Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ireo Izay Mifidy ny Toerana Tsara Indrindra

Ireo Izay Mifidy ny Toerana Tsara Indrindra

Toko Faha-25

Ireo Izay Mifidy ny Toerana Tsara Indrindra

MISY maniry foana ny hahazo ny zavatra tsara indrindra ho azy irery. Alainy àry izany, alohan’ny hahafahan’ny hafa manao izany. Voamarikao ve izany? — Voamariko koa.

Ohatra, tao amin’ny fisakafoana iray, dia nampandalovina ny lovia be fandrosoan-tsakafo nisy mofomamy matsiro. Rehefa nalefa nanodidina ny latabatra ilay lovia be, dia nifidy tamim-pitandremana ny mofomamy lehibe indrindra ny tsirairay. Heverinao ve fa tsara izany? —

Nahita zavatra hafa koa aho. Nisy ray aman-dreny nitondra ireo zanany mba hitsidika namana iray. Rehefa tonga tao an-tranony izy ireo, dia nifandrombaka nipetraka teo amin’ny seza tsara indrindra ireo ankizy. Tsara ve izany? —

Fony teto an-tany ilay Mpampianatra Lehibe, dia nisy zavatra sahala amin’izany nitranga. Nasaina tao an-tranon’ny Fariseo nanan-daza iray izy. Maro ny nasaina. Voamarik’i Jesosy fa rehefa tonga izy ireny, dia nifidy ireo toerana tsara indrindra teo amin’ny lohan-databatra. Naniry hitana toeram-boninahitra izy ireny. Ho tianao ve ny hahalala izay nolazain’i Jesosy taminy? —

Nolazainy taminy ny tantara iray nirakitra torohevitra tsara dia tsara ho an’ireo nasaina ireo, dia torohevitra mbola tsara ho antsika amin’izao andro izao koa.

Nanambara toy izao i Jesosy: ‘Mety hisy hanasa anao ho any amin’ny fanasana amin’ny fampakaram-bady. Rehefa mankany ianao, dia aza maka ny toerana miavaka indrindra. Angamba nasaina koa ny olona be voninahitra kokoa noho ianao. Ho avy ilay mandamina ny fanasana ka hilaza aminao hoe: “Omeo an’io olona io ny toeranao.” Ho menatra ianao amin’izay rehefa handeha ho any amin’ny toerana any aoriana indrindra, ho hitan’ny olona rehetra.’

Nirin’i Jesosy ny hampiseho ny fomba tsara fanaovan-javatra. Nanampy teny toy izao àry izy:

‘Rehefa misy manasa anao, dia mandehana eo amin’ny toerana any aoriana indrindra, ka rehefa ho tonga ilay nanasa anao, dia hilaza aminao izy hoe: “Ry sakaiza, manana toerana tsaratsara kokoa ho anao izahay!” Amin’izay, rehefa hankeo amin’io toerana tsaratsara kokoa io ianao, dia homem-boninahitra eo anoloan’ny rehetra.’ — Lioka 14:1-11.

Azonao ve ny lesona avy amin’io tantara io? — Haka ohatra iray isika mba hahitana raha azonao. Aoka hatao hoe nasaina hisakafo any an-tranon’olona isika. Haka ny fitoerana tsara indrindra ve ianao? Sa havelanao ho an’olon-kafa ilay toerana tsara indrindra? — Araka ny hevitrao, inona no irin’i Jesosy ho hita hataonao? —

Haka ohatra hafa iray isika. Raha miakatra ao anaty aotobisy feno hipoka ianao, hifandrombaka mba hahazo toerana mipetraka ve ianao ka hamela hitsangana ny olona be taona iray? — Irin’i Jesosy ve ny hanaovanao toy izany? —

Hisy hilaza angamba fa tsy miahy loatra ny amin’izay ataontsika i Jesosy. Mino izany ve ianao? — Rehefa nanatrika tao amin’ilay fanasana, tao an-tranon’ny Fariseo, i Jesosy, dia nodinihiny ny hoe fitoerana inona no nofidin’ireo nasaina. Tsy heverinao ve fa mihevitra toy izany koa izay ataontsika amin’izao andro izao izy? — Any an-danitra izy izao, noho izany, dia tsara toerana kokoa mba handinihana antsika.

Rehefa manandrana mitana ny toerana tsara indrindra ny tsirairay, dia mety hiteraka fahasahiranana izany. Mitranga izany indraindray rehefa misy ankizy miara-mitsangantsangana amin’ny aotomobilina. Raha vao mivoha ny varavarana, dia mifandrombaka ny tsirairay mba hahazo ny toerana tsara indrindra, eo akaikin’ny varavaram-pitaratra. Avy hatrany dia velona ny fifandirana. Misafoaka izy ireo satria samy mitady hahazo ny toerana tsara indrindra.

Mitranga koa izany rehefa misy ankizy manao baolina. Vao eo am-boalohany dia efa mifanditra izy ireo mba hahafantarana hoe iza no handaka voalohany ilay baolina. Tsy mampalahelo ve izany? —

Amin’ny fitadiavana ny ho voalohany foana, dia mety hiteraka fahasahiranana maro ny tena. Hita izany na dia teo amin’ireo apostolin’i Jesosy aza. Fantatrao ve izany? —

Voatery nanome torohevitra tsara ho azy ireo i Jesosy. Nilaza tamin’izy ireo izy fa maniry hiseho ho lehibe sy manan-daza ireo filoha eo amin’ireo firenena. Tiany ny hankatoavan’ny rehetra azy. Tsy tokony hanao toy izany kosa anefa ireo mpianany; nilaza tamin’izy ireo toy izao àry izy: “Na iza na iza no te-ho ambony [voalohany, NW ] eo aminareo, dia ho mpanompon’izy rehetra.” Eritrereto kely ange! — Marka 10:35-45.

Fantatrao ve hoe inona no ataon’ny mpanompo iray? — Tsy tompoina izy fa manompo ny hafa. Tsy mitana ny toerana voalohany izy, fa ny farany. Tsy ny manan-daza indrindra izy, fa ny manetry tena indrindra. Tadidio fa nanambara i Jesosy hoe izay te ho voalohany dia tokony ho mpanompon’ny hafa.

Araka ny hevitrao anefa, milaza inona ho antsika izany? — Moa ve ny mpanompo iray tokony hiady hevitra amin’ny tompony mba hahafantarana hoe iza no hitana ny toerana tsara indrindra, — na iza no hihinana voalohany? — Nasehon’i Jesosy fa ny mpanompo iray dia tokony handefa foana ny tompony eo alohany. Moa ve tsy tokony hanao toy izany isika? — — Lioka 17:7-10.

Ny Kristiana iray tokoa dia tokony handefa ny hafa eo alohany. Izany no nataon’ilay Mpampianatra Lehibe. Raha manahaka azy isika, dia hahafaly an’Andriamanitra.

(Mba hampirisihana antsika handefa ny hafa eo alohantsika, dia aoka hovakintsika ny Romana 12:⁠3 sy ny Filipiana 2:3, 4.)