Fitiavana ny Tranon’Andriamanitra
Toko faha-38
Fitiavana ny Tranon’Andriamanitra
FALY ve ianao rehefa asain’olona hisakafo any an-tranony isika? — Raha asaina ho any an-tranon’Andriamanitra isika, ho tonga any ve ianao? —
Hilaza angamba ianao fa tsy monina ao anaty trano iray Andriamanitra. Marina fa tsy monina ao amin’ny trano iray toy ny antsika izy.
Nanambara anefa ilay Mpampianatra Lehibe fa nanana “trano” Andriamanitra. Nankany tsy tapaka i Jesosy, na dia fony izy mbola ankizilahy kely aza. Ny tempoly kanton’i Jehovah tany Jerosalema io trano io. An’Andriamanitra io tempoly io ary natokana ho an’ny fanompoam-pivavahana aminy. Nantsoina hoe “tranon’i Jehovah” àry izy io.
Fony mbola ankizy i Jesosy dia nonina lavitra ny “tranon’i Jehovah”. Tamin’izany fotoana izany, dia tsy nisy aotomobilina na lamasinina. Dia an-tongotra no tsy maintsy natao mba hankanesana tany amin’ny tempoly. Tsy dia naharitra adiny iray akory izany. Avy eo amin’ny fonenan’i Jesosy, dia telo andro fara fahakeliny no nilaina mba hankanesana tany amin’ny tempoly ary toy izany koa rehefa miverina avy any. Mendrika ny hatao ve ny dia toy izany? Ho nandeha lavitra toy izany ve ianao mba handaniana fotoana sasany tao amin’ny “tranon’Andriamanitra”? —
Ireo olona tia ny “tranon’Andriamanitra” dia tsy nieritreritra hoe lavitra loatra izany. Isan-taona, ireo ray
aman-drenin’i Jesosy dia nankany Jerosalema mba hanao fanompoam-pivavahana, ary niaraka tamin’izy ireo i Jesosy.Indray taona izay, tamin’ny dia hody, dia tsy tafaraka tamin’ny fianakaviany intsony i Jesosy. Tsikaritra izany rehefa avy nandeha lavitra. Niverina nankany Jerosalema àry ireo ray aman-dreniny mba hitady an’i Jesosy. Araka ny hevitrao, taiza moa izy? —
Hitan’izy ireo tao amin’ny tempoly izy. Nihaino ireo mpampianatra sy nanontany azy ireo izy. Rehefa nanontany azy izy ireo, dia namaly i Jesosy. Talanjona izy ireo noho ireo valin-teniny tsara dia tsara.
Mazava ho azy fa ireo ray aman-drenin’i Jesosy ny ainy rehefa hitany indray izy. Tsy nanahy anefa i Jesosy. Fantany fa toerana tsara dia tsara ny tempoly. Nanontany azy ireo toy izao àry izy: “Tsy fantatrareo va fa tsy maintsy ho eto an-tranon’ny Raiko Aho?” Fantany fa “tranon’Andriamanitra” ny tempoly ka tiany ny nitoetra tao. — Lioka 2:41-49.
Tsy indray mandeha isan-taona fotsiny akory i Jesosy sy ireo ray aman-dreniny no nivory mba hivavaka tamin’Andriamanitra. Isan-kerinandro dia nisy fivoriana natao ho amin’izany tao amin’ny tanànan’izy ireo.
Tamin’ireny fivoriana ireny, dia nisy olona nitsangana sy namaky ny Baiboly. Tsy tamin’ny endriky ny boky tokana no nahitana azy io tamin’izany fa voasoratra teo amin’ny horonana maro. Nilaina àry ny namelatra iray tamin’izany teo amin’izay nisy ny andinin-teny hovakina. Nohazavaina izany taorian’ny namakiana azy. Milaza ny Baiboly fa ‘fanaon’i Jesosy’ ny nanatrika ireny fivoriana ireny. Milaza izany fa nankany tsy tapaka izy. — Lioka 4:16.
Tokony ho toy izany ny amintsika. Fa aiza moa ankehitriny ny “tranon’Andriamanitra”? Aiza no tokony hanolorantsika fanompoam-pivavahana ho an’Andriamanitra? —
Tsy misy intsony ny tempoly tany Jerosalema. Noravana izy io. Tsy afaka mankany àry isika.
Mbola manana “trano” ihany anefa Andriamanitra. Tsy vita amin’ny vato anefa izy io, fa olombelona no mahaforona azy. Ahoana no hetezan’izany? Toerana onenana ny trano iray. Milaza anefa Andriamanitra fa miaraka amin’ny vahoakany izy. Tsy mandao ny lanitra akory izy mba hahatongavana eto an-tany. Akaiky dia akaiky an’ireo mpanompony anefa izy, hany ka amin’ireo dia toy ny hoe miaraka aminy Andriamanitra. — 1 Petera 2:5; Efesiana 2:22; 1 Timoty 3:15.
Araka izany, rehefa mankany amin’ny “tranon’Andriamanitra” isika dia mankaiza? — Tokony ho any amin’izay ivorian’ny olon’Andriamanitra mba hanolotra fanompoam-pivavahana ho azy isika. Mety ho trano lehibe na kely izany. Mety ho ao an-tranon’olona koa izany. Ny zava-dehibe dia ny hoe mivory ao ny vahoakan’Andriamanitra. Ahoana no mety hahafantarana raha vahoakan’Andriamanitra izany? —
Inona no ataon’ireny olona tafavory ireny? Tena mampianatra tokoa izay voasoratra ao amin’ny Baiboly ve
izy ireny? Mamaky izany ve izy ireo ka miresaka ny amin’izany? Moa ve tsy amin’izany no ihainoantsika an’Andriamanitra? — Ary anefa, moa ve tsy manantena ny handre ny tenin’Andriamanitra isika ao amin’ny “tranon’Andriamanitra”? —Raha misy anefa olona milaza aminao fa tsy voatery hanaraka izay lazain’ny Baiboly ianao, moa ve izy ireny mahaforona ny vahoakan’Andriamanitra? —
Misy zavatra hafa koa. Milaza ny Baiboly fa tokony ho ‘olona hankalazana ny anarany’ ny vahoakan’Andriamanitra. Iza moa no anaran’Andriamanitra? — Jehovah. Afaka manontany an’ireny olona ireny isika raha i Jehovah no Andriamaniny. Raha toa izy ka mamaly hoe: “Tsia”, dia tsy mahaforona ny vahoakany izy izany. — Asan’ny Apostoly 15:14.
Tsy ampy anefa ny milaza fa i Jehovah no Andriamaniny. Ilaina ny porofo. Tokony hiresaka ny amin’Andriamanitra sy ny Fanjakany amin’ny mpiara-belona aminy ireny olona ireny. Tokony haneho finoana ny Zanany izy ireny ka hampiseho ny fitiavany an’Andriamanitra amin’ny fanarahana ireo didiny. — Isaia 43:10.
Fantatsika ve ny olona izay manao ireo zavatra ireo? — Raha izany no izy, dia tokony hiaraka aminy isika mba hanolotra fanompoam-pivavahana ho an’Andriamanitra, ary izany dia tsy tapaka. Tokony hihaino ireo izay mampianatra isika ka hamaly ireo fanontaniana lazaina. Izany no nataon’i Jesosy fony izy tao amin’ny “tranon’Andriamanitra”. Amin’izany dia hasehontsika fa tena tia ny “tranon’Andriamanitra” koa isika.
(Tokony ho tia ny hivory tsy tapaka miaraka amin’ny vahoakan’Andriamanitra isika. Hovakintsika ny Salamo 122:1; Hebreo 10:23-25.)