Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Lehilahy Roa Nankalaza ny Fitsingerenan’ny Nahaterahana

Lehilahy Roa Nankalaza ny Fitsingerenan’ny Nahaterahana

Toko Faha-30

Lehilahy Roa Nankalaza ny Fitsingerenan’ny Nahaterahana

TIANAO ve ny mandray namana? — Mahafinaritra izany raha mitondra tena tsara ny tsirairay.

Tsy izany foana anefa no hita. Be tabataba aoka izany amin’ireny fivoriana ireny indraindray, hany ka tezitra ny manodidina. Misy mihitsy aza fivoriana na fety tsy ankasitrahan’Andriamanitra. Fantatrao ve hoe inona izany? — Ho tianao ve ny ho tonga ao amin’ny fivoriana iray, nefa fantatrao fa tsy ankasitrahan’Andriamanitra izany? —

Ny Baiboly dia miresaka amintsika ny amin’io karazam-pivoriana io. Indray andro ilay Mpampianatra Lehibe dia nandray anjara niaraka tamin’ireo apostoliny tamin’ny fanasana amin’ny fampakaram-bady iray. Efa nanatrika fety toy izany ve ianao? —

Miresaka amintsika ny amin’ny fankalazana fitsingerenan’ny nahaterahana roa koa ny Baiboly. Moa ve izany natao hankalazana ny fitsingerenan’ny nahaterahan’ilay Mpampianatra Lehibe? — Tamin’ireo toe-javatra roa, izany dia fety nalamin’olona tsy nanompo an’i Jehovah.

Ny iray taminy dia nomanin’i Heroda Antipasy mpanjaka. Filohan’ny distrikan’i Galilia tamin’ny andron’i Jesosy izy io.

Nanao zavatra ratsy be dia be i Heroda mpanjaka. Naka an’i Herodiasy vadin’ny rahalahiny izy. Nilaza taminy i Jaona Mpanao batisa, mpanompon’Andriamanitra, fa ratsy izany. Tsy nahafaly an’i Heroda izany ka nasainy nampidirina an-tranomaizina i Jaona Mpanao batisa. — Lioka 3:19, 20.

Tany an-tranomaizina i Jaona rehefa tonga ny andro fitsingerenan’ny nahaterahan’i Heroda. Nanao fanasana lehibe niantsoany olo-malaza i Heroda. Nihinana sy nisotro ary niravoravo ny rehetra.

Tonga rehefa avy eo ny zanakavavin’i Herodiasy ka nandihy ho azy ireo. Nahafaly ny rehetra izy, ka tian’i Heroda mpanjaka ny hanolotra fanomezana lehibe ho azy. Nantsoiny izy ka nilazany hoe: ‘Homeko anao izay rehetra hangatahinao amiko, na dia hatramin’ny antsasaky ny fanjakako aza.’

Inona no hangatahiny? Vola ve? Fitafiana tsara tarehy ve? Lapa ve? Tsy fantany izay holazaina. Nanatona an-dreniny àry izy ka nilaza taminy hoe: “Inona no hangatahiko?”

Nankahala mafy an’i Jaona Mpanao batisa i Herodiasy. Nilaza tamin’ilay zanany vavy àry izy mba hangataka ny lohan’i Jaona Mpanao batisa. Niverina nankeo amin’ny mpanjaka ilay zazavavy ka nilaza taminy hoe: ‘Tiako ny hanomezanao ahy haingana eo amin’ny lovia iray ny lohan’i Jaona Mpanao batisa.’

Tsy tian’i Heroda ny hamono an’i Jaona, satria fantany fa lehilahy tsara dia tsara izy io. Nanome fampanantenana anefa izy ary natahotra izay hoheverin’ny nasaina hafa raha niova hevitra izy. Naniraka olona hanapaka ny lohan’i Jaona àry izy. Tsy ela dia niverina ilay lehilahy nitondra teo amin’ny lovia iray ny lohan’i Jaona izay nomeny ilay zazavavy. Nihazakazaka nitondra izany tany amin-dreniny io. Tsy nahatsiravina ve izany? — Marka 6:17-29.

Ary ahoana ny amin’ilay fankalazana ny fitsingerenan’ny nahaterahana hafa resahin’ny Baiboly? Tsaratsara kokoa ve izy io? —

Natao hanomezam-boninahitra ny mpanjakan’i Egypta io fety io. Izy io koa dia nampanapaka ny lohan’ny lehilahy iray izay nahantona mba hohanin’ny vorona. — Genesisy 40:20-22.

Araka ny hevitrao, moa ve Andriamanitra nankasitraka ireny fety ireny? — Ho tianao ve ny handray anjara tamin’izany? —

Fantatsika fa nisy antony daholo ny nanoratana izay rehetra voasoratra ao amin’ny Baiboly. Resahiny amintsika ny amin’ny olona tsara fanahy azontsika tahafina sy ny amin’ny olona ratsy fanahy tsy tokony hotahafintsika. Tsy mitantara afa-tsy ireo fankalazana fitsingerenan’ny nahaterahana roa ireo ny Baiboly, ary samy ratsy izy ireo. Araka ny hevitrao, inona àry no lazain’Andriamanitra amintsika momba ny fitsingerenan’ny nahaterahana? Iriny ve ny hankalazantsika izany? —

Marina fa tsy manapaka lohan’iza na iza akory ny olona amin’ireny fety ireny. Kanefa ny hevitra ny amin’ny hankalazana fitsingerenan’ny nahaterahana dia nampidirin’olona nanao zavatra toy izany. Mpanompo sampy izy ireny. Tsy nanompo an’i Jehovah izy ireny. Tiantsika ve ny hitovy aminy? —

Ary ahoana ny amin’ilay Mpampianatra Lehibe? Nankalaza ny fitsingerenan’ny nahaterahany ve izy? — Tsia. Tsy niresaka ny amin’ny fankalazana ny fitsingerenan’ny nahaterahan’i Jesosy ny Baiboly.

Na dia taorian’ny nahafatesany aza, ireo tena mpianany dia tsy nankalaza ny fitsingerenan’ny nahaterahany. Tsy tian’izy ireo ny hanahaka ireo mpanompo sampy. Tatỳ aoriana anefa, dia nisy olona naniry hankalaza ny fitsingerenan’ny nahaterahan’i Jesosy. Tsy afaka nampiasa ny daty marin’ny nahaterahan’i Jesosy izy ireo, satria tsy manome izany ny Baiboly. Nifidy andro iray mifanitsy amin’ny fetin’ny mpanompo sampy àry izy ireo. Ny 25 Desambra izany. Amin’izao andro izao, dia mbola amin’io andro io ihany no ankalazan’ny olona ny Noely. Heverinao ve fa mankasitraka an’io fety io Andriamanitra? —

Olona maro be no mahalala fa tsy andro nahaterahan’i Jesosy ny Noely, kanefa mankalaza izany ihany izy ireo. Tsy tena miraharaha ny amin’izay heverin’Andriamanitra izy ireny. Isika kosa, tsy tiantsika ve ny hampifaly an’i Jehovah? —

Rehefa mandamina fety kely koa isika, dia ataontsika izay hifanarahany amin’izay tsara. Azontsika atao ny manomana fivoriana toy izany amin’ny fotoana rehetra ao anatin’ny taona, tsy misy fiandrasana andro manokana iray. Afaka mihinana zavatra tsara sy manomana kilalao mahafinaritra isika. Ho tianao ve ny handaminantsika fivoriana toy izany? — Alohan’izany anefa, dia aoka hataontsika azo antoka fa mifanaraka amin’izay ankasitrahan’Andriamanitra izany.

(Zava-dehibe ny hanaovana foana izay ankasitrahan’Andriamanitra, araka ny asehon’ny Jaona 8:29; Romana 12:⁠2; Ohabolana 12:⁠2; 1 Jaona 3:⁠22.)