Ilay Mpanompo Tsy Namela Heloka
Toko Faha-15
Ilay Mpanompo Tsy Namela Heloka
EFA nisy nanisy ratsy anao ve? — Nandratra anao ve izy sa nilaza zavatra nahasosotra? — Azo antoka fa nalahelo ianao, sa tsy izany? —
Rehefa mitranga ny zavatra toy izany, moa ve ianao tokony hamaly ratsy? — Olona maro be no manao toy izany.
Nanambara anefa ilay Mpampianatra Lehibe fa tokony hamela ireo izay manisy ratsy antsika isika. Mba hampisehoana ny maha-zava-dehibe ny famelan-keloka, dia nilaza tantara iray i Jesosy. Ho tianao ve ny handre izany? —
Indray mandeha, hono, dia nisy mpanjaka tsara fanahy dia tsara fanahy iray. Nampisambo-bola an’ireo mpanompony mihitsy aza izy rehefa sahirana ireo.
Indray andro anefa dia naniry hampamerina ny volany ilay mpanjaka. Nampiantsoiny àry ireo mpanompony nananany vola ka nasainy namerina izany taminy. Tokony handoa vola enimpolo tapitrisa tamin’ny mpanjaka anefa ny lehilahy iray! Vola be dia be izany, betsaka lavitra noho izay efa nananako.
Lanin’ilay mpanompo ny volan’ny mpanjaka ary tsy nanana na inona na inona hamerenana izany izy. Koa nanome baiko ny mpanjaka mba hivarotana azy mbamin’ny vady aman-janany sy ny fananany rehetra. Handoavana ny volan’ny mpanjaka izay azo amin’izany, rehefa avy eo. Araka ny hevitrao, inona no nataon’ilay mpanompo? —
Niangavy an’ilay mpanjaka toy izao izy: ‘Miangavy aminao re aho e, aza manao izany amiko. Omeo fotoana misimisy kokoa aho, dia haveriko izay rehetra tokony haloako aminao.’ Inona no ho nataonao raha ianao no teo amin’ny toeran’ilay mpanjaka? —
Nalahelo mafy an’ilay mpanompony ilay mpanjaka tsara fanahy. Noho izany, dia nilaza taminy izy fa tsy hitaky ny hamerenany aminy, na dia iray monja aza tamin’ireo vola enimpolo tapitrisa. Toy inona moa ny hafalian’ilay mpanompo!
Inona anefa no nataon’izy io taorian’izany? Lasa izy nitady mpanompo hafa iray izay tokony handoa aminy vola zato monja. Tsinontsinona izany raha oharina amin’ny vola enimpolo tapitrisa. Noraisin’ilay lehilahy tamin’ny tendany ilay mpanompo namany, tamin’ny filazana taminy hoe: ‘Avereno amiko ny vola zato tokony haloanao amiko.’
Afaka maka sary an-tsaina ny lehilahy iray ho afaka hanao toy izany ve ianao? — Nandray soa tamin’ny fanafoanan’ilay mpanjaka tsara fanahy trosa lehibe dia lehibe ilay mpanompo. Indro anefa izy izao fa nitaky ny hamerenan’ny mpanompo namany iray taminy vola zato. Tsy fananana hatsaram-po re izany!
Nahantra ilay mpanompo nananany vola zato monja. Tsy afaka namerina izany avy hatrany izy. Niantoraka teo an-tongotr’ilay namany izy ka nitalaho taminy hoe: ‘Miangavy anao re aho e, omeo fotoana misimisy kokoa aho, dia haveriko izay tokony haloako aminao.’ Tokony ho nanaiky ve ilay lehilahy? — Izany ve no ho nataonao? —
Tsy tsara fanahy tahaka ilay mpanjaka anefa io lehilahy io. Koa satria tsy afaka nandoa izany avy hatrany ilay mpanompo namany, dia nasainy nampidirina tany an-tranomaizina. Tsy namindra fo izy.
Nisy mpanompo hafa nahita ilay fisehoan-javatra ka nitantara izany tany amin’ny mpanjaka. Tezitra mafy tamin’ilay mpanompo nanao an-dolom-po ilay mpanjaka. Nampiantsoiny izy io ka nilazany hoe: ‘Ry mpanompo ratsy fanahy, moa ve tsy nofoanako ny trosa rehetra tokony haloanao amiko? Moa ve tsy mba tokony ho nanafoana ny an’ny namanao koa ianao?’
Tokony ho naka lesona avy amin’ny fihetsik’ilay mpanjaka tsara fanahy izy, kanefa tsy nanao izany. Noho izany antony izany, dia nasain’ilay mpanjaka nampidirina tany an-tranomaizina ilay mpanompo tsy namindra fo, mandra-pandoany ny vola enimpolo tapitrisa. Koa satria tany an-tranomaizina io, dia mazava ho azy fa tsy ho afaka hahazo mihitsy ny vola nilaina mba handoavana ny trosany. Hijanona any mandra-pahafatiny àry izy.
Teo am-pifaranan’io tantara io, dia hoy i Jesosy tamin’ireo mpianany: “Tahaka izany koa no hataon’ny Raiko Izay any an-danitra aminareo, raha tsy samy mamela ny rahalahinareo amin’ny fonao avy hianareo.” — Matio 18:21-35.
Manana trosa be dia be tokony haloa amin’Andriamanitra daholo isika rehetra. Avy amin’Andriamanitra ny aintsika, kanefa noho isika manao zavatra ratsy, dia afaka maka izany amintsika izy. Tsy ho afaka hahazo vola ampy mihitsy isika mandritra ny androm-piainantsika manontolo
mba hamerenana amin’Andriamanitra izay rehetra tokony haloantsika aminy.Rehefa heverintsika ny trosa tokony haloantsika amin’Andriamanitra, dia zavatra kely dia kely monja no tokony haloan’ny mpiara-belona amintsika amin’ny tenantsika. Azo ampitahaina amin’ny vola zato tokony haloan’ilay mpanompo tamin’ny namany ny trosa tokony haloan’izy ireny amintsika. Izay tokony haloantsika amin’Andriamanitra kosa dia azo ampitahaina amin’ireo vola enimpolo tapitrisa tokony haloan’ilay mpanompo voalohany tamin’ny mpanjaka.
Tsara fanahy dia tsara fanahy Andriamanitra. Na dia nanao zavatra ratsy aza isika, dia hamela antsika izy. Tsy hampandoa ny trosantsika amin’ny fakana ny aintsika ho mandrakizay izy. Tsy hamela antsika anefa izy raha tsy mino an’i Jesosy Zanany isika ka mamela ny hafa noho ny ratsy mety hataony amintsika. Tokony hieritreritra izany isika, sa tsy izany? —
Noho izany, raha misy manisy ratsy anao, kanefa manambara ny fanenenany rehefa avy eo, inona no hataonao? Hamela azy ve ianao? — Ary raha miverimberina imbetsaka izany, mbola hamela azy ihany ve ianao? —
Raha teo amin’ny toeran’ilay nangataka ny havela heloka isika, moa ve tsy ho tiantsika ny havela heloka? — Tokony hanao toy izany àry isika. Tsy tokony hianina amin’ny filazana hoe mamela azy isika, fa tokony tena hamela marina amin’ny fontsika koa. Amin’ny fanaovana toy izany, dia hasehontsika fa tena maniry ny ho mpianatr’i Jesosy tokoa isika.
(Mba hanasoritana ny maha-zava-dehibe ny hamindrana fo, dia vakio koa ny Matio 6:14, 15; Lioka 17:3, 4; Ohabolana 19:11.)