Ilay Lehilahy Maty Nandritra ny Efatra Andro
Toko Faha-16
Ilay Lehilahy Maty Nandritra ny Efatra Andro
TSY mahafinaritra ve ny miaina? Tianao ve ny fiainana? — Tiako koa. Afaka manao zavatra mahaliana be dia be isika mandritra ny androm-piainantsika!
Fantatrao ve anefa fa tsy misy olona velona mandrakizay mihitsy? — Na ho ela na ho haingana, dia maty ny rehetra. Mahalala olona efa maty ve ianao? —
Indray andro, dia maty ny naman’i Jesosy iray. Nonina tany Betania, tanàna kely any akaikin’i Jerosalema, izy io. Lazarosy no anarany ary nanana anabavy roa izy, dia i Marta sy i Maria.
Narary mafy tokoa àry i Lazarosy. Lavitra dia lavitra ny toerana nisy an’i Jesosy. Nampandre azy àry i Marta sy i Maria fa narary ny anadahin’izy ireo. Nahoana? Fantatr’izy ireo fa afaka nanasitrana azy i Jesosy. Tsy dokotera akory izy, kanefa nahazo fahefana avy amin’Andriamanitra hanasitrana ny aretina rehetra.
Talohan’ny nahatongavan’i Jesosy, dia nihamafy ny aretin’i Lazarosy ka maty izy. Nilaza tamin’ireo mpianany i Jesosy fa natory i Lazarosy ka handeha hamoha azy izy. Tsy azon’ireo ny tiany holazaina. Nilaza mivantana taminy àry i Jesosy fa maty i Lazarosy. Mitovy amin’ny torimaso lalina ny fahafatesana, saingy tsy misy nofy.
Nitsidika an’i Marta sy i Maria tamin’izay i Jesosy. Nisy namana maro tonga mba hampionona azy ireo noho ny nahafatesan’ny anadahiny.
Rehefa ren’i Marta fa tonga i Jesosy, dia nivoaka mba hitsena azy izy. Nankeo aminy koa i Maria. Niantoraka teo an-tongony izy, ory sy nitomany. Nisy namana nanaraka azy, nitomany koa. Rehefa nahita ireo olona nitomany rehetra ireo i Jesosy, dia nalahelo ka nitomany koa.
Nanontanian’ilay Mpampianatra Lehibe izay nisy an’i Lazarosy. Nentin’ny olona nankany amin’ny lava-bato nandevenana an’i Lazarosy izy. Hoy i Jesosy tamin’ireo lehilahy: ‘Esory ny vato eo amin’ny fidirana ho ao amin’ny zohy.’ Tokony hanao izany ve izy ireo? —
Noheverin’i Marta fa tsy tsara izany. Hoy izy: “Tompoko, maimbo izy izao, fa efa hefarana izay.” Marina fa maimbo ny faty rehefa afaka elaela.
Namaly azy toy izao anefa i Jesosy: “Tsy voalazako va fa raha hino hianao, dia ho hitanao ny voninahitr’Andriamanitra?” Te hilaza i Jesosy fa hahita zavatra izay hanome voninahitra an’Andriamanitra i Marta. Inona no hataon’i Jesosy?
Rehefa avy nakisaka ilay vato, dia nivavaka tamin’i Jehovah tamin’ny feo avo i Jesosy. Niteny mafy toy izao izy: “Ry Lazarosy, mivoaha!” Hivoaka ve izy? Afaka nanao izany ve izy? —
Afaka mamoha olona matory ve ianao? — Eny, raha miantso mafy azy ianao. Afaka mamoha olona maty iray ve anefa ianao? — Tsia. Tsy handre izy, na dia antsoinao mafy aza. Tsy mahay mamoha ny maty isika.
Hafa noho izany ny amin’i Jesosy. Nandray fahefana manokana avy tamin’Andriamanitra izy. Rehefa niantso an’i Lazarosy izy, dia nisy zavatra nahagaga nitranga. Nivoaka avy tao amin’ny zohy ilay lehilahy maty hatramin’ny efatra andro. Novelomina indray izy! Azony natao indray ny niaina sy nandeha ary niresaka! Vao avy nanangana azy i Jesosy taorian’ny efatra andro tao am-pasana! Tsy mahagaga ve izany? — — Jaona 11:1-44.
Kanefa, hanontany angamba ianao hoe taiza i Lazarosy nandritra ireo efatra andro ireo? Tany an-danitra ve izy? Velona teo anilan’Andriamanitra sy ireo anjely masina ve izy? —
Mieritrereta kely ange: Raha nijanona tany an-danitra i Lazarosy nandritra ireo efatra andro ireo, moa ve tsy ho niresaka ny amin’izany izy? — Raha tany an-danitra izy, moa ve i Jesosy ho namerina azy avy any amin’io toerana mahafinaritra io? — Tsy milaza izany ny Baiboly.
Tadidio fa, araka ny filazan’i Jesosy, dia natory i Lazarosy. Inona no mitranga rehefa matory ianao? —
Rehefa rendriky ny torimaso lalina dia lalina ianao, dia tsy fantatrao izay mitranga manodidina anao, sa tsy izany? — Rehefa mifoha ianao, dia tsy fantatrao
hoe naharitra toy inona ny fatorianao, raha tsy rehefa mijery famantaranandro ianao.Toy izany koa ho an’ny maty. Tsy mahalala na inona na inona sy tsy mahatsapa na inona na inona izy ireny. Tsy afaka manao na inona na inona izy ireny.
Misy olona matahotra ny maty. Tsy mankeny akaikin’ireo toeram-pandevenana izy ireny, satria heveriny fa mety hanisy ratsy azy ireo maty. Ahoana ny hevitrao? Afaka mandratra olona velona ve ny maty iray? — Tsia, milaza ny Baiboly fa tsy afaka manao na inona na inona mihitsy ny maty.
Efa mba renao nisy olona nilaza ve fa miverina mitsidika ireo velona amin’ny endriky ny avelo ny maty? — Misy mino izany. Manokana sakafo ho an’ny maty izy ireny na mandamina fisakafoana manokana amin’ireo andro ireo. Heverinao ve anefa fa tena mino izay ambaran’Andriamanitra momba ny maty ireny olona ireny? —
Inoanao ve izay lazain’Andriamanitra? — Raha izany no izy, dia tsy hatahotra ny maty isika, kanefa ho faly satria velona. Raha tena mankasitraka an’Andriamanitra tokoa isika noho ny fiainana, dia hasehontsika amin’ny fitondran-tenantsika isan’andro izany. Hanao izay ankasitrahan’Andriamanitra isika.
(Mba hampifanoherana ny fahasambarana miaina sy ny toetran’ny maty, dia vakio ny Mpitoriteny 9:5, 10; Ezekiela 18:4; Salamo 115:17.)