Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fitiavana Ireo Rahalahintsika sy Anabavintsika

Fitiavana Ireo Rahalahintsika sy Anabavintsika

Toko Faha-19

Fitiavana Ireo Rahalahintsika sy Anabavintsika

MANANA rahalahy sy anabavy (na anadahy sy rahavavy) firy ianao? — Ny sasany zanaka tokana. Raha manana rahalahy na anabavy (na anadahy na rahavavy) iray ianao, dia afaka ny ho velom-pankasitrahana.

Nataon’Andriamanitra ho afaka hahatsapa tena ho akaiky ny olona sasany indrindra isika. Mety hanana namana isika, kanefa amin’ny ankapobeny dia mifampihevitra bebe kokoa ny mpirahalahy sy ny mpianadahy (na mpirahavavy). Rehefa mahita fahasahiranana ny iray amin’izy ireo, dia mitondra ny fanampiany ny hafa. Moa ve tsy izany karazan-drahalahy sy anabavy (na anadahy sy rahavavy) izany no ho tianao hananana? —

Tsy manao ny tsara amin’ireo rahalahiny sy anabaviny (na anadahiny sy rahavaviny) daholo akory ny olona rehetra. Resahin’ny Baiboly amintsika ny amin’ny lehilahy iray namono ny rahalahiny. Fantatrao ve izy io? — I Kaina, zanak’ilay lehilahy voalohany.

Indray andro, dia naka vokatry ny taniny i Kaina ka nanatitra izany ho an’i Jehovah. Nanolotra fanatitra ho an’Andriamanitra, ny tsara indrindra tamin’ireo ondriny, koa i Abela rahalahiny. Nankasitraka ny fanatitr’i Abela Andriamanitra, fa tsy toy izany ny an’i Kaina.

Nahoana? — Tsy hoe satria hafa na zava-dehibe kokoa ny fanatitr’i Abela, dia ondry iray. Lazain’ny Baiboly amintsika fa afaka mamaky ny ao am-po Andriamanitra. Fantany ireo fihetseham-pontsika lalina indrindra.

Inona no hitany tao am-pon’i Kaina? — Tsy tena tia ny rahalahiny izy. Tsikaritr’i Kaina fa nankasitrahan’i Jehovah ny fanatitr’i Abela. Niezaka mba hiova anefa ve izy mba hanahafana ny rahalahiny? — Tsia. Tezitra izy.

Nilaza tamin’i Kaina i Jehovah fa tokony hiova fitondran-tena izy. Tsy nihaino anefa i Kaina. Raha tena tia an’Andriamanitra izy, dia ho nihaino, nefa tsy tia azy izy. Tsy tia ny rahalahiny koa izy.

Indray andro, dia nilaza toy izao tamin’i Abela izy: ‘Andeha isika ho any an-tsaha.’ Nisaintsaina ny ratsy tao am-pony i Kaina, nefa tsy fantatr’i Abela izany. Raha mbola irery tany an-tsaha izy ireo, dia namely mafy aoka izany ny rahalahiny i Kaina ka nahafaty azy. Tsy mahatsiravina ve izany? — — Genesisy 4:2-8.

Afaka manatsoaka lesona avy amin’izany isika. Inona izany? — “Izao no teny nampitondraina izay efa renareo hatramin’ny voalohany: tsy maintsy mifankatia isika, — tsy mba tahaka an’i Kaina, izay avy tamin’ilay ratsy”. Tokony hifankatia àry ny mpirahalahy sy ny mpianadahy (na ny mpirahavavy) ary tsy hitovy amin’i Kaina. — 1 Jaona 3:11, 12.

Nahoana no ho ratsy ny hanahafana an’i Kaina? — Satria lazain’ny Baiboly fa “avy tamin’ilay ratsy” izy. Nanahaka ny Devoly i Kaina, toy ny hoe io no rainy. Tsapanao ve izany?

Azonao ve hoe nahoana no zava-dehibe tokoa ny hitiavana ireo rahalahinao sy anabavinao (anadahinao sy rahavavinao)? — Raha tsy izany, ho karazana zanaka hanao ahoana ianao? — Ho zanaky ny Devoly. Tsy tianao izany, sa tsy izany? — Ahoana no azonao ampisehoana fa zanak’Andriamanitra ianao? — Amin’ny fitiavana amim-pahatsorana ireo rahalahinao sy anabavinao (na anadahinao sy rahavavinao).

Fa inona moa no atao hoe fitiavana? — Izany dia fihetseham-po anaty sy lalina izay manosika antsika hanao soa amin’ireo mpiara-belona amintsika. Raha tena tiantsika tokoa ny olona iray, handrasantsika ho izy ve no hanisy soa antsika voalohany? —

Tsy toy izany no ataon’Andriamanitra. Talohan’ny nitiavantsika azy, dia efa tia antsika izy. Tokony hanatsoaka lesona avy amin’izany isika: Alohan’ny hampisehoan’ny hafa fitiavana antsika, dia aoka isika hampiseho fa tia azy ireny isika.

Lazain’ny Baiboly amintsika fa ny Kristiana dia manana rahalahy sy anabavy (na anadahy sy ­rahavavy) maro hafa ankoatra ireo monina ao an-tranony. Fantatrao ve izy ireny? — Nanambara toy izao i Jesosy: ‘Na iza na iza manao ny sitrapon’ny Raiko Izay any an-danitra, dia izy no rahalahiko sy anabaviko.’ Izay rehetra manao ny sitrapon’Andriamanitra àry dia mpirahalahy sy mpianadahy (na mpirahavavy) ary mahaforona fianakaviambe iray. Fantatrao ve izany? — Matio 12:⁠50.

Tianao ve ireo rahalahinao sy anabavinao (na anadahinao sy rahavavinao) rehetra? — Tokony ho tia azy ireny isika, satria nilaza toy izao i Jesosy: ‘Ho fantatry ny olona rehetra fa mpianatro ianareo, raha mifankatia.’ Tokony hotiavintsika ireo rahalahintsika sy anabavintsika (na anadahintsika sy rahavavintsika) rehetra, fa tsy ny sasany ihany. — Jaona 13:⁠35.

Ahoana no azontsika ampisehoana aminy ny fitiavantsika amim-pahatsorana? — Tsy hihatakataka isika satria hoe tsy maniry hiresaka aminy. Ho malemy fanahy sy tsara fanahy amin’ny rehetra isika. Raha mahita fahasahiranana izy ireny, dia hampiantsika, satria mahaforona tena fianakaviana tokoa isika.

Rehefa tena tia tokoa ny rahalahintsika sy ny anabavintsika (na ny anadahintsika sy ny rahavavintsika) rehetra isika, inona no asehontsika? — Fa mpianatr’i Jesosy, ilay Mpampianatra Lehibe, isika. Tsy izany ve no irintsika? —

(Misy firesahana ny amin’ny fitiavan-drahalahy koa ao amin’ny 1 Jaona 4:8, 20, 21, sy ao amin’ny Galatiana 6:⁠10. Nahoana raha vakinao ireo andinin-teny ireo?)