“Mahasambatra Kokoa ny Manome”
Toko Faha-35
“Mahasambatra Kokoa ny Manome”
MAHALALA tsiambaratelo iray aho. Ho tianao ve ny hahalala izany? — Tsy inona izany fa ny tsiambaratelon’ny fahasambarana.
Olona maro be no tsy sambatra. Ny sasany miankina loatra amin’izay ataon’ny hafa ho azy ireny. Raha omena zavatra tsara tarehy izy ireny, dia faly; fa raha tsy mahazo na inona na inona manokana kosa izy, dia tsy sambatra.
Intỳ ilay tsiambaratelo nolazaiko. Nanambara toy izao ilay Mpampianatra Lehibe: “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.” Ny sambatra kokoa àry dia tsy izay mandray, fa izay manome ho an’ny hafa. Fantatrao ve izany? — — Asan’ny Apostoly 20:35.
Eritrereto ange ny dikan’izany e. Nilaza ve i Jesosy fa tsy sambatra izay mandray fanomezana? — Tsia. Moa ve tsy tianao ny maharay fanomezana? — Tia izany koa aho. Faly isika rehefa misy manolotra zavatra tsara tarehy ho antsika.
Nilaza anefa i Jesosy fa mbola mahasambatra kokoa ny manome. Ary moa ve tsy marina foana ny voalazan’i Jesosy? —
Fa inona no azontsika omena ho an’ny hafa? Ahoana ny hevitrao? —
Indraindray, rehefa maniry hanolotra fanomezana ianao, dia lafo be ilay izy. Raha zavatra iray vidinao any
amin’ny magazay izy io, dia misy vola tokony haloanao. Mba hanolorana fanomezana toy izany àry dia tokony hitsitsy vola ianao mandra-pahazonao vola ampy mba hividiananao ilay izy.Tsy natao hovidina daholo anefa ny fanomezana rehetra. Hazavaiko ny teniko. Amin’ny andro mafana be, dia tsy misy zavatra mahafinaritra kokoa noho ny rano mangatsiaka iray vera. Raha manolotra izany ho an’olona mangetaheta ianao, dia hahita ny fahasambarana azo rehefa manome.
Indraindray dia miara-manamboatra mofomamy ianao sy ny mamanao. Mahafinaritra izany. Manitra erỳ izany rehefa avoaka avy ao anaty lafaoro! Inona anefa no ho azonao atao mba hahatsapana fahasambarana lehibe kokoa noho izay tsapa amin’ny fihinanana ny mofomamy rehetra? —
Mahasambatra kokoa ny manome. Mazava ho azy fa hahafinaritra ny hihinana mofomamy vitsivitsy. Kanefa raha tiantsika ny mbola ho sambatra kokoa ihany, dia afaka manolotra vitsivitsy ho an’ny sasany amin’ireo namantsika isika. Ho tianao ve ny hanao izany? —
Fantatry ny apostoly Paoly fa mitondra fahafinaretana lehibe ny fanomezana. Inona no nomeny ho an’ny hafa? — Nanana ny zavatra kanto indrindra hatolotra izy: ny fahamarinana momba an’Andriamanitra sy i Jesosy. Nozarainy tamim-pifaliana ho an’ny hafa izany, ary tsy nisy fangataham-bola tamin’izy ireny.
Indray andro ny apostoly Paoly sy i Lioka namany dia tafahaona tamin’ny vehivavy iray izay naniry hahita ny fahasambarana rehefa manome koa. Teo akaikin’ny renirano iray no nitrangan’izany. Tonga teo ry Paoly sy Lioka satria reny fa hoe toerana fivavahana teo. Tena nahita vehivavy vitsivitsy teo tokoa izy ireo.
Nanomboka niresaka tamin’izy ireo ny amin’ny zavatra tsara momba an’i Jehovah Andriamanitra sy ny Fanjakany i Paoly. Nihaino tamim-pitandremana ny iray taminy, i Lydia. Nankasitrahany tokoa izany teny izany ary naniry hanao zavatra ho fanehoana ny fankasitrahany izy.
Mitantara amintsika toy izao i Lioka: “Dia nangataka izy nanao hoe: Raha ataonareo ho mahatoky amin’ny Tompo aho, dia midira ao an-tranoko ka mitoera ao. Dia nanery anay izy.” — Asan’ny Apostoly 16:11-15.
Faly erỳ i Lydia nanana tao an-tranony ireo mpanompon’Andriamanitra ireo. Tiany izy ireo satria nanampy azy hahafantatra ny fomba hanomezan’Andriamanitra ny fiainana mandrakizay ho an’ny olona. Tena sambatra izy afaka nanome azy ireo sakafo sy toerana hialany sasatra.
Araka izany, dia nahatsapa fifaliana lehibe i Lydia satria tena naniry hanome tokoa. Izany no tokony hampahatsiahivina antsika! Mety hisy hilaza amintsika mba hanao fanomezana. Raha tsy tena maniry hanao izany anefa isika, dia tsy hahatonga antsika ho sambatra ny fanaovana io fanomezana io.
Ohatra, inona no hataonao raha manana tapa-tsokola ianao ka maniry hihinana azy? Raha milaza aminao aho mba hanome izany ho an’ny ankizy hafa iray, ho faly ve ianao hanao izany? — Mety hihaona amin’ny namana
iray tianao tokoa anefa ianao. Raha mieritreritra avy hatrany ianao fa hahafinaritra ny hanome azy tapany amin’izany, dia ho sambatra ianao, sa tsy izany? —Fantatrao ve fa indraindray dia tiantsika aoka izany ny olona iray, hany ka maniry ny hanome azy izay rehetra ananantsika isika ka tsy hitana na inona na inona ho antsika? Izany no fihetseham-po tokony ho tsapantsika eo anatrehan’Andriamanitra, arakaraka ny itomboan’ny fitiavantsika azy.
Nahalala vehivavy iray nanana izany fihetseham-po izany ilay Mpampianatra Lehibe. Hitany tao amin’ny tempoly tany Jerosalema izy io. Tsy nanana afa-tsy vola madinika roa izy. Nataony tao anatin’ny vatakely fasiana fandraisana anjara na fanomezana ho an’ny tempoly anefa izy roa ireo. Tsy nisy olona nangataka azy hanao izany. Nomeny izy ireo, satria niriny ny hanao izany, satria tena tia an’Andriamanitra tokoa izy. Sambatra izy nanao izany fanomezana izany.
Araka izany, dia afaka manome amin’ny fomba maro dia maro isika. Fantatr’ilay Mpampianatra Lehibe fa raha manome isika satria maniry hanao izany, dia ho sambatra isika. Izany no antony ilazany amintsika hoe: “Manomeza hatrany”. Ny dikan’izany dia hoe mandray ho fahazarana ny manome. Amin’izany dia tsy halahelo isika eo am-piandrasana ny hanomezan’olona zavatra kanto antsika. Ho variana aoka izany isika hanao izay hahasambatra ny hafa, ka izany dia hahatonga antsika ho ny zavaboary sambatra indrindra. — Lioka 6:38.
(Hahita hevitra tsara dia tsara momba ny fanomezana izay mitondra fahasambarana isika ao amin’ny Matio 6:1-4; 2 Korintiana 9:7; Lioka 14:12-14.)