Misy Persona Iray Ambony Noho Isika
Toko Faha-9
Misy Persona Iray Ambony Noho Isika
MOA ve ianao mbola tsy nandre mihitsy olona nilaza hoe: “Raha olon-dehibe aho, dia ho afaka nanao izay tiako”? — Mbola tsy nieritreritra toy izany mihitsy ve ianao? —
Marina fa afaka manao zavatra tsy mety ho vitanao ny olon-dehibe. Tsy misy olona afaka ny tsy hanao afa-tsy izay mahafinaritra azy anefa. Misy lehibe noho isika. Fantatrao ve izy io? —
Manaiky ny ankamaroan’ny olona fa lehibe noho isika Andriamanitra. Tsy ampy anefa ny milaza izany. Tokony hoporofointsika amin’ny atao ny zavatra inoantsika.
Manaporofo izany izay nitranga tamin’i Adama sy i Eva. Ny lehilahy voalohany sy ny vehivavy voalohany ireo. Misy milaza fa angano ny fitantarana mahakasika azy ireo. Tsy nilaza izany anefa ilay Mpampianatra Lehibe. Fantany fa marina io fitantarana io. Hotantaraiko aminao izay nitranga.
Rehefa namorona an’i Adama sy i Eva Andriamanitra, dia napetrany tao amin’ny zaridaina tsara tarehy iray, tao amin’ny toerana iray nantsoina hoe Edena, izy ireo. Saha na paradisa izy io. Nety ho afaka niaina mandrakizay tao izy ireo. Tsy maintsy nianatra lesona izay tokony ho fantatsika koa anefa izy ireo. Tsy sarotra izy io. Raha tiantsika tokoa izany, dia ho mora hianarana izy io.
Nilaza tamin’i Adama sy i Eva i Jehovah fa afaka nihinana ny voan’ny hazo rehetra tao Edena izy ireo, afa-tsy iray monja. Hoy i Jehovah tamin’i Adama: “Fa ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy dia aza ihinanana; fa amin’ny andro izay ihinananao azy dia ho faty tokoa hianao.” —Inona no hitranga raha nihinana tamin’io voankazo io izy ireo? — Ho faty izy ireo. Niankina tamin’ny fankatoavany an’i Jehovah ny fiainan’izy ireo. Tsy ampy ny filazana fa nino an’Andriamanitra izy ireo. Tokony hoporofoin’izy ireo amin’ny asany izany. Izany ilay lesona. Sarotra ve ilay izy? — Tsia, kanefa zava-dehibe tokoa izy io.
Raha nankato an’Andriamanitra i Adama sy i Eva, dia hampiseho ny fitiavany azy sy ny faniriany hanana azy ho Tompom-piandrianana. Raha nihinana tamin’io voankazo io kosa anefa izy ireo, dia hanaporofo inona? — Fa tsy tena nankasitraka an’Andriamanitra noho izay rehetra nomeny azy izy ireo. Ho toy ny hoe nilaza toy izao izy ireo: “Tsy misy mahazo milaza aminay izay tokony hataonay. Tsy hanao afa-tsy izay tianay izahay.”
Inona no ho nataonao? Ho nankato an’i Jehovah ve ianao? Sa ho nihinana tamin’io voankazo io ianao? —
Tamin’ny voalohany, dia nankato an’Andriamanitra i Adama sy i Eva. Indray andro anefa, dia niteny tamin’i Eva ny bibilava iray. Mazava ho azy fa tsy afaka miteny ny bibilava iray. Anjely iray no nanao izay hinoana fa niteny ilay bibilava. Nanana hevi-dratsy io anjely io. Tiany hivavaka aminy sy hanao izay handidiany azy ireo i Adama sy i Eva. Tiany ny haka ny toeran’Andriamanitra.
Nampiditra hevi-dratsy tao an-tsain’i Eva àry io anjely ratsy io. Hoy izy taminy: ‘Tsy nilaza ny marina taminareo Andriamanitra. Tsy ho faty ianareo. Ho tonga hendry tahaka an’Andriamanitra ianareo.’ Ho nino an’io feo io ve ianao? —
Tsy nanana zo hino ireo tenin’ilay bibilava i Eva. Avy tamin’Andriamanitra daholo izay rehetra nananany. Nanomboka naniry izay tsy nomen’Andriamanitra azy anefa izy. Nihinana tamin’ny voan’ilay hazo izy ary nanome an’i Adama tamin’izany.
Tsy nino izay nolazain’ilay bibilava i Adama, kanefa nahery kokoa noho ny fitiavany an’Andriamanitra ny faniriany hiaraka amin’i Eva. Nihinana tamin’io voankazo io koa izy. — Genesisy 3:1-6.
Inona no vokany? — Tsy nandainga Andriamanitra. Miankina amin’ny fankatoavana an’Andriamanitra ny fiainana. Maty àry i Adama sy i Eva ary namindra fahafatesana tamin’ny olona rehetra.
Tantarain’ny Baiboly amintsika fa antsoina hoe Satana Devoly ilay anjely nandainga tamin’i Eva. Fahavalon’Andriamanitra sy isika izy io. — Apokalypsy 12:9.
Iriny ny hitarika ny olona rehetra tsy hankato an’i Jehovah. Izany no antony itadiavany hampiditra
hevi-dratsy ao amintsika. Milaza izy fa tsy misy mihitsy olona tena tia an’i Jehovah, fa tsy tia an’Andriamanitra izaho sy ianao, ary tsy tena maniry hanao izay lazainy amintsika. Marina ve ny voalazany? Sahala amin’izany ve isika? —Manantitrantitra ny Devoly fa hitsahatra tsy hanompo an’i Jehovah isika raha atao mahita fahasahiranana sasany. Lazainy fa tsy mankato an’Andriamanitra isika raha tsy rehefa mandeha araka ny itiavantsika azy ny zavatra rehetra. Araka ny heviny, dia toy izany ny olona rehetra. Marina ve ny heviny? —
Nambaran’ilay Mpampianatra Lehibe fa mpandainga ny Devoly. Nasehony fa misy olona tena tia an’i Jehovah tokoa. Tsy nilaza izy hoe: “Tsy misy mihitsy olona manana zo hilaza amiko izay tokony hataoko.” Mifanohitra amin’izany kosa fa nanambara toy izao izy: “Ny Ray dia lehibe noho Izaho”. Nankato an’i Jehovah izy, tsy hoe rehefa mora ihany izany, fa rehefa nanao izay hahasarotra izany koa ny olona. Hita ho tsy nivadika tamin’i Jehovah izy, hatreo amin’ny fahafatesany. Izany no antony nameloman’Andriamanitra azy indray ho mandrakizay. — Jaona 14:28.
Izany no nataon’ilay Mpampianatra Lehibe. Fa inona kosa no hataontsika? — Raha tsy mankato an’i Jehovah isika, dia hanao araka ny irin’ny Devoly indrindra; fa raha tena tia an’ilay Andriamanitsika kosa isika, dia hankato azy. Hankato azy isan’andro isika, satria tena maniry hanao izany tokoa.
(Hanompo an’i Jehovah isika sa hanompo ny Devoly? Vakio izay ambaran’ny Baiboly ao amin’ny Joba 1:8-12; 2:1-5; 27:5, NW; Ohabolana 27:11.)