitsy aza mba hananganana ankizy kely tamin’ny maty. Ho tianao ve ny hahafantatra ny fomba nanaovan’i Jesosy izany ho an’ny fianakaviana iray? —
Ny lehilahy iray nantsoina hoe Jaïro dia nonina tsy lavitra ny ranomasin’i Galilia, niaraka tamin’ny vadiny
sy ny zanany vavy kely roa ambin’ny folo taona. Tian’io ray io sy io reny io aoka izany ilay zanany vavy kely izay zanany tokana.Azonao alaina sary an-tsaina ny alahelon’izy ireo rehefa nanjary narary mafy izy io. Na dia teo aza ny fiezahana rehetra nataon’izy ireo, dia niharatsy ny toe-pahasalamany. Tsapan’i Jaïro fa ho faty ilay zanany vavy ary tsy afaka nanao na inona na inona izy sy ireo dokotera.
Misy zavatra ho azon’i Jesosy atao angamba anefa. Nandre firesahana ny amin’io lehilahy hafa dia hafa io izay nanasitrana ny olona, i Jaïro. Lasa àry izy nitady an’i Jesosy izay nampianatra vahoaka be teo amoron’ny ranomasin’i Galilia.
Niantoraka teo an-tongotr’i Jesosy i Jaïro ka nilaza taminy hoe: ‘Marary mafy ny zanako vavy kely. Andeha re, raha sitrakao, hanasitrana azy e! Miangavy anao aho.’
Nanaraka an’i Jaïro avy hatrany i Jesosy, ary nanotrona azy ireo ny vahoaka. Tsy ela taorian’izay anefa, dia nilaza taminy toy izao ny olona vitsivitsy avy tany an-tranon’i Jaïro: “Efa maty ny zanakao-vavy; nahoana hianao no mbola manahirana ny Mpampianatra ihany?”
Ren’i Jesosy ny tenin’ireo lehilahy ireo. Tsapany ny alahelon’i Jaïro ka hoy izy taminy: ‘Aza matahotra. Minoa an’Andriamanitra fotsiny, dia ho voavonjy ny zanakao vavy.’
Nankany an-tranon’i Jaïro àry izy ireo. Tany, dia nitomany ireo namany. Ory noho ny nahafatesan’ilay
namany kely izy ireo. Niteny tamin’izy ireo toy izao anefa i Jesosy: ‘Aza mitomany intsony, satria tsy maty ilay zazavavy kely, fa matory.’Noho ny fahafantarany fa maty ilay zazavavy kely, dia naneso an’i Jesosy ny olona. Nilaza tamin’izy ireo anefa i Jesosy fa natory ilay zazavavy kely, mba hanomezana lesona ho azy ireo. Tiany ny hahafantaran’izy ireo fa noho ny herin’Andriamanitra, dia afaka namelona olona indray izy, tsy nanahirana fa toy ny rehefa mamoha olona iray matory.
Nasain’i Jesosy nivoaka ny olona rehetra afa-tsy ny telo tamin’ireo apostoliny sy ny ray aman-drenin’ilay ankizy. Noraisiny ny tanan’ilay zazavavy kely ka hoy izy: ‘Ry zazavavy, mitsangàna!’ Nitsangana avy hatrany izy ka nanomboka nandeha. Feno fifaliana ny Marka 5:21-24, 35-43; Lioka 8:40-42, 49-56.
rainy sy ny reniny. —Namoy namana ve ianao? — Tsy ho faly ve ianao raha velona indray izy mba hiaraka indray aminao? — Azo atao ve izany? —
Koa satria nanangana zazavavy kely iray tamin’ny maty i Jesosy, moa ve tsy ho afaka hanao toy izany izy ho an’ny hafa? Kanefa, tena maniry izany tokoa ve izy? — Eny, satria nilaza izy hoe: “Avy ny ora izay handrenesan’ny olona rehetra any am-pasam-pahatsiarovana ny feony, dia hivoaka izy.” Hitranga tsy ho ela izany, eo ambanin’ny fiandrianan’ny Fanjakan’Andriamanitra. — Jaona 5:28, 29, NW.
Hahafinaritra tokoa ny handray ireo ho tafatsangana amin’ny maty! Ho anisan’ireo namantsika ny sasany aminy. Ho fantatsika izy ireny rehefa ho tafatsangana, toy ny nahafantaran’i Jaïro ny zanany vavy kely. Ny olona ho tafatsangana amin’ny maty hafa dia ho olona maty hatramin’ny an’arivony taona maro. Na dia eo aza izany, dia tsy hohadinoin’Andriamanitra izy ireny.
Tsy mahafinaritra ve ny mahafantatra fa tia antsika toy izany i Jehovah Andriamanitra sy i Jesosy Zanany? — Iriny ny hahavelomantsika, tsy mandritra ny taona vitsivitsy, fa ho mandrakizay.
(Ny amin’ny fanantenana fananganana amin’ny maty mahatalanjona, dia vakio koa ny Asan’ny Apostoly 24:15; 1 Korintiana 15:20-22; Isaia 25:8.)