“Ity no Zanako”
Toko Faha-5
“Ity no Zanako”
MANANA ray ny tsirairay avy amintsika. Manana ray ianao; izaho koa. Rehefa mitondra tena tsara ny ankizivavy kely iray, dia faly ny rainy milaza hoe: “Zanako iny.” Rehefa manao izay tsara ny zazalahy iray, dia mirehareha ny rainy milaza hoe: “Zanako iny.”
Manao foana izay mahafaly ny rainy i Jesosy, ary mirehareha noho ny aminy ny Rainy. Fantatrao ve izay nataon’ny Rain’i Jesosy? — Avy any amin’ny lanitra ambony no nitenenany tamin’ny olona hoe: “Ity no Zanako”.
Tena tia tokoa ny Rainy i Jesosy. Nasehony izany na dia talohan’ny nahatongavany teto an-tany aza. Nitana toerana tsara dia tsara teo anilan’i Jehovah Andriamanitra Rainy izy. Nanana asa manokana hankinina taminy anefa io Rainy io. Mba hanatanterahana izany, dia tsy maintsy nandao ny lanitra i Jesosy ka nateraka toy ny zazakely teto an-tany. Vonona ny hanao izany i Jesosy, satria naniry izany i Jehovah.
Mba hahaterahana toy ny zazakely teto an-tany, dia tokony hanana reny i Jesosy. Fantatrao ve izy io? — Maria no anarany.
Nirahin’i Jehovah avy tany an-danitra i Gabriela anjeliny mba hiresaka tamin’i Maria. Nilaza taminy izy fa hiteraka zazalahy izay hantsoina hoe Jesosy izy. Iza no ho rainy? — Nilaza ilay anjely fa Jehovah. Noho izany, dia hantsoina hoe Zanak’Andriamanitra i Jesosy.
Araka ny hevitrao, nanao ahoana ny fandraisan’i Maria izany? — Nilaza ve izy hoe: “Tsy tiako izany”, na hoe: “Tsy maniry ho renin’i Jesosy aho”? —
Tsia, vonona ny hanao ny sitrapon’Andriamanitra i Maria. Vonona ny hihaino ny anjeliny izy. Toy ny hoe nihaino an’Andriamanitra izay niriny hankatoavina izy. Tia azy izy ka faly nanao ny sitrapony.
Fa ahoana no nahafahan’i Jehovah nanao izay hahaterahan’ilay Zanany tany an-danitra ho toy ny zaza teto an-tany? — Tsitoha i Jehovah. Afaka manao zavatra tsy mety ho vitan’olon-kafa na iza na iza izy. Araka izany, dia naka ny ain’ny Zanany tany an-danitra izy ka nametraka izany tao an-kibon’i Maria. Tamin’izany fomba izany no nanombohan’i Jesosy nitombo tao an-kibon-dreniny, toy ny zaza rehetra. Taorian’izany dia nanambady an’i Josefa i Maria.
Tonga ny fotoana hahaterahan’i Jesosy. Teraka tao amin’ny tanànan’i Betlehema izay nisy an’i Maria sy i Josefa izy. Be dia be ny olona. Tsy nahita efitrano akory izy ireo hipetrahana nandritra ny alina nahaterahan’i Jesosy. Tsy maintsy nametraka ilay zazakely teo am-pihinanam-bilona izy ireo, teo amin’ny fasiana sakafo ho an’ny ombivavy.
Nisy zavatra nahatalanjona nitranga tamin’io alina io. Teo akaikin’i Betlehema, dia nisy anjely iray niteny tamin’ny mpiandry ondry vitsivitsy. Nambarany tamin’izy ireo fa olona nalaza i Jesosy. Hoy izy tamin’izy ireo: ‘Indro, manambara aminareo vaovao tsara hahafaly ny vahoaka aho. Teraka ho anareo androany ilay hamonjy ny olona.’ Hanao zavatra tsara maro be i Jesosy Lioka 2:10, 11.
ho an’ireo izay tia an’Andriamanitra. —Vaovao tsara izany! Nisy anjely hafa niray feo tany an-danitra mba hidera an’Andriamanitra. Faly izy ireo. Afaka nahare azy ireo mpiandry ondry.
Naniry hahita an’i Jesosy ireo mpiandry ondry. Nilaza tamin’izy ireo ilay anjely fa ho hitan’izy ireo any Betlehema izy io. Nankany àry izy ireo. Rehefa tonga teo anilan’i Jesosy izy ireo, dia notantarainy tamin’i Josefa sy i Maria ny zavatra tsara rehetra ren’izy ireo. Feno fankasitrahana an’Andriamanitra i Josefa sy i Maria. Tsy maintsy ho faly i Maria nanaiky ho tonga renin’i Jesosy!
Nentin’i Josefa sy i Maria nankany Nazareta i Jesosy tatỳ aoriana. Tao no nahabe azy. Rehefa tonga lehilahy lehibe izy, dia nanomboka ny asa fampianarana lehibe nataony. Tapany iray tamin’ny asa nanirahana azy izany. Nirin’i Jehovah ny hahita azy hanatanteraka io asa io teto an-tany.
Rehefa afaka telo taona teo ho eo, dia lasa nankany amin’ny tendrombohitra avo iray i Jesosy sy ny sasany tamin’ireo mpianany. Inona no nitranga tany? — Raha mbola nijery ireo mpianany, dia nanjary namirapiratra Marka 9:2-8.
ny fitafian’i Jesosy; avy eo dia ren’izy ireo ny feon’Andriamanitra. Niresaka ny amin’i Jesosy i Jehovah ka nanambara hoe: “Ity no Zanako malalako”. Nankasitraka ny Zanany Andriamanitra. —Nanao izay marina foana i Jesosy. Tsy nihambo ho ambony noho ny tena naha-izy azy izy. Tsy nilaza izy hoe izy no Andriamanitra. Nanambara tamin’i Maria ny anjely Gabriela fa hantsoina hoe Zanak’Andriamanitra i Jesosy. Izany no nambaran’ny tenan’i Jesosy. Tsy nihambo ho nahay nihoatra noho ny Rainy mihitsy izy. Hoy izy: “Ny Ray dia lehibe noho Izaho”. — Jaona 14:28.
Rehefa nampanao zavatra azy ny Rainy, dia nanao izany i Jesosy. Tsy nilaza izy hoe hanao izany, nefa avy eo dia nanao zavatra hafa. Tia ny Rainy izy. Noho izany, dia nihaino izay nolazainy izy.
Irintsika koa ny hanao izay hahafaly an’i Jehovah, sa tsy izany? — Sahala amin’i Jesosy, aoka àry hasehontsika fa mihaino azy tokoa isika. Miteny amintsika amin’ny alalan’ny Baiboly izy. Tsy ho tsara ny hihamboana ho mihaino an’Andriamanitra, sady manana zavatra inoana sy fitondran-tena mifanohitra amin’ny Baiboly, sa tsy izany? — Ho mora amintsika ny hanao izay hahafaly an’i Jehovah raha tena tia azy tokoa isika.
(Indreto misy andinin-teny hafa mampiseho fa tokony hahafantatra izay tena lazain’ny Baiboly momba an’i Jesosy isika ka hino izany: Matio 7:21-23; 1 Timoty 2:5, 6; Jaona 4:25, 26.)