Nanome Famantarana i Jesosy
Toko Faha-43
Nanome Famantarana i Jesosy
HIRESAKA ny amin’ny famantarana isika anio. Tsara ny mahay mamantatra azy ireo satria mety hahasoa antsika izany.
Ny sasany fantatra avy hatrany; asehony amintsika ny hoe aiza no azontsika ividianana sakafo na mampitandrina antsika izany mba tsy hiampita arabe. Famantarana inona avy no fantatrao? —
Misy hafa koa. Mety tsy hisy soratra mihitsy amin’izany. Ao ireo manambara fiovan’ny toetr’andro. Misy rahona manakona ny masoandro, ary manomboka mitsoka ny rivotra. Tazana ny tselatra ary re ny kotroka. Milaza inona izany? — Milaza fa ho avy ny orana. Sarotra ve ny mamantatra ireo famantarana ireo? —
Indray andro, dia nangataka famantarana tamin’i Jesosy ireo apostoliny. Ren’izy ireo izy nilaza fa tsy ho hita intsony izy mandra-pahatongan’ny fotoana ho avy iray. Tian’izy ireo ny hahalala hoe rahoviana no hitrangan’izany ary inona no famantarana hanondro an’io fotoana io.
Fantatr’ilay Mpampianatra Lehibe fa hila famantarana ireo mpianany. Hiverina any an-danitra eo anilan’Andriamanitra izy. Amin’ny fiverenany dia tsy ho olombelona izy, fa ho fanahy (esprit). Azo atao ve anefa ny mahita fanahy (esprit)? —
Ahoana no hahafantarana fa tafaverina izy? — Nasehon’i Jesosy an’ireo mpianany izay tokony handrasan’izy
ireo ary noresahiny taminy ny amin’ny zavatra hitranga eto an-tany.Teo akaikin’i Jerosalema izy ireo fony izy niresaka tamin’izy ireo. Afaka nahita ilay tanàna teny ampitan’ny havoana sy ilay tempoliny kanto, izy ireo. Nambaran’i Jesosy tamin’izy ireo izay hitranga amin’i Jerosalema sy ny tempoliny. Tena tanteraka tokoa izany!
Nilaza tamin’izy ireo koa i Jesosy fa hitranga ny zavatra toy izany atỳ aoriana, nefa amin’io indray mandeha io dia haneran-tany. Hilaza inona izany? — Ny fiverenan’i Kristy sy ny fanombohan’ny fanapahany ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra any an-danitra. Tsy ho ela dia handringana ireo ratsy fanahy izy ka hahatonga ny fiainana eto an-tany hahafinaritra kokoa.
Nahita ny famantarana nomen’i Jesosy ve ianao? — Nahita izany ny tenako. Ho tianao ve ny hiresahantsika ny amin’izany? —
Ho anisan’izany famantarana izany, dia izao no nambaran’i Jesosy: ‘Handre ady sy filazana ady ianareo. Hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary fanjakana hamely fanjakana.’
Hitako izany nandritra ny androm-piainako. Nisy firenena manontolo niady tamin’ny firenena hafa mba handringana azy ireny. Tena nanomboka tokoa izany tamin’ny 1914. Amin’izao fotoana izao dia mandre filazana ady isika, saika isan’andro. Nandre tamin’izany ve ianao tao amin’ny radio na ny televiziona? —
Intỳ misy tapany iray hafa amin’ilay famantarana; hoy i Jesosy: ‘Hisy mosary any amin’ny tany samy hafa.’
Tsy mahazo ny sakafo sahaza ho azy avokoa akory ny olona rehetra. Fantatrao ve izany? — Reko fa hoe olona iray alina isan’andro no maty noho ny hanoanana. Miteraka aretina na areti-mandringana ny tsy fahampian-tsakafo. Nanambara mosary sy areti-mandringana i Jesosy.
Momba ny tapany hafa iray amin’ilay famantarana, dia izao koa no nolazainy: ‘Hisy horohoron-tany any amin’ny tany samy hafa.’
Fantatrao ve ny atao hoe horohoron-tany? — Mampihetsiketsika ny tany eo ambanin’ny tongotrao izany. Misy trano mirodana ary matetika dia misy olona maty. Nanomboka tamin’ny 1914, dia betsaka kokoa ny horohoron-tany isan-taona tsy toy ny talohan’io daty io. Nitranga nandritra ny androm-piainako ireo zavatra ireo.
Matio 23:39 ka hatramin’ny 24:22.
Nambaran’i Jesosy fa ho tapany hafa iray amin’ilay famantarana “ny haben’ny tsi-fankatoavan-dalàna”. Tanteraka koa izany. Izany no antony anidian’ny olona amin’ny lakile ny varavarany; matahotra izy sao misy olona mitsofoka ao an-tranony. Any amin’ny tany sasany dia mampidi-doza ny mivoaka irery amin’ny alina. Mbola tsy ratsy toy ny ankehitriny mihitsy ny tarehin-javatra. —Mety hisy hilaza hoe efa nisy teo aloha ireo zavatra ireo. Kanefa izany mbola tsy niara-nitranga mihitsy tao anatin’ny tapany lehibe eo amin’izao tontolo izao, toy ny ankehitriny. Misy heviny manokana izany rehetra izany.
Tadidio fa, araka ny tenin’i Jesosy, ireo zavatra ireo dia tokony hahaforona famantarana iray. Azonao ve io famantarana io? Milaza inona izy io? —
Ny ankamaroan’ny olona dia tsy mihevitra afa-tsy ireo fahasahiranana ihany. Mahatonga azy ireny ho ory izany. Raha fantany anefa ny hevitr’ilay famantarana, dia ho faly izy ireo. Nahoana? —
Izao no nambaran’i Jesosy: ‘Raha vao miandoha izany zavatra izany dia asandrato ny lohanareo; fa manakaiky ny fanavotana anareo.’ Tokony ho faly àry isika, satria hamarana tsy ho ela ny fahasahiranana rehetra misy eto an-tany Andriamanitra. Hahafinaritra ny fiainana amin’izay.
Moa ve tsy vaovao tsara izany? — Raha tena izany tokoa no hevitsika, dia tsy hitana izany ho antsika isika. Misy olon-kafa tokony hahalala izany koa.
(Misy andinin-teny maro hafa ao amin’ny Baiboly mampiseho fa efa ao ny Fanjakan’Andriamanitra. Hiarahantsika mamaky ny Lioka 21:28-36; 2 Timoty 3:1-5; 2 Petera 3:3, 4, 13.)