Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ilay Apostoly Tonga Mpangalatra

Ilay Apostoly Tonga Mpangalatra

Toko Faha-37

Ilay Apostoly Tonga Mpangalatra

EFA nisy naka ny zavatrao ve? — Inona no noeritreretinao? — Izay rehetra maka zavatr’olona dia mpangalatra, ary tsy misy olona tia ny mpangalatra.

Fantatrao ve fa tonga mpangalatra ny iray tamin’ireo apostolin’i Jesosy? — Jodasy Iskariota no anarany.

Fantany izay tsara. Na dia fony mbola ankizilahy kely aza izy, dia efa nandre famakiana ny Lalàn’Andriamanitra. Fantany fa taloha Andriamanitra dia niteny avy any an-danitra ary nilaza tamin’ny feo avo hoe: “Aza mangalatra.” Fantatr’i Jodasy fa ara-drariny ny Lalàn’Andriamanitra. — Eksodosy 20:⁠15.

Rehefa tonga lehibe izy dia tafahaona tamin’ilay Mpampianatra Lehibe ka nankamamy ny teniny. Tonga iray tamin’ireo mpianany izy. Tatỳ aoriana dia nifidy an’i Jodasy ho iray tamin’ireo apostoliny roa ambin’ny folo i Jesosy.

Niara-nandany fotoana betsaka i Jesosy sy ireo apostoliny. Niara-dia sy niara-nihinana izy ireo. Ny vola nilain’izy ireo dia notahirizina tao amin’ny vatakely iray nankinina tamin’i Jodasy.

Mazava ho azy fa tsy azy io vola io. I Jesosy no tokony hilaza taminy ny fomba hampiasana izany. Fantatrao ve anefa ny nataon’i Jodasy? Nanomboka naka ny vola izy, nefa tsy nomen-dalana hanao izany akory. Nanao izany izy rehefa tsy nijery azy ireo apostoly hafa. Tonga mpangalatra izy. Hatramin’izao, dia tsy nieritreritra afa-tsy ny vola izy ary nitady fomba hahazoana misimisy kokoa tamin’iza⁠ny.

Indray andro, dia nandraraka menaka tamin’ny tongotr’i Jesosy ny vehivavy iray mba hahamanitra azy. Nimenomenona i Jodasy ka nilaza fa ho azo natao ny nivarotra io menaka io ka amin’izany dia hahazo vola be kokoa hozaraina ho an’ny mahantra. Raha ny marina, dia naniry ny hanana vola misimisy kokoa tao amin’ny vatakely izy mba hangalarana izany. Ahoana no fiheveranao ny olona toy izany? — — Jaona 12:1-6.

Tsy nilaza avy hatrany tamin’i Jodasy i Jesosy fa hoe mpangalatra izy, fa niangavy azy kosa izy mba tsy hanorisory an’io vehivavy tena tsara fanahy io. Tsy tian’i Jodasy izany. Inona no hataony?

Tokony ho nibebaka izy, niaiky tamin’i Jesosy fa nangala-bola ka namerina izany. Tsy izany anefa no nataony fa nanao zavatra nahatsiravina izy.

Lasa nanatona ireo lohan’ny mpisorona, fahavalon’i Jesosy, izy. Naniry ny hisambotra an’i Jesosy izy ireo, saingy tiany ny hanao zavatra tamin’ny alina mba tsy hahitana azy. Hoy i Jodasy tamin’izy ireo: ‘Raha omenareo vola aho, dia hilaza aminareo ny fomba hisamborana an’i Jesosy. Ohatrinona no homenareo ahy?’ Hoy ny navalin’ireo mpisorona azy: ‘Homenay sekely volafotsy telopolo ianao.’ Vola be izany. — Matio 26:14-16.

Noraisin’i Jodasy, ilay lehilahy ratsy fanahy, ny vola. Toy ny hoe nivarotra ilay Mpampianatra Lehibe izy. Afaka maka sary an-tsaina zavatra toy izany ve ianao? — Izany no mitranga rehefa tonga mpangalatra ny olona iray. Tia ny vola mihoatra noho Andriamanitra izy.

Aoka ho azontsika tsara anefa ny amin’izany. Mba hahafantarana ny atao hoe mpangalatra, dia ilaina ny hahafantarana ny dikan’ny hoe manan-javatra. Misy olona manan-javatra sasany, satria niasa izy mba hahazoana izany. Na mety ho novidiny izany na nisy nanome azy.

Mahazo vola ny dadanao ho karama amin’ny asany. Azy ve izany vola izany? — Izany dia izany tokoa, satria niasa izy mba hahazoana azy. Tsy anao izany fa an’ny dadanao.

Amin’izany vola izany no ividianany ireo zavatra hita ao an-tranonareo. Azy ireo. Noho izany, dia manana zo izy hilaza hoe iza no afaka mampiasa izany ary raha azonao atao na tsia ny milalao amin’izany. Azo inoana koa fa avelany ho ny mamanao no hilaza izany aminao.

Indraindray ianao dia mandeha miara-milalao amin’ny ankizy hafa any an-tranony, sa tsy izany? — An’ny dadany ireo zavatra ao an-tranony. Ho tsara ve ny hakana zavatra ka hitondrana izany any ­an-tranonareo? — Tsia, raha tsy hoe nanome lalana anao hanao izany angaha ny dadany na ny mamany. Raha mitondra zavatra tsy nangatahana ianao, dia halatra izany.

Nahoana no mangalatra ny olona iray? — Mahita zavatra an’olon-kafa izy, ohatra, bisikilety iray. Arakaraka ny ijereny izany sy ieritreretany azy no aniriany azy io. Raha tsy maneho fitiavana izy, dia tsy hiraharaha izay tsapan’ny tompon’ilay bisikilety. Hikapoka azy io angamba izy mba hakana ilay bisikilety. Na koa, hiandry izy mba ho afaka haka izany tsy hisy hahita. Inona no ataony, raha ny marina? — Mangalatra izy.

Angamba tsy mahita azy mangalatra ny tompon’ilay bisikilety, kanefa misy mahita azy. Iza moa izany? — Jehovah Andriamanitra. Hitany fa mpangalatra io.

Na manan-javatra betsaka ilay iharam-pahavoazana na zavatra kely, dia tsy misy maha-samy hafa izany mihitsy. Ny sasany tonga ao amin’ny magazay iray ka mahamarika zavatra iray iriny indrindra eo amin’ireo zavatra maro aseho. Mety hilaza anakampo izy fa tsy hampaninona na iza na iza izay zavatra iray monja. Raisiny tsy misy fandoavam-bola àry ilay izy. Tsara ve izany? — Tsia, halatra izany.

Ireo izay manao toy izany dia mitovy amin’i Jodasy. Mpangalatra tokoa i Jodasy. Aoka isika hitandrina mba tsy hanao tahaka azy.

(Asehon’ny Baiboly mazava amintsika fa ratsy ny mangalatra; aoka hovakintsika ny Marka 10:17-19; Romana 13:⁠9; Efesiana 4:⁠28.)