Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nankahalaina Noho ny Fanaovana ny Tsara

Nankahalaina Noho ny Fanaovana ny Tsara

Toko Faha-27

Nankahalaina Noho ny Fanaovana ny Tsara

TIA izay tsara ve ianao? — Izaho koa. Tena tia izany tokoa ve anefa isika ka hanao ny tsara na dia hiteraka fankahalan’ny olon-kafa antsika aza izany? — Moa ve tsy mila herim-po amin’izany? —

Araka ny hevitrao, nanana izany herim-po izany ve ilay Mpampianatra Lehibe? Nanao ny tsara ve izy na dia niteraka fankahalan’ny hafa azy aza izany? —

Olona maro be no tia an’i Jesosy noho ireo zavatra tsara nataony. Indray andro, dia nivory teo anoloan’ny varavaran’ny tranony ny mponina rehetra tao amin’ny tanàna iray. Tonga izy ireo satria nanasitrana marary izy. — Marka 1:⁠33.

Indraindray anefa dia nasehon’ny fampianaran’i Jesosy fa tsy nino ny fahamarinana ny olona. Tia ny nihaino izany ve izy rehetra? — Naniry hiova zavatra ninoana ve izy ireo? — Tsy izy rehetra. Raha ny marina, dia nankahala mafy an’i Jesosy ny sasany, satria nilaza ny marina izy.

Izany no hita tany Nazareta, ilay tanànan’i Jesosy. Nankany amin’ny synagoga izy, dia tany amin’izay nivorian’ny Jiosy.

Nitsangana izy ary nanao lahateny tsara dia tsara nifototra tamin’ny Soratra Masina. Nankasitraka ireo mpanatrika tamin’ny voalohany. Talanjona izy ireo noho ny teny tsara nivoaka ny vavany. Sarotra tamin’izy ireo ny nino fa io ilay tovolahy izay tao amin’ny tanànany no nahalehibeazany.

Nanohy anefa i Jesosy tamin’ny firesahana tamin’izy ireo ny amin’ny fotoana nanehoan’Andriamanitra fankasitrahana manokana olona tsy Jiosy. Tezitra ireo mpanatrika tamin’izay. Fantatrao ve hoe nahoana? —

Nihevitra izy ireo fa izy ihany no nanana ny fankasitrahan’Andriamanitra manokana. Nihevi-tena ho tsara kokoa noho ny hafa izy ireo. Nankahala an’i Jesosy izy ireo noho ny teniny. Fantatrao ve ny tian’izy ireo hatao taminy? —

Hoy ny Baiboly: ‘Nisambotra an’i Jesosy izy ireo ary nanosika azy ho any ivelan’ny tanàna. Nentiny ho eny an-tsisin’ny tendrombohitra izy mba hazerany teo sy hovonoiny. Lasa anefa i Jesosy.’ — Lioka 4:16-30.

Raha nitranga taminao izany, ho niverina nankany amin’ireny olona ireny ve ianao mba hiresaka aminy ny amin’Andriamanitra? — Moa ve tsy mitaky herim-po izany? — Herintaona tatỳ aoriana, dia niverina tany Nazareta i Jesosy. Mitantara toy izao ny Baiboly: ‘Nampianatra azy ireo tao amin’ny synagogany Izy.’ Tsy nitsahatra ny niresaka ny fahamarinana noho ny tahotra olona tsy tia an’Andriamanitra i Jesosy. — Matio 13:⁠54.

Indray andro koa i Jesosy dia tao amin’ny toerana iray nisy lehilahy maina tanana na malemy tanana. Nahazo fahefana avy tamin’Andriamanitra hanasitrana azy i Jesosy. Nitady fahasahiranana ho an’i Jesosy anefa ny olona vitsivitsy tonga teo. Inona no hataon’ilay Mpampianatra Lehibe? —

Nasehony aloha ny fihetsika tsara. Nanontany toy izao izy: ‘Raha latsaka ao an-kady amin’ny sabata ny iray amin’ireo ondrinareo, tsy hampakatra azy ve ianareo?’

Azo antoka fa hanao izany izy ireo, na dia amin’ny andro sabata tokony hialany sasatra aza. Nanampy teny toy izao àry i Jesosy: ‘Vao mainka tsara ny manampy olona iray amin’ny andro sabata, satria sarobidy noho ny ondry iray ny olona iray!’ Nazava fa tsy maintsy nanasitrana an’io lehilahy io i Jesosy!

Nilazany izy mba haninjitra ny tanany. Nanjary sitrana avy hatrany tahaka ny ilany ilay tanana. Faly erỳ ilay lehilahy!

Ary ireo olon-kafa? Faly ve izy ireo? — Tsia. Vao mainka nitombo ny fankahalany an’i Jesosy. Nivoaka izy ireo ary nikasa ny hamono azy! — Matio 12:9-14.

Tsy miova ny olona amin’izao andro izao. Ny sasany tia izay tsara, ny hafa tsy toy izany. Na inona na inona ataontsika, dia tsy ho afaka ny hanao izay hahafaly ny olona rehetra mihitsy isika. Tokony hanapa-kevitra ny amin’izay tena tiantsika hampifalina tokoa àry isika.

Iza no irinao ho namana? Olona manao ny tsara ve? — Maniry hanana an’i Jehovah Andriamanitra ho namana ve ianao? — Tokony hanao izay tsara foana àry ianao.

Raha manao izany ianao, ho tia anao ve ny Devoly? — Raha ny marina, irinao ve ny hitiavan’ny Devoly anao? —

Tia olona sasany ny Devoly. Miresaka azy ireny ho “izao tontolo izao” ny Baiboly. “Izao tontolo izao” dia voaforon’ireo izay tsy mpianatr’ilay Mpampianatra Lehibe. Izao no nambaran’io Mpampianatra Lehibe io: “Raha naman’izao tontolo izao hianareo, dia ho tia ny azy izao tontolo izao; fa satria tsy naman’izao tontolo izao hianareo, fa Izaho efa nifidy anareo tamin’izao tontolo izao, dia halan’izao tontolo izao hianareo.” — Jaona 15:18, 19.

Ny olona sasany eo amin’izao tontolo izao dia milaza fa mino an’i Jesosy izy ireny, kanefa tsy mampianatra ireo fahamarinana momba an’Andriamanitra tahaka ny nataon’i Jesosy izy ireny. Raha mampiseho aminy amin’ny alalan’ny Baiboly ianao fa tsy mampianatra ny fahamarinana izy ireny, ho tiany ve izany? — Tsia. Hahita olona sahala amin’ilay lehilahy nanana tanana maina angamba anefa ianao. Velom-pankasitrahana an’i Jesosy izy noho ny tsy nanafenany taminy ny fahamarinana.

Olona maro be no manafina ny fahamarinana. Matahotra mafy izay heverin’ny hafa sy izay holazain’izy ireny izy, hany ka mandritra ny androm-piainany rehetra dia tsy mety milaza izay fantany fa marina izy. Mahamenatra izany! Mamoy fahasambarana lehibe ary koa ny fankasitrahan’Andriamanitra izy ireny. Tsy tiantsika ny hitovy amin’izy ireny, sa tsy izany? —

(Tsy tokony ho voasakana tsy hanao izay tsara noho ny tahotra izay heverin’ny hafa mihitsy isika; izany no voalaza ao amin’ny Ohabolana 29:25; 1 Samoela 15:24; Matio 26:69-75; Jaona 12:42, 43.)