Miezaha Hahazo Namana eo Amin’ireo Tia An’Andriamanitra
Toko Faha-29
Miezaha Hahazo Namana eo Amin’ireo Tia An’Andriamanitra
IZA avy no anaran’ny sasany amin’ireo namanao? —
Mahafinaritra ny manana namana. Tianao ny miaraka amin’izy ireny, ny miresaka aminy sy ny miara-manao zavatra sasany aminy.
Zava-dehibe koa ny hifidianana tsara ireo namantsika. Ahoana no mety hahafantarantsika raha tsara ny safidy nataontsika? —
Araka ny hevitrao, iza no persona lehibe indrindra eo amin’ny fiainantsika? — Jehovah Andriamanitra. Izy no nanome antsika ny aina sy ny fofon’aina ary ny zavatra tsara rehetra. Irintsika tsy hisy na inona na inona ho tonga hanimba ny fisakaizantsika amin’Andriamanitra, sa tsy izany? — Fantatrao ve anefa fa izany no mety hataon’ny namana tsy voafidy tsara? — Marina izany. Ilaina àry ny mifidy azy ireny amim-pitandremana.
Nasehon’ilay Mpampianatra Lehibe antsika ny fomba hanaovana izany. Nifidy tsara ireo namany izy. Izao no nambarany: “Hianareo no sakaizako, raha manao araka izay andidiako anareo.” Fa nahoana? — Satria avy amin’Andriamanitra izay rehetra nolazainy. Araka izany, araka ny filazan’i Jesosy, ny namany dia ireo izay nankato an’Andriamanitra. — Jaona 15:14.
Tsy milaza akory izany hoe tsy tsara fanahy tamin’ireo izay tsy nanompo an’Andriamanitra i Jesosy. Nitsidika azy ireny mihitsy aza izy ka niara-nihinana taminy. Noho izany, dia nilaza ny sasany fa ‘sakaizan’ny mpanota’ i Jesosy. Marina anefa ve izany? — —Tsia. Tsy noho ny fitiavany ny fomba fiainan’izy ireny akory no nankanesan’i Jesosy tany an-tranony, fa mba hahafahana hiresaka ny amin’Andriamanitra aminy. Nanandrana nanampy azy ireny hiala tamin’ny fitondran-tenany ratsy izy, mba hanompoana an’Andriamanitra.
Izany no hita tany Jeriko izay nandalovan’i Jesosy rehefa ho any Jerosalema izy. Nisy vahoaka be teo ary anisan’izy ireo ny lehilahy iray nantsoina hoe Zakaiosy. Naniry ny hahita an’i Jesosy izy io, saingy fohy kely ka tsy afaka nahita azy noho ny vahoaka. Nianika hazo iray àry izy, mba hahitana tsara an’i Jesosy rehefa handalo izy.
Rehefa tonga teo amin’io hazo io i Jesosy, dia niandrandra ka nilaza hoe: ‘Midìna faingana. Ho any an-tranonao Aho anio.’ Lehilahy nanankarena izay nanao zavatra ratsy anefa i Zakaiosy. Nahoana i
Jesosy no naniry ho any an-tranon’ny lehilahy toy izany? —Tsy hoe satria tiany ny fomba fiainany, fa mba hiresahana aminy ny amin’Andriamanitra. Tsapany izay rehetra nataon’i Zakaiosy mba hahitana azy. Fantany àry fa azo inoana ny hihainoany azy. Amin’izay no ho fotoana hiresahana aminy ny amin’ny fitondran-tena irin’Andriamanitra ho hita harahintsika.
Inona no vokany? Niova fitondran-tena i Zakaiosy. Naveriny ny vola nalainy tamin’ny olona sasany ary tonga mpianatr’i Jesosy izy. Tamin’izay vao tonga mpinamana i Jesosy sy i Zakaiosy. — Lioka 19:1-10.
Mba hanahafana an’ilay Mpampianatra Lehibe, hitsidika ny olona izay tsy namantsika ve isika? — Eny, kanefa tsy hoe satria tiantsika ny fomba fiainany. Tsy hanahaka ireo zavatra ratsy ataony isika. Hitsidika azy ireny isika mba hiresaka aminy ny amin’Andriamanitra.
Ny namantsika akaiky dia ireo izay tiantsika indrindra ny fiarahana aminy. Hitantsika fa mba hahatongavana ho namantsika, dia tokony ho olona tian’Andriamanitra ho namana izy ireny. Fa ahoana no hahalalana raha toy izany izy ireny? —
Ny fomba tsara iray hahafantarana izany dia ny fanontaniana aminy hoe: Tia an’i Jehovah ve ianao? Ny sasany mety tsy hahalala an’i Jehovah akory. Kanefa raha maniry hahalala azy izy ireny, dia ho afaka hanampy azy isika, ary rehefa tia an’i Jehovah tahaka antsika izy, dia ho afaka ny ho tonga mpinamana tsara isika.
Misy fomba hafa iray koa ahafantarana raha mety ho namana tsara ny olona iray. Jereo izay ataony. Ratsy fanahy amin’ny hafa ve izy? Maneso azy ireny ve izy? Tsara ve izany? — Mitondra zavatra mampanahirana ho an’ny tenany foana ve izy? Tsy ho tiantsika ny hahita fahasahiranana noho izy, sa tsy izany? — Sa minia manao ratsy izy ary mieritreritra fa tena fetsy be satria tsy tratra? Na dia tsy tratra aza izy, moa ve tsy mahita izay ataony Andriamanitra? — Heverinao ve fa mety ho namana tsara ny olona toy izany? —
Aoka horaisintsika ny Baibolintsika ka hojerentsika ny fomba mety hampanan-kery ny fifaneraserantsika eo amintsika. Hovakintsika ny 1 Korintiana 15:33. Hitanao? —
Vakintsika toy izao: “Aza mety hofitahina hianareo; ny fikambanana amin’ny ratsy manimba ny fitondran-tena tsara.” Milaza izany fa raha mifanerasera amin’ireo izay manao ratsy isika, dia hanao izany koa. Marina koa fa hanampy hampitombo fahazarana tsara ny fifaneraserana tsara.
Aoka tsy hohadinointsika mihitsy fa i Jehovah no mitana ny toerana lehibe indrindra eo amin’ny fiainantsika. Tsy ho tiantsika mihitsy ny hanimba io fisakaizana io, sa tsy izany? — Tokony hiahy ny amin’ny hifidianana ireo namantsika eo amin’ireo izay tia an’Andriamanitra ihany àry isika.
(Ny maha-zava-dehibe ny hifidianana tsara ireo namantsika dia aseho mazava ao amin’ny 1 Jaona 2:15; 2 Tantara 19:2; Salamo 119:115; 2 Timoty 2:22. Miaraha mamaky ireo andinin-teny ireo.)