Jesosy, Ilay Mpampianatra Lehibe
Toko Voalohany
Jesosy, Ilay Mpampianatra Lehibe
TIA tantara ve ianao? — Raha izany no izy, dia horesahiko aminao ny amin’ny lehilahy iray izay nitantara zavatra nahaliana tsy nisy toy izany. Nantsoina hoe Jesosy Kristy izy io.
Niaina teto an-tany izy io, efa ho roa arivo taona teo ho eo izay. Tany aloha be tany izany, fony mbola tsy teraka akory ny bebenao na ny dadabenao, ary taloha elan’ny nananan’ny olona aotomobilina sy radio.
Nilaza tantara nampieritreritra i Jesosy. Raha ampy ny fotoana nieritreretan’ny olona iray ny tenin’i Jesosy, dia afaka nanova tanteraka ny fomba fijeriny ny zavatra sy ny fiheverany ny amin’ny fiainana mihitsy aza izy. Ambonin’izany, dia marina daholo izay rehetra nolazain’i Jesosy.
Lehibe kokoa noho ny an’izay rehetra mety ho olon-kafa ny fahalalany. Izy no Mpampianatra tsara indrindra. Mianatra zavatra be dia be avy amin’ny olon-kafa isika, kanefa i Jesosy no mampianatra antsika ireo zavatra lehibe indrindra.
Matoa Mpampianatra Lehibe i Jesosy, dia satria nihaino izy. Fantany fa zava-dehibe izany. Fa iza no nohenoiny? Iza no nampianatra azy? — Ny Rainy, Andriamanitra.
Talohan’ny nahatongavany teto an-tany tamin’ny naha-olombelona, dia niara-niaina tamin’Andriamanitra tany an-danitra i Jesosy. Noho izany no tsy nitoviany
tamin’ny olona hafa rehetra. Marina tokoa fa tsy nisy olona hafa niaina tany an-danitra talohan’ny nahaterahany. Tany amin’ireo toerana any an-danitra, dia Zanaka tsara izay nihaino ny Rainy i Jesosy. Hainy àry ny nampianatra ny olona izay nianarany tamin’Andriamanitra. Afaka manahaka an’i Jesosy ianao amin’ny fihainoana ny dadanao sy ny mamanao.Mpampianatra Lehibe koa i Jesosy, satria tia ny olona. Niriny ny hanampy azy ireny hahalala an’Andriamanitra. Tia ny ankizy koa ve anefa izy? — Izany dia izany tokoa, ary tian’izy ireny ny niaraka tamin’i Jesosy, satria niresaka taminy sy nihaino azy ireny izy.
Indray andro, dia nisy ray aman-dreny nitondra ireo zanany kely teo amin’i Jesosy. Nihevitra anefa ireo namany fa sahirana loatra ilay Mpampianatra Lehibe ka tsy ho afaka hiresaka amin’izy ireo. Nilazany àry izy ireo mba handeha. Nankasitrahan’i Jesosy ve ny nataon’izy ireo? — Tsia. Hoy izy: “Avelao ny zaza, ary aza rarana tsy hanatona Ahy”. Na dia lehilahy hendry dia hendry sy tena nalaza aza i Jesosy, dia naka fotoana hampianarana ny ankizy kely izy. — Matio 19:13, 14.
Mpampianatra Lehibe i Jesosy, satria fantany ny fomba fanaovana izay hahatonga ny teniny hahaliana. Niresaka ny amin’ny vorona sy ny voninkazo izy, mba hanampiana ny olona hahafantatra izay nahakasika an’Andriamanitra. Indray andro, dia nisy olona maro nanatona azy. Nanao lahateny na toriteny ho azy ireo i
Jesosy. Antsoina hoe ny Toriteny teo An-tendrombohitra izy io.Hoy i Jesosy tamin’ny vahoaka: ‘Jereo ny voro-manidina. Tsy mamafy voa izy ireny. Tsy manangon-tsakafo ao amin’ny trano fitahirizana izy ireny. Manome sakafo azy ireny anefa Andriamanitra izay any an-danitra. Tsy sarobidy noho ireny ve ianareo?’
Hoy ny teny nanampin’i Jesosy: ‘Makà lesona avy amin’ny lisy eny an-tsaha’. Araka ny hevitrao, inona no lesona azontsika tsoahina avy amin’ny lisy? Izao, hoy i Jesosy: ‘Tsy manamboatra fitafiana ho an’ny tenany izy ireny. Jereo ange anefa ny hatsaran-tarehiny e! Na dia i Solomona mpanjaka nanankarena aza tsy nanao fitafiana kanto toy ny lisy eny an-tsaha. Koa raha mikarakara ny voninkazo Andriamanitra, tsy hikarakara anareo ve izy?’
Azonao ve io lesona io? — Tsy tian’i Jesosy hanahy be Matio 6:25-33.
loatra ny amin’izay hohaniny sy izay hotafiny ny olona. Fantatr’Andriamanitra fa mila ireny zavatra ireny izy. Tsy nilaza akory i Jesosy hoe tsy tokony hiasa isika mba hahazoana sakafo sy fitafiana, fa tokony hametraka an’Andriamanitra eo amin’ny toerana voalohany kosa isika. Raha manao toy izany isika, dia hataony izay hananantsika sakafo sy fitafiana. Mino izany ve ianao? — —Tian’ny olona ny fomba fampianatr’i Jesosy. Talanjona izy ireo. Nahaliana aoka izany ny nihaino azy, ary nanampy ny olona hanao izay marina ny teniny.
Zava-dehibe ny hihainoantsika azy. Amin’ny fomba ahoana anefa? Afaka mampiasa ny tenin’i Jesosy voasoratra ao amin’ny boky iray isika. Boky inona izany? — Ny Baiboly masina. Afaka mihaino an’i Jesosy àry isika amin’ny fihainoana izay lazain’ny Baiboly.
Ny tenan’Andriamanitra mihitsy no milaza amintsika mba hihaino an’i Jesosy. Indray andro, rehefa niaraka tamin’ny telo tamin’ireo namany teo amin’ny tendrombohitra avo iray i Jesosy, dia nanambara toy izao ny feo avy any an-danitra: “Ity no Zanako malalako Izay sitrako; Izy no henoy.” Feon’iza io? — Feon’Andriamanitra! Nilaza izy fa tokony hihaino ny Zanany isika. — Matio 17:1-5.
Hihaino an’ilay Mpampianatra Lehibe ve ianao? — Izany no tokony hataontsika rehetra mba hahasambatra. Hahita fahasambarana lehibe koa isika raha mitantara amin’ireo namantsika ny zavatra tsara nianarantsika.
(Mba hahitana hevitra tsara dia tsara hafa mahakasika ireo soa raisina amin’ny fihainoana an’i Jesosy, dia miaraha mamaky ny Jaona 8:28-30; 3:16; Asan’ny Apostoly 4:12.)