Fasana Foana
Toko Faha-42
Fasana Foana
TENA maty teo amin’ny hazo fijaliana tokoa ve ilay Mpampianatra Lehibe? — Eny. Nisy vavolombelona maro be, ary ny sasany aza nahita miaramila iray nanatsatoka sabatra teo amin’ny lanivoan’i Jesosy. Hitan’izy ireo ny ra latsaka. Maty ilay Mpampianatra Lehibe.
Tatỳ aoriana, ny lehilahy iray nantsoina hoe Josefa dia lasa nanatona ny governora romana. Nino an’ilay Mpampianatra Lehibe i Josefa. Hoy izy: ‘Mba havelanao haka ny fatin’i Jesosy sy handevina azy ve aho?’ Nanaiky ilay governora. Nentin’i Josefa nankao amin’ny zaridaina iray nisy fasana iray àry ny fatin’i Jesosy. Fantatrao ve ny atao hoe fasana? —
Toerana ametrahana ireo maty izany. Napetraka tao amin’ilay fasana ny fatin’i Jesosy, ary nakodia ny vato boribory lehibe iray mba hanakatonana ny varavarana.
Maty i Jesosy. Nilaza tamin’ireo mpianany anefa izy fa hamelona azy indray Andriamanitra. Rahoviana? Nanambara toy izao i Jesosy: ‘Amin’ny andro fahatelo hahafatesako.’ Tanteraka ve izany?
Maraina tamin’izay; mbola tsy niposaka ny masoandro, ary nanjombona ny andro. Niambina ilay fasana ny miaramila vitsivitsy. Nahoana no napetrak’ireo lohan’ny mpisorona teo izy ireo? Mba hampanalavirana ireo mpianatr’i Jesosy. Indro anefa fa misy zavatra hafahafa mitranga.
Mihorohoro ny tany ary misy tselatra miseho tampoka
ao anatin’ny alina. Jereo, anjelin’i Jehovah iray! Tsy mahahetsika noho ny tahotra ireo miaramila. Manatona ny fasana ilay anjely ka manakodia ilay vato. Jereo, foana ilay fasana!Novelomin’i Jehovah indray i Jesosy. Nomeny tena sahala amin’ilay nananany talohan’ny nahatongavany teto an-tany anefa izy. Karazan-tena nanao ahoana no nananany? — Sahala amin’ny an’ireo anjely, tena ara-panahy. — 1 Petera 3:18.
Azo atao ve ny mahita tena ara-panahy? — Tsia. Mba hahitan’ny olona azy, ny anjely iray dia tokony hindrana tena sahala amin’ny antsika. Rehefa avy eo dia tsy hita ilay anjely.
Indro anefa fa miposaka ny masoandro. Lasa ireo miaramila, ary misy vehivavy vitsivitsy tia an’i Jesosy tonga eo amin’ny fasana. Mifanontany toy izao izy ireo: ‘Iza no hanakodia io vato be io ho antsika?’ Efa nakodia anefa ilay vato. Ary foana ilay fasana! Nanjavona ilay tena nofon’i Jesosy! Miverina mihazakazaka ny iray amin’ireo vehivavy mba hampandre an’ireo apostolin’i Jesosy.
Mijanona eo akaikin’ny fasana ireo vehivavy hafa. Hoy izy ireo: ‘Aiza re no mety hisy ny fatin’i Jesosy e?’ Tsitapitapitr’izay dia mipoitra ny lehilahy roa manao akanjo mamirapiratra. Anjely ireo. Hoy izy tamin’ireo vehivavy: ‘Nahoana no mitady an’i Jesosy eto ianareo? Tafatsangana amin’ny maty izy. Mandehana haingana milaza izany amin’ireo mpianany.’
Azonao alaina sary an-tsaina ny fahadodonan’ireo vehivavy nandao ilay fasana. Eny an-dalana dia misy lehilahy iray mifanena amin’izy ireo. Fantatrao ve hoe iza
izany? — Jesosy! Milaza amin’ireo vehivavy koa izy hoe: ‘Mandehana milaza izao zavatra izao amin’ireo mpianatro.’Mihetsi-po aoka izany ireo vehivavy ka mankany amin’ireo mpianatra ary milaza amin’izy ireo hoe: ‘Velona i Jesosy! Hitanay izy!’
Sarotra amin’ireo mpianatra ny mino izany amin’ny voalohany. Fantany anefa fa foana ilay fasana. Hitan’i Petera sy i Jaona tokoa fa foana ilay izy. Tena tian’ireo mpianatra ny hino fa velona i Jesosy, nefa hitany ho mahatalanjona loatra izany. Inona no hampiaiky azy ireo? —
Tatỳ aoriana dia niseho tamin’ny roa tamin’izy ireo nandeha teny an-dalana i Jesosy; niaraka tamin’izy ireo i Jesosy, niresaka taminy, avy eo dia tsy hita. Niseho tamin’i Petera koa izy.
Tamin’io andro io ihany, taoriana kely, dia nisy mpianatra maro tafavory tao amin’ny efitrano iray. Mihidy ireo varavarana, satria matahotra an’ireo mpisorona izy ireo. Tsitapitapitr’izay dia eo afovoan’izy ireo i Jesosy! Fantatr’izy ireo izao fa velona indray ilay Mpampianatra Lehibe. Alao sary an-tsaina ange ny fifalian’izy ireo e! — Matio 28:1-15; Lioka 24:1-49; Jaona 19:38 ka hatramin’ny 20:21.
Andro vitsivitsy tatỳ aoriana, dia nandao ny tany i Jesosy ary niverina ho any an-danitra, eo anilan’ny Rainy. Tsy ela ireo mpianatra dia nilaza tamin’ny rehetra fa
natsangan’Andriamanitra tamin’ny maty i Jesosy. Olona maro no nino ary tonga mpianatra.Nahasosotra an’ireo lohan’ny mpisorona izany ka nasainy nosamborina ireo apostoly. Hoy izy tamin’ireo: ‘Atsaharo ny fampianarana izany zavatra izany ny vahoaka!’ Nasainy nokapohina mihitsy aza izy ireo. Niala tamin’ny fitoriany ve izy ireo? Inona no ho nataonao? —
Tsy niala ireo apostoly, satria tsy natahotra intsony izy ireo. Vonona ny ho faty mihitsy aza izy ireo raha nilaina izany. Fantany fa nanangana an’i Jesosy tamin’ny maty Andriamanitra, ary hitany i Jesosy taorian’ny nitsanganany. Niaiky izy ireo fa afaka manangana azy ireo koa Andriamanitra raha maty tsy mivadika izy. — Asan’ny Apostoly 1:3-11; 5:40-42.
Endre ny tsy fitoviana amin’ny olona amin’izao andro izao! Rehefa resahina ny amin’ny fitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty, ny olona sasany dia tsy mieritreritra afa-tsy ny bitro sy ny atodin’ny Paka. Tsy miresaka ny amin’izany anefa ny Baiboly. Mananatra antsika izy mba hanompo an’Andriamanitra.
Afaka manahaka an’ireo mpianatr’i Jesosy isika ka miresaka amin’ny olona ny amin’ny asa mahatalanjona nataon’Andriamanitra izay nanangana ny Zanany tamin’ny maty. Sahala amin’i Jesosy, dia afaka mankato an’Andriamanitra isika. Ary raha maty noho ny fankatoavantsika an’Andriamanitra isika? — Aoka isika tsy hatahotra, satria ho afaka hanangana antsika amin’ny maty i Jehovah eo ambanin’ny Fanjakany araka ny rariny.
(Manome antsika fanantenana sy finoana mafy orina ny finoana ny nananganana an’i Jesosy tamin’ny maty. Hovakintsika ny 1 Korintiana 15:3-8, 20-23; Asan’ny Apostoly 2:22-36; 4:18-20.)