Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ireo Izay Tonga Mpianatr’i Jesosy

Ireo Izay Tonga Mpianatr’i Jesosy

Toko Faha-13

Ireo Izay Tonga Mpianatr’i Jesosy

MIERITRERITRA ilay mpanompon’Andriamanitra tsara indrindra tamin’izay rehetra velona teto an-tany aho. Fantatrao ve hoe iza izy io? — Jesosy Kristy.

Heverinao ve fa afaka manahaka azy izaho sy ianao? — Milaza ny Baiboly fa namela ohatra tokony harahintsika izy, ary ny tenany mihitsy no manasa antsika mba ho tonga mpianany.

Midika ho inona ny hoe ho mpianatr’i Jesosy? — Mba hahatonga antsika ho mpianatr’i Jesosy, dia tokony hampianariny isika. Tsy izay ihany anefa. Tokony hino marina izay lazainy isika. Inoanao tokoa ve izay rehetra nampianarin’i Jesosy? — Raha tena mino izany marina tokoa isika, dia hanao izay lazainy amintsika, sa tsy izany? —

Be dia be ny olona milaza fa mino an’i Jesosy izy. Kanefa, tena mpianany marina tokoa ve izy rehetra? Izany ve no hevitrao? —

Tsia; tsy toy izany ny ankamaroany. Mankany am-piangonana indraindray angamba izy ireny, kanefa maro be taminy no tsy naka fotoana mihitsy mba hianarana izay nampianarin’i Jesosy. Raha miresaka aminy momba an’i Jesosy ianao, dia hilaza aminao angamba izy fa tsy mahaliana azy izany. Tsy mandray anjara amin’ny asa fitoriana nankinin’i Jesosy tamin’ireo mpianany izy ireo. Tsy tena mpianany àry izy ireo. 

Fantatrao ve hoe karazan’olona nanao ahoana no tonga mpianatr’i Jesosy? — Ho nahaliana ny fihaonana tamin’ny sasany tamin’ireo izay tonga mpianatr’i Jesosy fony izy olombelona.

Mpanjono ny sasany tamin’izy ireny. Indray andro, rehefa nandeha teny amoron’ny ranomasin’i Galilia i Jesosy, dia nahita an’i Petera sy Andrea rahalahiny izy. Teo am-pandatsahana ny harato iray tao an-dranomasina izy ireo. Niantso azy toy izao i Jesosy: “Andeha hanaraka Ahy”.

Nandeha teny lavidavitra kokoa i Jesosy ka nahita lehilahy roa hafa, mpirahalahy. Jakoba sy Jaona no anaran’izy ireo. Teo amin’ny sambokely iray izy ireo, niaraka tamin’ny rainy teo am-panamboarana ny haraton’izy ireo. Nantsoin’i Jesosy mba ho tonga mpianany koa i Jakoba sy i Jaona.

Inona no ho nataonao? Ho nanaraka an’i Jesosy avy hatrany ve ianao? — Fantatr’ireo lehilahy ireo hoe iza i Jesosy. Fantany fa nirahin’Andriamanitra izy. Noho izany, dia nandao avy hatrany ny raharaha fanjonoany izy ka nanaraka an’i Jesosy. — Matio 4:18-22.

Mazava fa nilatsaka an-tsitrapo ireo lehilahy ireo. Naniry hanao ny tsara izy ireo, ary zava-dehibe izany. Tsy tanteraka anefa izy ireo. Raiso ny ohatra ny amin’i Petera. Nisy fotoana nilazany zavatra diso ka nahitany fahasahiranana. Tsara anefa ny fony. Tsy nataony izay hinoana fa tsy diso ny tenany rehefa fantany tsara tokoa fa nanao fahadisoana izy. Nihaino izy ary hita ho vonona ny hiova. Raha tsara fikasa toa an’i Petera isika, dia afaka ny ho mpianatr’i Jesosy koa.

Niresaka tamin’ny filoha tanora iray nanankarem-be koa i Jesosy. Nety ho tonga mpianatr’i Jesosy ve ny lehilahy tahaka azy? — Naneho fahalianana izy. Nanontany an’i Jesosy ny fomba hahazoany ny fiainana mandrakizay izy. Nohazavain’i Jesosy taminy izany. Rehefa fantatr’ilay lehilahy anefa fa tokony hitana toerana lehibe eo amin’ny fiainany mihoatra noho ny volany ny maha-mpianatr’i Jesosy, dia nalahelo izy. Nanasa azy toy izao i Jesosy: “Manaraha Ahy.” Tsy nanaraka azy anefa ilay lehilahy; tia ny volany nihoatra noho Andriamanitra izy. — Lioka 18:18-25.

Nanasa olona isan-karazany mba ho tonga mpianany i Jesosy. Afaka niova na dia ireo izay nanana fiainana ratsy aza. Tokony ho vonona ny hiova anefa izy ireny mba hanarahana ny lalana tsara. Izany ve no irinao hatao? —

Lehilahy ireo mpianatra vitsivitsy vao avy noresahintsika. Milaza ve izany fa ny lehilahy ihany no afaka ny ho tonga mpianatr’i Jesosy? — Tsia. Nisy vehivavy tonga mpianatra koa. Resahin’ny Baiboly amintsika mihitsy aza ny amin’ny fianakaviana iray nisy zanakavavy efatra niresaka tamin-jotom-po ny amin’Andriamanitra tamin’ny mpiara-belona taminy. Tsy maintsy ho fianakaviana sambatra tokoa izy io. — Asan’ny Apostoly 21:8, 9.

Rehefa nampianatra i Jesosy, dia nihevitra manokana ny ankizy kely izy. Nahoana? — Fantany fa afaka ny ho tonga mpianany koa ny ankizy. Marina fa afaka mahavita zavatra sasany tsy hain’ny ankizy atao ny olon-dehibe. Tsy ny olon-dehibe ihany anefa no hany afaka miresaka ny amin’Andriamanitra. Afaka manao izany koa ianao.

Irinao ve ny ho tonga mpianatr’i Jesosy? — Izaho koa. Izany no zavatra tsara indrindra azontsika atao.

Tadidio anefa fa tsy ampy ny milaza hoe kristiana isika mba hahatongavana ho mpianatr’ilay Mpampianatra Lehibe, sa tsy izany? — Tokony hoporofointsika amin’ny ataontsika rehetra izany.

Tsy hilaza tena ho kristiana isika, rehefa any am-pivoriana fotsiny, izay iresahantsika momba an’Andriamanitra, kanefa dia hanao ratsy amin’ny fotoana hafa. Hiaina toy ny kristiana isika eto, atỳ an-trano.

Tokony ho kristiana koa ve isika rehefa miara-milalao amin’ny ankizy hafa? — Moa ve ny olona iray tokony hitondra tena toy ny kristiana koa rehefa any am-piasana? — Eny. Raha tena mpianatr’i Jesosy tokoa isika, dia tokony hitondra tena toy ny kristiana isan’andro.

(Aoka hovakintsika izay lazain’ny Baiboly momba ireo mpianatr’i Jesosy, ao amin’ny Matio 28:19, 20; Jaona 8:31, 32; Lioka 6:13-15.)