“Isaorana Anie ny Mpanjaka, Izay Avy”!
Toko Faha-39
“Isaorana Anie ny Mpanjaka, Izay Avy”!
HAINAO ve ny Rainay Izay any An-danitra? — Lazao amiko hoe. — Raha tsy tadidinao, dia hiarahantsika mamaky ao amin’ny Baiboly, ao amin’ny Matio toko faha-6, andininy faha-9 ka hatramin’ny faha-13.
Izao no voalaza ao amin’io vavaka io: “Ho tonga anie ny fanjakanao.” Inona moa no atao hoe fanjakana? —
Fitondram-panjakana izany. Fantatrao ny atao hoe fitondram-panjakana, sa tsy izany? — Izany dia voaforon’ny olona maromaro izay mitondra tany iray.
Misy filoha iray ao amin’ny fitondram-panjakana iray. Antsoina hoe prezidà izy io any amin’ny tany sasany. Fantatrao anefa ve hoe ahoana no iantsoana ny filohan’ny fitondram-panjakan’Andriamanitra? — Ny Mpanjaka.
Ny tenan’i Jehovah mihitsy no nifidy an’io Mpanjaka io. Fantatrao ve izy io? — Tsy iza izany fa i Jesosy Kristy. Manana toetra tsara maro kokoa noho ny an’izay rehetra mety ho filoha hafa nofidin’ny olona izy ary mahery kokoa noho ireny. Ankoatra izany, dia tena tia an’Andriamanitra izy; izany no antony anaovany foana izay tsara.
Taloha ela be, ny mpanjakan’ny Isiraely vaovao tsirairay avy dia niditra tao Jerosalema nitaingina zana-boriky mba hiseho tamin’ny vahoaka. Izany no nataon’i Jesosy.
Teo akaiky kelin’i Jerosalema dia nisy vohitra kely dia kely iray. Rehefa nanatona nankao i Jesosy, dia hoy izy
tamin’ny roa tamin’ireo mpianany: ‘Mandehana mankatsy amin’itsy vohitra kely itsy, dia hahita zana-boriky ianareo. Vahao izy io ka ento etỳ amiko.’Nanao izay nolazain’i Jesosy ireo mpianatra. Nentiny ilay zana-boriky, ary nitaingina teo i Jesosy. Raha mbola nanatona an’i Jerosalema izy, dia nisy vahoaka be nitsena azy.
Rehefa nandroso i Jesosy, nitaingina zana-boriky, dia namelatra ny lambany teo amin’ny lalana handalovany ny ankamaroan’ny olona. Nisy hafa koa nanapaka rantsankazo mba hapetraka teny an-dalana. Nasehon’izy ireny tamin’izany fa naniry hanana an’i Jesosy ho Mpanjaka izy ireo.
Faly nandray an’i Jesosy ireo olona ireo. Nihiaka toy izao izy ireo: “Isaorana anie ny Mpanjaka, Izay avy amin’ny anaran’i Jehovah”!
Tsy ny rehetra anefa no faly nahita an’i Jesosy niditra tao Jerosalema toy ny fanaon’ny mpanjaka. Nilaza taminy toy izao mihitsy aza ny sasany: ‘Ilazao ny mpianatrao mba hangina.’ — Lioka 19:28-40.
Inona no tsapanao rehefa mieritreritra ny hoe hanana an’i Kristy ho Mpanjaka? — Raha velona tamin’izany fotoana izany ianao, ho nandray azy toy ny irak’i Jehovah ve ianao? —
Mazava ho azy fa tsy eto an-tany intsony i Jesosy, sa tsy izany? — Any an-danitra izy. Avy any no anjakany amin’ny maha-Mpanjaka. Na dia tsy afaka mahita azy aza isika, dia mahita ny tsirairay avy amintsika izy. Tsy afaka mamitaka azy isika. Hitany izay ataontsika ary fantany mihitsy aza izay eritreretintsika. Fantany raha tena tia tokoa an’i Jehovah isika. Raha miezaka hanaraka ny Baiboly isika, dia hanampy antsika izy. Ho tianao ve ny haha-Mpanjakanao azy mandrakizay? —
Tsy ny olona rehetra akory no maniry hanana an’i Kristy ho Mpanjaka. Milaza ho mino an’Andriamanitra izy ireny, nefa tsy maniry ny Fanjakany. Tsy tiany ny hilazan’Andriamanitra na i Kristy izay tokony hataon’izy ireny. Aleony ny fitondram-panjakan’izy ireo eto an-tany. Inona no hanjo ireny olona ireny? —
Mamaly antsika ny Baiboly ao amin’ny Daniela 2:44. Horaisintsika ny Baibolintsika ka hiarahantsika mamaky io andinin-teny io. Raha miresaka ny amin’izao androntsika izao izy dia milaza hoe: “Ary amin’ny andron’ireo mpanjaka ireo Andriamanitry ny lanitra dia hanorina fanjakana izay tsy ho rava mandrakizay; ary izany fanjakana izany tsy havela ho an’olon-kafa, fa ireo fanjakana rehetra ireo dia hotorotoroiny sy holevoniny, fa izy kosa hitoetra mandrakizay.”
Azonao ve izany? — Lazain’ny Baiboly fa hanafoana ireo fitondram-panjakana eto an-tany rehetra ireo ny fitondram-panjakan’Andriamanitra. Nahoana? — Satria izy ireo tsy mankato ilay Mpanjaka voafidin’Andriamanitra.
An’Andriamanitra ny tany manontolo. Izy no namorona azy mbamin’izao rehetra izao manontolo. Manana zo àry izy hanapa-kevitra ny amin’ny hoe karazam-pitondram-panjakana inona no tokony hitondra azy io. Ny fitondram-panjakany no tsara indrindra. Tsy ho ela dia ny Fanjakan’Andriamanitra no ho hany fitondram-panjakana hiasa.
Irinao ve ny hiaina mandrakizay eo ambanin’io? — Izaho koa. Tokony hoporofointsika anefa izany. Fantatrao ve hoe amin’ny fomba ahoana? — Amin’ny fianarana an’ireo lalàn’Andriamanitra sy amin’ny fankatoavana izany isan’andro.
Milaza koa Andriamanitra fa hanafoana ireo fitondram-panjakan’olombelona ny Fanjakany. Kanefa, moa ve isika no tokony hanao izany? — Tsia. Milaza amintsika ny Baiboly mba hankato ireo lalàn’ny olona, raha mbola leferin’Andriamanitra koa ireny fitondram-panjakana ireny.
Kanefa, raha tena maniry tokoa hanana an’i Kristy ho Mpanjaka isika, dia tokony hanao zavatra mihoatra noho izany. Ilaintsika ny mankato izay rehetra nolazainy. Tsy tokony ho “naman’izao tontolo izao” àry isika. Hankato azy ve isika raha miezaka mba ho tonga anisan’ireo fitondram-panjakana eo amin’izao tontolo izao ankehitriny? — Nihataka hatrany tamin’ireo zavatra ireo i Jesosy sy ireo apostoliny. — Jaona 17:14.
Inona no nataon’izy ireo ho solon’izany? — Niresaka ny amin’ny Fanjakan’Andriamanitra tamin’ny mpiara-belona taminy izy ireo. Izany no asan’izy ireo lehibe indrindra. Afaka manao toy izany ve isika? — Eny, ary hanao izany isika raha mivavaka amim-pahatsorana mba hahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra.
(Mba hahafantarana ny fomba tokony hiheverantsika ilay Mpanjaka voafidin’Andriamanitra, dia aoka hovakintsika koa ny Isaia 9:5, 6; Daniela 7:13, 14; Jaona 18:36; Matio 6:33.)