Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ilay Fariseo Nidera Tena

Ilay Fariseo Nidera Tena

Toko Faha-36

Ilay Fariseo Nidera Tena

INONA no dikan’ny hoe midera tena? Fantatrao ve? —

Intỳ misy ohatra iray. Efa nanandrana nanao zavatra tsy hainao tsara ve ianao? Angamba nanandrana nisambotra baolina ianao. Mbola tsy nisy nilaza taminao mihitsy ve hoe: “Ha, ha! izaho no mahay kokoa.” — Nidera tena izy tamin’izay; nandoka tena izy.

Ahoana no fiheveranao izay manao toy izany? Tianao ve izany? — Araka ny hevitrao, inona no eritreretin’ny hafa rehefa midera tena ianao? — Tsara fanahy ve izay milaza amin’ny hafa hoe: “Tsara kokoa noho ianao aho”? — Tian’i Jehovah ve ireo izay manao toy izany? —

Nahalala olona nidera tena ilay Mpampianatra Lehibe. Indray andro, dia nolazainy tamin’izy ireo ny tantara momba ny Fariseo iray sy ny mpamory hetra iray.

Filoha ara-pivavahana niavonavona aoka izany ny Fariseo. Matetika izy ireny no nitondra tena toy ny hoe marina kokoa, masina kokoa noho ny hafa izy. Nankany amin’ny tempolin’Andriamanitra tany Jerosalema ilay Fariseo voalazan’ny tantara nambaran’i Jesosy, mba hivavaka.

Notantarain’i Jesosy fa mba nankany koa ny mpamory hetra iray mba hivavaka. Tsy tia ireo mpamory hetra ny ankamaroan’ny olona; nihevitra izy ireo fa fahavalony izy ireny. Marina fa tsy tena nanao ny marina ny mpamory hetra sasany.

Tao amin’ny tempoly, dia nanomboka nivavaka toy izao ilay Fariseo: ‘Andriamanitra ô, misaotra anao aho fa tsy mba mpanota tahaka ny hafa. Tsy mamitaka ny mpiara-belona amiko aho ary tsy manisy ratsy azy ireny. Tsy mba sahala amin’io mpamory hetra io aho. Olo-marina aho. Mifady hanina indroa isan-kerinandro aho, mba hananana fotoana misimisy kokoa hieritreretana anao. Omeko ho an’ny tempoly ny ampahafolon’izay azoko rehetra.’ Tena nino tokoa io Fariseo io fa marina izy, sa tsy izany? — Ary nolazainy tamin’Andriamanitra izany.

Tsy mba toy izany kosa anefa ilay mpamory hetra. Nieritreritra izy fa tsy ampy fahatsarana ny tenany mba hanatonana ny tempolin’Andriamanitra. Tsy niandrandra ny lanitra akory aza izy. Nijanona teny lavitra eny àry izy, niondrika. Nanenina noho ny fahotany izy ka niteha-tratra noho ny alahelo. Tsy nanandrana nilaza tamin’Andriamanitra ny amin’ny hatsaran’ny tenany izy fa nivavaka toy izao kosa: ‘Andriamanitra ô, manehoa hatsaram-po amiko mpanota.’

Araka ny hevitrao, iza tamin’ireo lehilahy roa ireo no nankasitrahan’Andriamanitra? Ilay Fariseo nidera tena, izay nihevi-tena ho tsara aoka izany, sa ilay mpamory hetra nanenina noho ireo fahotany? —

Hoy ny nambaran’i Jesosy: ‘Teo imason’Andriamanitra dia marina kokoa noho ilay Fariseo ilay mpamory hetra, satria izay rehetra manandrana mampino ny olona fa tsara kokoa noho ny hafa izy, dia haetry, fa izay manetry tena eo imason’ny tenany dia hasandratra.’ — Lioka 18:9-14.

Azonao ve ny lesona nomen’i Jesosy? — Nasehony fa ratsy ny mihevi-tena ho tsara kokoa noho ny hafa. Aoka hojerentsika ny fomba hampiharana io lesona io eo amin’ny fiainantsika.

Any an-tsekoly dia mety hisy fanontaniana vitsivitsy hatao ho anao sy ny ankizy hafa iray. Inona no hataonao raha afaka mamaly izany avy hatrany ianao fa ilay ankizy hafa kosa votsa kokoa? Mazava ho azy fa faly ianao mahalala ny valiny. Kanefa ho tsara fanahy ve ianao raha milaza amin’ilay mpianatra hafa hoe dondrona izy? — Ho tsara ve ny hampiharihariana ny tenanao amin’ny fanambaniana ilay mpianatra hafa? —

Izany no nataon’ilay Fariseo. Nidera tena ho tsara kokoa noho ilay mpamory hetra izy. Fantatr’ilay Mpampianatra Lehibe anefa fa diso izany.

Marina fa mety hahay kokoa noho ny iray hafa ny olona iray amin’ny fanaovan-javatra sasany. Tsara kokoa anefa ve izy na dia izany aza? —

Eritrereto ange. Ra­ha manana fahalalana sasany isika, tokony hidera tena noho izany ve isika? — Isika ve no nanao ny ­atidoha? — Tsia, Andriamanitra no nanome izany ny olombelona. Izay rehetra haintsika, dia nianarantsika. Novakintsika izany na nisy nilaza izany tamintsika. Na dia ny tenantsika ihany aza no nahazo ny hevitry ny zavatra iray, ahoana no netezan’izany? Tamin’ny fandinihana izay noforonin’Andriamanitra. Avy amin’olon-kafa izay rehetra ananantsika.

Ny sasany matanjaka be. Mahatonga azy ireny ho tsara kokoa ve izany? — Tsy ny tenany ihany no namorona ny vatany, sa tsy izany? — Andriamanitra no nanome nofo ho an’ny olona; izy no manome antsika ny sakafo mahatonga antsika ho afaka ny ho tonga matanjaka.

Misy manana antony tokony hiderana tena àry ve? Tsara kokoa noho ny hafa ve isika? — Tsy hilaza amin’ny hafa ny hatsarantsika isika fa moa ve tsy tokony holazaintsika amin’izy ireny kosa fa mahatalanjona aoka izany i Jehovah? — Izy tokoa no manome antsika fahafahana hanao ny zavatra araka ny tokony ho izy.

Rehefa miezaka hanao tsara araka izay azony atao ny olona iray, dia hiseho ho tsara fanahy ianao amin’ny filazana teny mahafinaritra aminy. Lazao aminy fa mankasitraka izay ataony ianao. Afaka manampy azy hanao tsaratsara kokoa angamba ianao. Tsy ho tianao ve ny hanaovan’ny hafa toy izany aminao? — Izao no nambaran’i Jesosy: ‘Araka izay tianareo hataon’ny hafa aminareo, dia mba ataovy aminy kosa.’ Fitsipika tsara dia tsara io, sa tsy izany? — — Lioka 6:⁠31.

Raha manao izany isika, dia tsy hidera tena mihitsy ary tsy hanao tahaka an’ilay Fariseo nidera tena.

(Tokony hariana ny fiavonavonana sy ny fiderana tena. Hovakintsika izay voasoratra ao amin’ny Ohabolana 16:5, 18; 1 Korintiana 4:⁠7; 13:⁠4.)