“Hiaraka Amiko ao Amin’ny Paradisa Ianao”
Toko Faha-44
“Hiaraka Amiko ao Amin’ny Paradisa Ianao”
TIA biby ve ianao? — Ho tianao ve ny hiara-milalao amin’ny liona na hanana fosa ho namana? —
Ho azo atao tsy ho ela izany. Horaisintsika ny Baibolintsika ka hiara-mijery izany isika.
Hovakintsika ny Isaia 11:6; izao no voalaza: “Ny amboadia hiara-mitoetra amin’ny zanak’ondry; ny leoparda hiara-mandry amin’ny zanak’osy; ary ny zanak’omby sy ny liona tanora sy ny ombikely mifahy hiray toerana, ary ny zazakely no hiroaka azy.”
Inona no hitranga amin’izao andro izao raha eo akaikin’ny zanak’ondry iray ny amboadia iray? — Tsy hohaniny ve izy io? — Ary raha eo akaikin’ny leoparda iray ny zanak’osy iray? — Hataony sakafo ilay zanak’osy.
Lazain’ny Baiboly fa hiova izany. Hataon’Andriamanitra izay hihinanan’ireo biby ireo ahitra fa tsy hifamonoany. Rehefa halemy fanahy ny biby, tsy hahafinaritra ve ny hanana liona ho namana? — Ho azo atao izany ao amin’ny paradisa.
Fantatrao ve ny atao hoe paradisa? — Zaridaina na saha kanto izany. Toeram-piadanana sy fahafinaretana izany.
Napetrak’Andriamanitra tao amin’ny paradisa iray i Adama, lehilahy voalohany, sy ny vadiny. Nantsoina
hoe zaridainan’i Edena izy io. Nisy biby maro tao, nefa tsy nifamono izy ireny. Nisy hazo namoa voa natsiro koa tao, ary nisy renirano iray. Toerana nahafinaritra izy io.Nafoin’i Adama sy i Eva anefa io paradisa io. Noho izy ireo tsy nankato an’Andriamanitra, dia tsy afaka niaina tao intsony izy ireo. Tsy misy intsony ny zaridainan’i Edena. Moa ve isika afaka manantena ny hiaina ao amin’ny paradisa iray? —
Talohan’ny hahafatesany teo amin’ny hazo fijaliana, dia niresaka ny amin’ny paradisa vaovao ilay Mpampianatra Lehibe. Vao avy niteny taminy toy izao ny lehilahy iray: “Jesosy ô, tsarovy aho rehefa hiditra ao amin’ny fanjakanao ianao.” Hoy ny navalin’i Jesosy azy: “Lazaiko aminao marina tokoa anio: Hiaraka amiko ao amin’ny paradisa ianao.” — Lioka 23:42, 43, NW.
Tsy nilaza akory i Jesosy hoe ho tafahaona ao amin’ny paradisa amin’io andro io ihany izy mirahalahy. Maty izy ireo ary nalevina tamin’io andro io ihany. Ny noresahin’i Jesosy kosa dia izay hitranga aorian’ny ‘hidirany ao amin’ny fanjakany’. Hisy paradisa indray, paradisa mandrakizay.
Aiza no hisy azy io? — Teto an-tany ilay paradisa voalohany. Ho eto an-tany koa ilay paradisa vaovao. Izany no antony nampianaran’i Jesosy antsika hivavaka mba hanaovana ny sitrapon’Andriamanitra eto an-tany. Rehefa tonga ny fotoana dia hanjary paradisa ny tany manontolo.
Hisy fiovana lehibe amin’izay. Hahasalama sy hadio ny rivotra, hahafinaritra ny hifoka azy. Ho tsara sy hangatsiatsiaka ny rano. Ho be dia be ny sakafo ka tsy
hisy olona ho noana. Ho sahala amin’ny saha ny tany manontolo. Ho hita ao ny vorona sy ny biby sy ny hazo ary ny voninkazo isan-karazany.Ny olona indrindra anefa no ho niova. Moa ve tsy ny olombelona no nandoto ny tany? — Miaina ao anatin’ny loto maharikoriko ny olona sasany ary mamela fako eny rehetra eny. Tsy ho toy izany anefa no ho hita ao amin’ny paradisa. Ho toerana hadio sy hahafinaritra izy io, Raha maniry hiaina ao amin’ny paradisa isika, moa ve tsy dieny izao no fotoana tokony hianarantsika ho madio? — Moa ve izany tsy fomba hampisehoana fa tena irintsika tokoa ny hahita ny tany ho tonga paradisa? —
Hiova koa ny olona amin’ny lafiny hafa. Ho toeram-pihavanana ny paradisa. Tsy tia fihavanana ny olona rehetra amin’izao fotoana izao. Ny sasany mitrerona ny hafa rehefa tsy mikapoka azy. Toy izany koa no ataony amin’ny Isaia 11:9.
biby. Mila ny mianatra miaina amim-pihavanana ireny olona ireny. “Tsy hisy handratra na hanimba” ao amin’ny paradisa. —Moa ve ianao tia fihavanana amin’ny hafa foana? — Raha tiantsika ny hiaina ao amin’ny paradisa, moa ve isika tsy tokony hianatra ny ho tia fihavanana? —
Hahafinaritra tokoa re izany hoe hiaina ao amin’ny paradisa izany! Mampanantena ny hanao zavatra mahatalanjona Andriamanitra. Hosokafantsika ny Baibolintsika ao amin’ny Apokalypsy 21:3, 4, ary hovakintsika izay voalaza ao: “Indro, ny tabernakelin’Andriamanitra dia eo amin’ny olona, ary Izy hitoetra eo aminy, ary ireo ho olony, ary Andriamanitra no hitoetra eo aminy, dia ho Andriamaniny. Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha.”
Tsapanao ve izany? Hiahy antsika Andriamanitra. Tsy hisy ranomaso vokatry ny loza intsony. Tsy hisy olona hahita fanaintainana ateraky ny aretina na ho voatokana ho amin’ny fahafatesana intsony. Izany no ho hitantsika ao amin’ny paradisa.
Tena irinao tokoa ve ny hiaina ao? — Izaho koa. Miankina amin’izay ataontsika isan’andro ny hahatongavantsika ao amin’io paradisa io. Raha tena irintsika tokoa ny hiaina ao amin’ny paradisa, dia izao no fotoana tokony hiomanantsika ho amin’izany.
(Ho tonga toerana fonenana mahafinaritra tokoa ho mandrakizay ny tany. Hovakintsika koa ny Salamo 104:5; 37:10, 11; Ohabolana 2:21, 22; Isaia 35:5, 6; Mika 4:3, 4.)