Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nalain’ny Devoly Fanahy

Nalain’ny Devoly Fanahy

Toko faha-12

Nalain’ny Devoly Fanahy

EFA nisy nampanao zavatra ratsy anao ve? — Nihaika anao ve izy mba hanaovanao toy izany? Sa nilaza taminao izy fa hahafinaritra izany ary tsy tena ratsy? — Rehefa manao toy izany ny olona iray, dia manandrana maka fanahy anao izy.

Inona no tokony hatao amin’izany? Ho resy ve isika ka hanao ratsy? — Tsy hahafaly an’i Jehovah izany. Fantatrao ve anefa hoe iza no ho faly amin’izany? — Satana Devoly.

Fahavalon’Andriamanitra izy io, noho izany dia fahavalontsika koa. Tsy afaka mahita azy isika, satria fanahy (esprit) izy; afaka mahita antsika anefa izy io. Indray andro, dia niteny tamin’i Jesosy, ilay Mpampianatra Lehibe, ny Devoly, ary nanandrana naka fanahy azy. Aoka hojerentsika izay nataon’i Jesosy. Ho fantatsika ny fihetsika tsara tokony harahina eo anoloan’ny fakam-panahy.

Nankany an-tendrombohitra i Jesosy mba hivavaka tamin’Andriamanitra. Niriny ny hisaintsaina momba ny asa nankininy taminy.

Lasa ny efapolo andro sy ny efapolo alina. Mbola tany an-tendrombohitra ihany i Jesosy. Tsy nihinan-kanina izy nandritra izany fotoana rehetra izany. Noana mafy àry izy.

Tamin’izay no nanandrana naka fanahy azy i Satana. Hoy izy taminy: “Raha Zanak’Andriamanitra Hianao, dia teneno ho tonga mofo ireto vato ireto.” Ho nahafinaritra tokoa ny tsiron’ny mofo!

Kanefa moa ve nanana fahefana hanova vato iray ho tonga mofo i Jesosy? — Izany tokoa. Noho izy Zanak’Andriamanitra, dia nanana fahefana manokana izy.

Ho nankato ny Devoly ve ianao raha nitady ny hanaovanao zavatra toy izany izy? — Noana i Jesosy. Ho nanao zavatra tsara ve izy raha nanao toy izany, na dia indray mandeha monja aza? — Fantany fa ratsy ny hampiasana toy izany ny fahefana nananany. Nomen’i Jehovah azy izany mba hitarihana ny olona hanatona an’Andriamanitra, fa tsy hoe mba hahazoana fahafaham-po amin’izay nilainy manokana.

Koa niteny tamin’i Satana kosa i Jesosy tamin’ny fanononana taminy itỳ andinin-tenin’ny Baiboly itỳ: “Tsy mofo ihany no hiveloman’ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra.” Fantatr’i Jesosy fa zava-dehibe kokoa noho ny fananan-javatra hohanina ny fanaovana izay hahafaly an’i Jehovah.

Tsy niala anefa ny Devoly. Nentiny teny amin’ny faritra avo amin’ilay tempoly tany Jerosalema i Jesosy ary hoy izy taminy: ‘Raha zanak’Andriamanitra ianao, dia mianjerà any ambany any; satria voasoratra fa hiaro anao ireo anjelin’Andriamanitra.’ Inona no nataon’i Jesosy? —

Tsy nihaino an’i Satana izy; nilaza taminy izy fa ratsy ny mitsapa an’i Jehovah amin’ny filalaovana ny ain’ny tena.

Mbola tsy niala foana i Satana. Nentiny teny amin’ny tendrombohitra avo dia avo iray i Jesosy ka nasehony azy ny fanjakana rehetra amin’izao tontolo izao sy ny voninahiny; hoy izy taminy: ‘Homeko anao ireo zavatra ireo raha miankohoka sy manolotra fanompoam-pivavahana eto anatrehako ianao.’ Inona no ho nataonao? —

Tsy nankato azy i Jesosy. Fantany fa ratsy ny manolotra fanompoam-pivavahana ho an’ny Devoly, na inona na inona valisoa ampanantenaina. Hoy ny navaliny azy: ‘Mandehana ianao, ry Satana! satria ny Baiboly milaza hoe: “Jehovah Andriamanitrao no hiankohofanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao.”’ — Lioka 4:1-13; Matio 4:1-10.

Tokony hanohitra ny fakam-panahy koa isika. Inona avy izany? — Intỳ misy ohatra.

Nanao mofomamy misy voankazo matsiro hohanina amin’ny sakafo hariva ny mamanao ary nilaza taminao mba tsy hihinana izany alohan’ny fisakafoana. Noana angamba ianao ary voan’ny fakam-panahy hihinana amin’izany. Hankato ve ianao? — Irin’i Satana ny tsy hankatoavanao.

Tadidio anefa fa noana mafy koa i Jesosy. Fantany anefa fa ny fanaovana izay hahafaly an’Andriamanitra no zava-dehibe indrindra.

Rehefa lehibe kokoa ianao, dia hanolotra pilina sasany na sigara angamba ny ankizy hafa. Hilaza aminao izy ireny fa hitondra fahafinaretana ho anao izany. Mety ho zava-mahadomelina anefa izany, ka hahatonga anao harary na ho faty mihitsy aza. Inona no hataonao? —

Tadidio i Jesosy. Niezaka nitaona azy hanao vivery ny ainy i Satana, tamin’ny filazana taminy mba hitsambikina avy eny an-tampon’ny tempoly. Tsy nitsambikina anefa i Jesosy. Tsy nihaino an’i Satana izy. Tsy tokony hihaino izay manolotra zava-mahadomelina anao koa ianao.

Mora ny manao ny tsara rehefa manao izany ny olona rehetra. Mety ho sarotra anefa izany rehefa misy olon-kafa mitady izay hanaovanao ratsy foana. Hilaza aminao angamba izy ireny fa tsy dia ratsy akory izay ataon’izy ireny. Izao anefa ilay fanontaniana lehibe: Ahoana no fiheveran’Andriamanitra ny amin’izany? Ny heviny no tsara indrindra.

Araka izany, na inona na inona mety holazain’ny hafa, dia tsy hanao ratsy eo imason’Andriamanitra mihitsy isika. Amin’izany fomba izany, dia hanao izay hahafaly azy foana isika ary tsy hanompo ny Devoly mihitsy.

(Misy torohevitra mampiseho ny fomba fanoherana ny fakam-panahy hanao ratsy, omena ao amin’ny Matio 26:41; Ohabolana 22:24, 25; Salamo 1:1, 2.)