Ilay Lehilahy Nanadino An’Andriamanitra
Toko Faha-22
Ilay Lehilahy Nanadino An’Andriamanitra
NOHO ny fahafantarana ny fahendrena lehibe dia lehibe nananan’i Jesosy, dia nanatona azy ny lehilahy iray ka nilaza taminy hoe: ‘Mpampianatra ô, ilazao ny rahalahiko mba hanome ahy ampahany amin’izay ananany.’ Nihevitra izy io fa nanana zo hanao izany.
Raha teo amin’ny toeran’i Jesosy ianao, inona no ho navalinao? — Azon’i Jesosy fa nanan-java-nanahirana ilay lehilahy; tsy nila ireo zavatra nananan’ny rahalahiny anefa izy. Tsy fantany izay tena zava-dehibe eo amin’ny fiainana.
Nolazain’i Jesosy taminy àry ny tantaran’ny lehilahy iray izay nanadino an’Andriamanitra. Ho tianao ve ny hahalala izany? —
Nanana tany sy fitahirizam-bokatra ny lehilahy nanankarena be iray. Tondraka aoka izany ny vokatra. Tsy nanana toerana ampy mba hampidirana izany izy. Inona no hataony?
Niteny anakampo toy izao ilay lehilahy nanankarena: ‘Horavako ireo trano fitahirizako ka hanorina lehibe kokoa aho. Rehefa avy eo, dia hangoniko ao ny variko rehetra sy ny zavatra rehetra ananako.’
Nihevitra ny tenany ho hendry sy tena kinga izy tamin’ny fitahirizana fananana maro. Hoy izy anakampo: ‘Manana zavatra tsara be dia be voatahiry ho
amin’ny taona maro aho. Afaka manao izay hampiadana ny tenako aho izao, afaka mihinana sy misotro ary mifaly.’Nisy zavatra tsy nety anefa tamin’ny fanjohian-keviny. Inona izany? — Tsy nieritreritra afa-tsy ny tenany sy ny fahafinaretany izy. Hadinony anefa Andriamanitra.
Koa niteny taminy toy izao Andriamanitra: ‘Ry lehilahy adala, ho faty ianao anio alina. Ho an’iza àry ireo zavatra nangoninao?’
Ho afaka hampiasa ireo fananany ve io lehilahy io aorian’ny hahafatesany? — Tsia; olon-kafa no handray soa amin’izany. Nanampy teny toy izao i Jesosy: “Toy izany izay mihary harena ho an’ny tenany ihany, nefa tsy mba manan-karena ny amin’Andriamanitra.” — Lioka 12:13-21.
Tsy tianao ny hitovy amin’io lehilahy nanankarena io, sa tsy izany? — Tsy nieritreritra afa-tsy ny hanangona fananana ara-nofo izy. Fahadisoan-kevitra izany. Naniry hahazo bebe kokoa ihany tamin’izany izy.
Olona maro be no manahaka an’io lehilahy io. Maniry hahazo bebe kokoa ihany amin’izany izy. Miteraka zava-manahirana lehibe ho azy ireny anefa izany.
Haka ohatra iray isika. Manana kilalao ianao, sa tsy izany? — Lazao ahy hoe inona avy izany. —
Raha toa ny iray amin’ireo namanao ka manana aotomobilina kely, saribakoly, na kilalao hafa tsy anananao, ho tsara ve ny hanandramana haka izany aminy? —
Indraindray dia mety hoheverinao ho zava-dehibe erỳ ny kilalao iray. Inona anefa no mitranga rehefa afaka
elaela? — Mihasimba ilay izy; ailika ilay izy ary tsy tianao intsony mihitsy aza. Raha ny marina, dia misy zavatra sarobidy kokoa noho ny kilalao iray. Inona izany? — Ny ainao; ary mba hitanana azy, moa ve tsy tokony hanao izay hahafaly an’Andriamanitra ianao? — Aza manahaka an’ilay lehilahy nanankarena sady adala àry.Tsy ny ankizy ihany akory no manao tahaka azy. Olon-dehibe maro be no manao toy izany. Misy maniry foana hahazo betsaka kokoa noho izay ananany. Manana sakafo sy fitafiana ary fonenana izy ireny, nefa maniry hahazo bebe kokoa ihany. Tiany ny hanana fitafiana be dia be sy trano lehibe iray. Lafo be izany. Miasa mafy àry izy ireny mba hahazoana vola; arakaraka ny ananany amin’izany anefa no aniriany hahazo misimisy kokoa.
Miasa mafy dia mafy ny olona sasany, hany ka tsy manam-potoana hiarahana amin’ny fianakaviany intsony sy hieritreretana an’Andriamanitra. Afaka mitana azy ho velona ve ny volan’izy ireny? — Tsia; Andriamanitra ihany no afaka manao izany. Rehefa maty izy
ireny, ho azony atao ve ny hampiasa ny volany? — Tsia, satria tsy afaka manao na inona na inona ny maty.Ratsy àry ve ny manam-bola? — Tsia. Afaka mividy sakafo sy fitafiana isika. Milaza ny Baiboly fa fialokalofana ny vola. Kanefa, raha “tia” vola isika, dia hahita fahasahiranana. Hitovy amin’io lehilahy nanankarena sady adala io, izay nihary harena ho an’ny tenany fa tsy mba nanankarena raha ny amin’Andriamanitra, isika. — Mpitoriteny 7:12.
Nilaza ilay Mpampianatra Lehibe fa adala ilay lehilahy nanankarena satria tsy mba ‘nanankarena ny amin’Andriamanitra’. Inona no dikan’ny hoe ‘manankarena ny amin’Andriamanitra’? — Mametraka an’Andriamanitra eo amin’ny toerana voalohany eo amin’ny fiainantsika. Misy mihambo ho mino an’Andriamanitra. Mamaky ny Baiboly mihitsy aza izy ireny indraindray ary mieritreritra fa ampy izany. Kanefa moa ve tena ‘manankarena ny amin’Andriamanitra’ tokoa izy ireny? —
Tsy kely ny vola ananan’ny olona manankarena iray fa betsaka. Raha ‘manankarena ny amin’Andriamanitra’ ny olona iray, dia feno hevitra momba an’Andriamanitra ny fiainany. Tiany ny miresaka aminy matetika sy ny manao foana izay lazainy aminy. Mandany ny fotoanany hiarahana amin’ireo izay tia an’Andriamanitra izy.
Toy izany ve isika? ‘Manankarena ny amin’Andriamanitra’ ve isika? — Ho toy izany isika raha tena manaiky hampianarin’ilay Mpampianatra Lehibe.
(Mampiseho amintsika ny fihetsika tsara tokony harahina eo anoloan’ny fananana ara-nofo ireto andinin-teny manaraka ireto: 1 Timoty 6:6-10; Ohabolana 23:4; 28:20; Hebreo 13:5.)