Fahefana eo Amin’ny Rivotra sy ny Onja
Toko Faha-14
Fahefana eo Amin’ny Rivotra sy ny Onja
EFA mba tratran’ny oram-baratra, tao anatin’ny rivotra nifofofofo mafy dia mafy, ve ianao? — Natahotra ve ianao? — Tsara ny hitandremanao amin’ny toe-javatra toy ireny, satria mety haratra ianao.
Inona àry no tokony hataonao rehefa manomboka mitsoka mafy ny rivotra na rehefa mahita tselatra eny amin’ny lanitra ianao? — Ny zavatra mampiseho fahendrena indrindra dia ny fodiana atỳ an-trano. Raha tsy izany, dia mety hanaisotra rantsankazo ny rivotra ka hampianjera izany eo amboninao. Na mety hamely anao ny varatra. Olona an-jatony maro no maty isan-taona noho ny oram-baratra.
Tsy afaka mampitsahatra ny rivotra mitsoka mafy izaho sy ianao. Tsy afaka mampitony ny onjan-dranomasina lehibe isika. Raha ny marina, dia tsy misy mihitsy olona velona ankehitriny afaka manao izany. Fantatrao ve anefa fa taloha dia nisy olona nanana hery nifehezana ny rivotra sy ny onja? — Tsy iza izany fa i Jesosy, ilay Mpampianatra Lehibe. Ho tianao ve ny hitantarako aminao izay nataony? —
Indray takariva, rehefa avy nampianatra teo amoron’ny ranomasin’i Galilia izy, dia nilaza toy izao tamin’ireo mpianany: “Andeha isika hita ho eny am-pita.” Niditra tao amin’ny sambokely iray àry izy ireo mba hita ilay farihy.
Vizana be i Jesosy. Nandany hery be izy nandritra ny indray andro manontolo. Naka toerana tany amin’ny
faran’ny sambokely izy ka natory teo amin’ny ondana. Vetivety dia nahita tory izy.Tsy natory ireo mpianatra mba hamily ilay sambo. Nandeha tsara ny zavatra rehetra nandritra ny fotoana kelikely, kanjo injay nanomboka nifofofofo ny rivo-mahery. Nihamafy ny fitsokany ary nihanisondrotra hatrany ny onja. Nanomboka namely ny sambokely sy nameno rano azy izany. Natahotra ny ho rendrika ireo mpianatra.
Tsy raiki-tahotra anefa i Jesosy. Nanohy natory izy. Tamin’ny farany dia namoha azy ireo mpianany ka niteny taminy hoe: ‘Mpampianatra ô, Mpampianatra ô, vonjeo izahay; fa ho faty ao amin’itỳ tafio-drivotra itỳ izahay.’
Dia nitsangana i Jesosy ka niteny tamin’ny rivotra sy ny onja hoe: “Mangìna, mitsahara”! Nitsahatra tsy nitsoka niaraka tamin’izay ny rivotra ary nanjary tony indray ilay farihy.
Gaga be ireo mpianatra. Mbola tsy nahita zavatra sahala amin’izany mihitsy izy. Nifampiresaka toy izao izy ireo: “Iza moa Ity, no mandidy ny rivotra sy ny rano Izy, ka manaiky Azy izany!” — Marka 4:35-41; Lioka 8:22-25.
Fantatrao ve hoe iza moa i Jesosy? — Fantatrao ve hoe avy aiza no nahazoany ny heriny lehibe? — Noho i Jesosy niaraka tamin’izy ireo, dia tsy tokony ho natahotra ireo mpianatra, satria tsy olona toy ny hafa rehetra i Jesosy. Afaka nanao zavatra mahagaga tsy nisy nahavita mihitsy izy. Hitantara aminao zavatra hafa iray nataony tao amin’ny ranomasina nisamboaravoara aho.
Andro hafa tamin’izay, tatỳ aoriana kely. Rehefa hariva ny andro, dia nilaza tamin’ny mpianany i Jesosy mba
hiditra ao amin’ny sambokely iray ka hialoha azy eny ampitan’ny ranomasina. Rehefa avy eo, dia nianika irery ny tendrombohitra i Jesosy. Toerana nangina tany, nahafahany nivavaka tamin’ny Rainy, Jehovah.Niakatra tao amin’ilay sambokely ireo mpianatra ary nanomboka nandeha namakivaky ny ranomasina. Tsy ela anefa, dia nanomboka nitsoka ny rivotra, ary nihamafy ny fitsokany. Alina ny andro.
Nampidina ny lain-tsambo ireo lehilahy ary nanomboka nivoy. Tsy nandroso firy anefa izy ireo, satria notsenain’ny rivo-mahery. Natopatopan’ny onja lehibe ilay sambokely, ary namely azy ny rano. Niezaka hanatratra ny morony ireo mpianatra, nefa tsy afaka.
Mbola irery tao an-tendrombohitra ihany i Jesosy. Nijanona ela tany izy. Tsapany anefa izao fa nahita loza teo afovoan’ny onja lehibe ireo mpianany. Nidina avy any an-tendrombohitra ho eo amoron-dranomasina àry izy. Tsy niroboka mba hilomano izy na nandeha tao anaty rano. Nandeha teo ambonin’ny ranomasina nisamboaravoara kosa i Jesosy, toy ny fandehanantsika eo ambonin’ny ahi-maitso.
Fantatrao ve izay hitranga raha manandrana mandeha eo ambonin’ny rano ianao? — Hilentika ianao ary mety ho faty
an-drano. Nanana hery niavaka kosa anefa i Jesosy.Tsy maintsy nandeha dimy ka hatramin’ny enina kilaometatra i Jesosy mba hahatongavana teny amin’ilay sambokely. Kely sisa dia ho maraina ny andro rehefa hitan’ny mpianatra i Jesosy nanatona azy ireo tamin’ny fandehanana teo ambonin’ny rano. Saika tsy nino izay hitany izy ireo. Raiki-tahotra izy ireo ka nikiakiaka.
Dia hoy i Jesosy tamin’izy ireo: “Matokia, fa Izaho ihany, aza matahotra.”
Raha vao niakatra teo an-tsambo i Jesosy, dia nitsahatra ny tafio-drivotra. Gaga be indray ny mpianatra. Niantoraka teo an-tongotr’i Jesosy izy ireo ka nilaza taminy hoe: “Zanak’Andriamanitra tokoa Hianao.” — Matio 14:23-33; Jaona 6:16-21.
Tsy ho nahagaga ve ny nahita an’i Jesosy nanatanteraka zavatra toy izany? — Ho afaka hiaina amin’ny fotoana hanatanterahan’i Jesosy zavatra mahagaga toy izany isika.
Lazain’ny Baiboly amintsika fa nanao an’i Jesosy ho Filoha ao amin’ny Fanjakany Andriamanitra ary tsy ho ela dia ny fitondram-panjakany irery ihany no hitondra ny tany. Tsy hisy mihitsy olona ho velona amin’izany ho voatery hatahotra tafio-drivotra. Hampiasa ny heriny eo amin’ny rivotra sy ny onja i Jesosy mba hitahiana izay rehetra mankato azy. Tsy hahafinaritra tokoa ve ny hiaina amin’izany fotoana izany? —
(Indreto misy andinin-teny hafa mampiseho ny hery lehibe ananan’i Jesosy, ilay Filoha ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra: Matio 28:18; Daniela 7:13, 14; Efesiana 1:20-22.)