Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ilay Nanao ny Zavatra Rehetra

Ilay Nanao ny Zavatra Rehetra

Toko Faha-3

Ilay Nanao ny Zavatra Rehetra

MAHAFANTATRA zavatra mahatalanjona aho. Ho tianao ve ny hahalala hoe inona izany? — Jereo ny tananao. Aforeto ny rantsantananao. Mandraofa zavatra izao. Afaka manao zavatra be dia be ny tananao. Iza no nanao ny tanana? — Andriamanitra.

Jereo izao ny tarehiko. Inona no hitanao? — Ny vavako sy ny oroko ary ireo masoko roa. Ahoana no ahafahanao mahita azy ireo? — Noho ireo masonao. Iza no nanao azy ireo? — Andriamanitra. Tsy mahatalanjona ve? —

Noho ireo masonao, dia afaka mandinika amim-pahafinaretana ny voninkazo sy ny vorona sy ny ahitra maitso ary ny lanitra manga ianao.

Fa iza no nanao ireo zavatra rehetra ireo? — Ny olombelona ve? — Tsia. Afaka manorina trano izy, nefa tsy mahay manao ahitra, vorona na voninkazo. Fantatrao ve izany? —

Andriamanitra no nanao ireo zavatra rehetra ireo. Namorona ny lanitra sy ny tany mbamin’ny olombelona izy. Namorona ny lehilahy voalohany sy ny vehivavy voalohany izy. Izany no nampianarin’i Jesosy, ilay Mpampianatra Lehibe. — Matio 19:4-6.

Ahoana no nahafantaran’i Jesosy fa nanao ny lehilahy sy ny vehivavy Andriamanitra? Nahita azy nanao izany ve izy? — Eny; niaraka tamin’Andriamanitra i Jesosy fony izy namorona azy ireo. I Jesosy no olona voalohany noforonin’Andriamanitra. Anjely izy, niaina sy niasa tany an-danitra niaraka tamin’ny Rainy.

Araka ny filazan’⁠ny Baiboly, dia hoy A­ndria­manitra: “Andeha isika hamorona olona tahaka ny endritsika.” Fantatrao ve hoe tamin’iza no niresahan’Andriamanitra? — Tamin’ny Zanany, izay ho avy tetỳ an-tany tatỳ aoriana, ka ho tonga ilay Mpampianatra Lehibe, no nitenenany. — Genesisy 1:26.

Ahitana taratry ny fitiavany izay rehetra nataon’Andriamanitra. Namorona ny masoandro izay manome fahazavana sy hafanana ho antsika izy. Raha tsy nisy masoandro, dia ho namanala daholo ny zavatra rehetra ary tsy ho nisy fiainana mihitsy teto an-tany. Tsy mahafaly anao ve ny nanaovan’Andriamanitra ny masoandro? —

Namorona ny orana koa Andriamanitra. Tsy tianao indraindray ny orana, satria misakana anao tsy hilalao any ivelany. Mampaniry ny voninkazo anefa izy io.

Rehefa mandinika amim-pahafinaretana ireny voninkazo ireny isika, iza no tokony hisaorana? — Andriamanitra. Iza no tokony hisaorantsika rehefa mihinana voankazo tsara tarehy sy legioma tsara isika? — Andriamanitra, satria noho ny masoandrony sy ny orana no nahafahan’izy ireny naniry. Tena tsara fanahy tokoa Andriamanitra namorona ireny zavatra mahatalanjona rehetra ireny.

Fantatrao ve hoe aiza no misy an’Andriamanitra? — Ampahafantarin’ny Baiboly antsika fa monina any an-danitra izy.

Afaka mahita an’Andriamanitra ve ianao? — Tsia. Hoy ny Baiboly: ‘Tsy misy olona afaka mahita an’Andriamanitra’. Tsy misy afaka manao ny sariny àry. Milaza amintsika izy mba tsy hanandrana hanao izany akory aza. Tsy tokony hanana sary toy izany ao an-tranontsika àry isika, sa tsy izany? — — Eksodosy 33:20; 20:4, 5.

Kanefa, raha tsy afaka mahita an’Andriamanitra ianao, ahoana no mety hahafantaranao raha tena misy tokoa izy? — Eritrereto ange! Afaka mahita ny rivotra ve ianao? — Tsia, tsy misy olona afaka mahita izany. Afaka mahatsapa ny vokany anefa ianao. Ohatra, rehefa mitsoka ao amin’ireo rantsankazo izy, dia mihetsiketsika ireo ravinkazo. Mino àry ianao fa misy ny rivotra.

Afaka mahita ireo zavatra nataon’Andriamanitra ianao. Rehefa mijery voninkazo iray na vorona iray ianao, dia mahita zavatra noforonin’Andriamanitra. Mino àry ianao fa misy tokoa Andriamanitra.

Mety hisy olona hanontany anao hoe: “Iza no namorona ny masoandro sy ny tany?” Ahoana no havalinao? — Nanao azy ireo Andriamanitra. Hoy ny Baiboly: “Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany”. — Genesisy 1:⁠1.

Inona no holazainao raha misy manontany anao hoe: “Namorona ny olombelona sy ny biby koa ve Andriamanitra?” — “Nanao ny olombelona sy ny biby Andriamanitra. Namorona ny vorona koa izy.” Manantitrantitra toy izao ny Baiboly: ‘Nanao ny zavatra rehetra Andriamanitra’. — Efesiana 3:⁠9.

Hilaza aminao angamba ny olona iray fa tsy mino an’Andriamanitra izy. Ahoana no havalinao azy? — Asehoy azy ny trano iray dia anontanio toy izao izy: “Iza no nanorina an’io trano io?” Olona. Tsy ny tenany ihany no nanao azy irery teo, sa tsy izany? —

Rehefa avy eo, dia ento any an-jaridaina io olona io ka asehoy azy ny voninkazo iray. Anontanio toy izao izy: “Iza no nanao an’io?” Tsy olona akory. Sahala amin’ilay trano, dia tsy ny tenany ihany koa no nanao irery io voninkazo io. Nisy namorona azy: Andriamanitra.

Asaivo mijanona ilay olona mba hihaino ny hiran’ny vorona iray. Anontanio toy izao izy: “Iza no nanao ny vorona sy nampianatra azy ireo hihira?” Andriamanitra. Izy no nanao ny lanitra sy ny tany ary ny zavaboary velona rehetra. Izy no manome ny fiainana.

Mahafinaritra ny miaina. Afaka mandre ny hiram-borona mahafinaritra sy mandinika amim-pahafinaretana ny voninkazo mbamin’ny zavatra hafa rehetra noforonin’Andriamanitra isika. Afaka mihinana ny sakafo nomen’Andriamanitra antsika koa isika.

Tokony hisaotra an’Andriamanitra isika noho izany rehetra izany, ary indrindra fa noho ny nanomezany antsika ny fiainana. Raha tena mankasitraka azy tokoa isika, dia hanao zavatra. Inona àry? Hihaino an’Andriamanitra isika ary hanompo azy mifanaraka amin’ny sitrapony voambara ao amin’ny Baiboly. Hasehontsika amin’izany fa tia an’ilay nanao ny zavatra rehetra isika.

(Asehon’ireto andinin-teny ireto ny fomba hisaorana an’Andriamanitra noho izay rehetra nataony: Salamo 139:14; Apokalypsy 4:11; Jaona 4:23, 24; 1 Jaona 5:21.)