Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Miaro Anao ny Fankatoavana

Miaro Anao ny Fankatoavana

Toko Faha-7

Miaro Anao ny Fankatoavana

HO TIANAO ve ny hanao izay rehetra tianao? Irinao ve indraindray ny tsy hisian’ny olona hilaza aminao izay tokony hataonao? Valio amim-pahatsorana aho. —

Inona anefa no tsaratsara kokoa? Fahendrena ve ny tsy hanaovana afa-tsy izay irinao? Mandeha tsara kokoa ve ny zavatra rehefa mankato ireo ray aman-dreninao ianao? — Milaza Andriamanitra fa tokony hankato azy ireo ianao; tokony hisy antony tsara amin’izany. Andeha handramantsika hotadiavina io antony io.

Firy taona ianao? — Fantatrao ve ny taonan’ny dadanao sy ny mamanao? — Efa ela be lavitra noho ny anao ny andro niainany. Izao anefa: Arakaraka ny fahelan’ny niainan’ny olona iray no azony ianarana zavatra betsaka kokoa. Ny taona tsirairay avy dia mahatonga azy ho afaka handre sy hahita ary hanao zava-baovao. Mianatra zavatra be dia be avy amin’ireo zokiny àry ny ankizy.

Iza no efa niaina hatramin’ny ela kokoa noho ianao sy noho izaho ary noho ny olona hafa rehetra? — Jehovah Andriamanitra. Mahafanta-javatra betsaka kokoa noho ianao sy izaho izy. Rehefa milaza amintsika izay tsara izy, dia mahazo matoky isika fa marina ny voalazany. Raha mihaino azy isika, dia ho voaro. Tokony hankato azy foana isika.

Araka izany, dia tokony hankato an’Andriamanitra koa aho mba hahasoa ahy. Raha mankato azy ianao, dia handray soa avy amin’izany koa.

Aoka horaisintsika ny taratasy ho an’ny Efesiana mba hahafantarana izay lazain’Andriamanitra amin’ny zanaka. Hitanao ve? — Hovakintsika ny andininy voalohany ka hatramin’ny faha-3 amin’ny toko faha-6. Hoy ny voalazany: “Anaka, maneke ny ray sy ny reninareo ao amin’ny Tompo, fa marina izany. ‘Manajà ny ray sy ny reninao’ (fa izany no didy voalohany misy teny fikasana), ‘mba hahita soa hianao sy ho maro andro ambonin’ny tany.’ ”

Izany no voalazan’ny Baiboly. I Jehovah àry no mananatra anao mba hankato ny ray aman-dreninao.

Inona no dikan’ny hoe ‘manaja’ ny ray aman-dreninao? — Midika izany fa tokony haneho fanajana azy ianao. Tokony hihaino azy ireo ianao ka hanao izay lazainy aminao tsy misy fimenomenonana. Mampanantena Andriamanitra fa raha mankato ianao, dia “hahita soa”.

Mahalala tantara mampiseho ny fomba namonjen’olona ny ainy, tamin’ny fankatoavana, aho. Tianao ve ny handre azy io? —

Nonina tao amin’ny tanànan’i Jerosalema ireo olona ireo, efa ela be izay. Ratsy fanahy ny ankamaroan’ny mponina; tsy nihaino an’Andriamanitra izy ireo. Naniraka ny Zanany ho any aminy i Jehovah mba hampianatra azy ireo. Tsy nihaino azy io anefa izy ireo. Inona àry no hataon’Andriamanitra? —

Nampiomana azy ireo ilay Mpampianatra Lehibe fa handrava ny tanànany Andriamanitra. Nilaza tamin’izy ireo izy fa hisy tafika hitoby manodidina azy ka handrava azy. Nasehony ny olona koa ny fomba mety hahavoavonjy azy ireo amin’ny fanarahana izay marina. Hoy izy:

‘Raha mahita an’i Jerosalema voahodidin’ny miaramila ianareo, dia amin’izay no fotoana tokony hivoahana avy ao Jerosalema sy handosirana any an-tendrombohitra’. — Lioka 21:20-22.

Nitranga tsy nisy hafa tamin’ny nanambaran’i Jesosy azy izany. Niakatra hamely an’i Jerosalema ireo tafik’i Roma ka nitoby nanodidina ny tanàna. Avy eo, noho ny antony tsy fantatra, dia lasa indray izy ireo. Nihevitra ny ankamaroan’ny mponina fa lasa ny loza. Nijanona tao an-tanàna izy ireo. Inona anefa no nolazain’i Jesosy? —

Inona no ho nataonao raha niaina tany Jerosalema ianao? — Ireo izay tena nino izay voalazan’i Jesosy tokoa dia nandao ny tranony ka nandositra lavitra an’i Jerosalema, tany an-tendrombohitra. Tsy ny olon-dehibe ihany no lasa, fa ny ankizy koa.

Moa ve izy ireny tena voaro tokoa noho ny fankatoavany? — Tsy nisy na inona na inona nitranga nandritra ny telo taona. Tao anatin’ny taona fahefatra anefa, dia niverina ireo tafik’i Roma. Ho an’ireo izay nijanona tao Jerosalema, dia diso aoriana loatra raha tamin’izay vao handositra. Tamin’io indray mandeha io, dia nandrava ny tanàna ireo tafika. Novonoina ny ankamaroan’ny mponi⁠na.

Fa inona no nitranga tamin’ireo izay nankato an’i Jesosy? — Lavitra an’i Jerosalema izy ireny. Tsy nisy loza nanjo azy mihitsy. Niaro azy ireny ny fankatoavana.

Raha miseho ho mankato ianao, ho voaro koa ve ianao? — Izany dia izany tokoa. Mamelà ahy hampiseho aminao hoe amin’ny fomba ahoana. Afaka milaza aminao aho mba tsy hilalao mihitsy eny amin’ny arabe. Nahoana? — Satria mety ho voadonan’ny aotomobilina ianao ka ho faty. “Kanefa, hoy angamba ianao hoe mbola tsy misy aotomobilina aloha izao; tsy hisy na inona na inona hanjo ahy. Milalao tsara eny amin’ny arabe ny ankizy hafa, nefa tsy naratra mihitsy izy.”

Nihevitra toy izany ny ankamaroan’ny mponina tany Jerosalema. Koa satria nandao ny tanàna ireo tafika, dia toa tsy nanana ahiahy izy ireo. Koa satria nijanona tao an-tanàna ny olona sasany, dia mba nijanona tao koa izy ireo. Nampiomanina izy ireo, nefa tsy nihaino. Noho izany, dia maty izy ireo. Mety hamoy ny ainy koa ny ankizy milalao eny amin’ny arabe. Tsaratsara kokoa àry ny mankato!

Tsy ampy ny mankato indraindray fotsiny. Raha mankato foana ianao dia tena ho voaro tokoa.

Iza no milaza aminao mba ‘hankato ny ray aman-dreninao’? — Andriamanitra. Tadidio fa milaza izany aminao izy satria tia anao.

(Mba hampisehoana ny maha-zava-dehibe ny fankatoavana, dia vakio ny Mpitoriteny 12:13; Kolosiana 3:20; Ohabolana 23:22.)