Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mpiandry Be Fitiavana

Mpiandry Be Fitiavana

Toko Faha-28

Mpiandry Be Fitiavana

EFA nahatsiaro tena ho irery ve ianao? — Mbola tsy nahatsapa mihitsy ho tsy tian’olona intsony ve ianao? —

Efa very ve ianao? — Inona no tsapanao? — Tsy natahotra ve ianao? —

Indray andro ilay Mpampianatra Lehibe dia nilaza tantara, tsy nahakasika ankizy iray, fa ondry very iray.

Fantatrao moa ny atao hoe ondry? — Biby madinika manome volonondry ho an’ny olombelona izy io. Mitovy amin’ny ondry ianao, amin’ny lafiny sasany. Ahoana izany?

Tsy lehibe na matanjaka ny ondry, kanefa matahotra izy ireny rehefa irery. Mila fitiavana sy hatsaram-po izy ireny. Tokony hisy hikarakara azy ireny sy hiaro azy, toy ny atao aminao. Atao hoe mpiandry ny olona miambina ondry.

Tao amin’ny fitantarany i Jesosy dia niresaka ny amin’ny mpiandry iray nanana ondry zato. Very ny iray tamin’izy ireo. Nilaozan’ny hafa angamba izy raha mbola niraoka ahitra, na tiany ny hahita izay nitranga tany ambadiky ny havoana. Tsy tsikariny akory fa hay efa irery izy. Azonao an-tsaina ve izay nety ho tsapany rehefa hitany fa very izy? —

Inona no hataon’ilay mpiandry rehefa tsikariny fa tsy tao io ondry io? Hilaza ve izy fa izay no notadiaviny ka tsy misy ilana ny hikarakarana azy? Sa kosa hamela ireo sivy amby sivifolo hafa ao amin’ny toerana azo antoka izy mba hitadiavana azy? Mendrika ny hisahiranana toy izany ve ny ondry iray? — Raha ianao io ondry io, ho tianao ve ny hitadiavan’ilay mpiandry anao? —

Tia ny ondriny rehetra izy, na dia ilay very aza. Lasa nitady azy àry izy.

Alao sary an-tsaina ny fifalian’ilay ondry very rehefa hitany ilay mpiandry azy! Nilaza i Jesosy fa faly ilay mpiandry rehefa nahita indray ny ondriny; nahafaly azy mihoatra noho ireo sivy amby sivifolo hafa izy io.

Iza no sahala amin’ilay mpiandry voalaza tao amin’ny fitantarana nataon’i Jesosy? Iza no mikarakara antsika tahaka ny nataon’io mpiandry io? — Nilaza i Jesosy hoe tsy iza izany fa ny Rainy, izany hoe i Jehovah Andriamanitra.

I Jehovah no ilay Mpiandry lehibe ny vahoakany. Tiany izay rehetra manompo azy, na dia ny kely indrindra toa anao aza. Tsy tiany haratra na ho faty ny iray amintsika. Tsy mahatalanjona ve ny mahafantatra fa mihevitra aoka izany antsika Andriamanitra? — — Matio 18:12-14.

Mino an’i Jehovah Andriamanitra tokoa ve ianao? — Tena persona iray tokoa ve ny fiheveranao azy? —

Mazava ho azy fa tsy mahita azy isika, satria fanahy (esprit) izy. Manana tena tsy hitan’ny masontsika izy. Tena misy anefa izy ary afaka mahita antsika. Fantany fa mila fanampiana isika. Afaka miteny aminy ao amin’ny vavaka isika, toy ny iresahanao amin’ny ray aman-dreninao. Maniry ny hiresahantsika aminy i Jehovah.

Raha mahatsiaro tena ho malahelo na manirery ianao, inona àry no tokony hataonao? — Hiresaka amin’i Jehovah. Manatòna azy, dia hampahery anao sy hanampy anao izy. Tadidio fa tia anao i Jehovah, na dia rehefa mihevitra aza ianao fa irery.

Aoka horaisintsika izao ny Baibolintsika, mba hamakiana andinin-teny izay hampahery antsika. Hojerentsika ny Salamo fahatelo amby roapolo. Hovakintsika manomboka eo amin’ny andininy voalohany.

Izao no voalaza: “Jehovah no Mpiandry ahy, tsy hanan-java-mahory aho, mampandry ahy amin’ny ahi-maitso Izy; mitondra ahy eo amoron’ny rano fialan-tsasatra Izy. Mamelombelona ny fanahiko Izy; mitarika ahy amin’ny làlan’ny fahamarinana noho ny anarany Izy. Eny, na dia mandeha mamaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho, dia tsy hatahotra ny loza aho; fa Hianao no amiko; ny tsorakazonao sy ny tehinao, ireo no mahafa-tahotra ahy.”

Izany no tsapan’ireo izay manana an’i Jehovah ho Andriamanitra. Kanefa izany ve ny hevitrao? —

Tsy misy hafa amin’ny ikarakaran’ny mpiandry be fitiavana iray ireo ondriny, i Jehovah dia mikarakara ireo anisan’ny vahoakany. Velombelona noho ireo zavatra tsara ataony ho azy izy ireo. Asehony azy ireo ny lalana tsara izay arahiny amim-pifaliana. Tsy raiki-tahotra noho ireo fahasahiranana izy ireny. Mampiasa ny tsorakazony na ny tehiny ny mpiandry iray mba hiarovana ireo ondry amin’ny biby mety hamely azy. Fantatr’ireo mpanompon’Andriamanitra fa hiaro azy ireo i Jehovah ary tsy manana ahiahy izy ireo, satria miaraka amin’izy ireo izy.

Tena tia tokoa an’ireo ondriny i Jehovah ka mikarakara azy ireny amim-pitiavana. Hoy ny Baiboly: ‘Toy ny mpiandry ondry iray, dia hitarika ny andian’ondriny izy. Hotrotroiny ireo zanak’ondry ka hokarakarainy.’ — Isaia 40:11NW.

Tsy mahafaly anao ve ny mahafantatra fa sahala amin’ny mpiandry ondry i Jehovah? — Irinao ve ny ho anisan’ireo ondriny? —

Mihaino ny feon’ny mpiandry azy ireo ondry. Mitoetra eo anilany izy ireo. Mihaino an’i Jehovah ve ianao? — Mitoetra eo anilany ve ianao? — Raha izany no izy, dia tsy hatahotra mihitsy ianao, satria hiaraka aminao i Jehovah.

(Mikarakara amim-pitiavana ireo izay manompo azy i Jehovah. Izany no asehon’ny Salamo 37:25; 55:23; Isaia 41:10; Lioka 12:29-31.)