Fanampiana Hafa ho An’ny Fianakavianao
Fanampiana Hafa ho An’ny Fianakavianao
Irinao ve ny hahazo fanampiana sarobidy hafa ho an’ny fianakavianao? Azonao atao ny mangataka fanazavana ny amin’ny fomba hahazoana ireto boky manaraka ireto amin’ny fanoratana any amin’ny Fikambanan’ny Mpianatra ny Baiboly eto Madagasikara B.P. 511, 101 Antananarivo, na any amin’ny iray amin’ireo adiresin’ny Watch Tower eo amin’ny pejy manaraka.
● Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly. Io boky io dia mirakitra fitantarana 116 nalaina avy ao amin’ny Baiboly. Milahatra araka ny nitrangany teo amin’ny tantara izy ireo. Natao indrindra ho an’ny ankizy kely io boky io. Na dia ireo ankizy mbola kely loatra ka tsy afaka mamaky teny aza, dia afaka mandray soa avy amin’ireo sary tsara tarehy maherin’ny 125 ao amin’ilay boky. Mifono mavo, ravahan’ny lohateniny vita amin’ny soratra mivohitra mena izy io, ary misy pejy 256, vita amin’ny karazan-taratasy tsara dia tsara.
● Ny Fomba Hahitana Fiainam-pianakaviana Sambatra. Izy io dia fanampiana faran’izay tsara iray hahitana ny fanalahidin’ny fahasambaram-pianakaviana. Resahina ao anatiny ny lafiny rehetra amin’ny fanambadiana, ny fanorenana fototra tsara ho an’ny fanambadiana, ireo anjara asan’ny lehilahy sy ny vehivavy manambady, ny fitaizana zanaka sy ny fiomanan’ny fianakaviana ho amin’ny fiainana mandrakizay. Boky fanao am-paosy 192 pejy, mifono baoritra sady misy sary mahafinaritra, izy io.
● Manontany ny Tanora — Valiny Mandaitra. Io boky io dia hanampy ireo zatovo hanohitra ireo fitaomana maloto eo amin’ny tontolo ankehitriny. Ny tsy fanaovana ny marina, ny fanaranam-po amin’ny alkaola sy ny zava-mahadomelina, ny fahalotoam-pitondran-tena eo amin’ny lahy sy ny vavy, ny filalaovana fitia sy ny fiarahana alohan’ny fanambadiana, dia sasantsasany amin’ireo foto-kevitra resahina ao. Boky 320 pejy, mifono baoritra izy io.