Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nanome ny Ainy ho Antsika i Jesosy

Nanome ny Ainy ho Antsika i Jesosy

Toko Faha-40

Nanome ny Ainy ho Antsika i Jesosy

MANANA namana tsara ve ianao? — Raha mahita loza izy ireo, ohatra, ao amin’ny sambo kely iray madiva ho rendrika, hitady hamonjy azy ireny ve ianao raha azo atao izany? — Hanampy azy ireny ve ianao na dia mety hamoizanao aina aza izany? — Maneho fitiavana lehibe izay vonona hanome ny ainy mba hamonjena ny mpiara-belona aminy.

Naneho izany karazam-pitiavana izany ho antsika i Jesosy. Hita ho vonona ny handao ny lanitra izy ary ho tonga teto an-tany, mba ho faty teto ho antsika. Fantatrao ve fa maty ho antsika izy? —

Ho tianao ve ny hahafantatra hoe tamin’ny fomba ahoana? — Aoka halaintsika sary an-tsaina hoe teo isika ary nahita izay nitranga.

Eto Jerosalema isika izao, efa hariva be amin’ny lohataona. Diavolana mahafinaritra ny andro. Hitantsika i Jesosy sy ireo apostoliny mivoaka ny tanàna amin’ny vavahady lehibe. Mianika ilay havoana antsoina hoe tendrombohitra Oliva izy ireo ary miditra ao amin’ny zaridaina iray. Aoka harahintsika izy ireo.

Intelo i Jesosy no manalavitra ireo mpianany ka mandohalika mba hivavaka amin’ny Rainy. Hatrany hatrany dia miverina eo amin’izy ireo izy ka milaza aminy mba hivavaka koa. Nahoana? Inona no hitranga? —

Hitanao ve ireo olona miditra ao an-jaridaina ireo? Ny sasany mitondra jiro, ny hafa mitondra hazo. Misy miaramila mitondra sabatra. Hita ho masiaka izy ireo. Tsy maintsy ho hitan’i Jesosy izy ireo. Nahoana izy no tsy mandositra? —

Mahita azy ireo i Jesosy, kanefa mijanona eo. Manatona ireo miaramila ka misambotra azy. Havelany hitondra azy ve ireo? Ho afaka hiantso ny Rainy izy. Ho afaka haniraka ho eo aminy anjely an’arivony maro izay handringana ireo lehilahy ireo ao anatin’ny indray mipy maso Andriamanitra. Raha ianao no niaraka tamin’i Jesosy, ho niantso ireo anjely ve ianao? —

Manaiky hoentina anefa i Jesosy. Nahoana? — Satria vonona ny ho faty ho antsika izy. Misy antony hafa iray lehibe kokoa. Hoy izy tamin’i Petera: ‘Tsy maintsy tanteraka ny Tenin’Andriamanitra.’ Eny, efa voasoratra tao amin’ny Baiboly fa hanome ny ainy ho an’ny olona i Jesosy.

Matahotra ireo mpianatr’i Jesosy ka mitsoaka. Mitondra an’i Jesosy ho ao an-tanàna ireo miaramila. Andeha harahintsika izy ireo ka hojerentsika izay mitranga.

Entin’izy ireo eo anatrehan’ireo lohan’ny mpisorona i Jesosy. Halan’ireo izy satria nampiseho tamin’ny vahoaka fa tsy mampianatra ny Baiboly ireo mpisorona.

Mandamina fitsarana ireo mpisorona ka mampiantso olona izay milaza lainga momba an’i Jesosy. Manontany an’i Jesosy izy ireo mba hanandramana hampiseho fa nanao zavatra ratsy izy. Tsy mahita na inona na inona anefa izy ireo. Dia manontany an’i Jesosy toy izao ireo mpisorona: ‘Zanak’Andriamanitra ve ianao?’ Mamaly i Jesosy hoe: ‘Zanany aho.’ Tezitra ireo mpisorona ka mihiaka hoe: ‘Meloka izy! Tokony ho faty izy!’ ­Mankasitraka izany ny hafa rehetra. Misy olona sasany maneso an’i Jesosy; mandrora amin’ny tavany izy ireo ary mikapoka azy. Manenina ve i Jesosy noho ny nampianarany ny fahamarinana voarakitra ao amin’ny Baiboly? Inona no ho noeritreretinao raha teo amin’ny toerany ianao? —

Tsy manenina mihitsy i Jesosy; tsy mitaraina na mamaly izy.

Maraina ny andro. Nitsangana nandritra ny alina manontolo i Jesosy. Fatoran’ireo mpisorona izy ary entiny eo anatrehan’i Pilato governora.

Milaza aminy izy ireo hoe: ‘Manohitra ny fitondram-panjakana i Jesosy. Tokony hovonoina izy.’ Tsapan’i Pilato anefa fa mandainga ireo mpisorona. Milaza toy izao amin’izy ireo àry izy: ‘Tsy nisy ratsy nataony mihitsy; halefako izy.’ Miantsoantso toy izao anefa ireo mpisorona sy ny hafa: ‘Tsia! Vonoy izy!’

Aoriana kelin’izay, dia manandrana mampiaiky azy ireo indray i Pilato fa tokony halefany i Jesosy. Mampirisika ny vahoaka anefa ireo mpisorona hiantsoantso hoe: ‘Raha alefanao izy dia manohitra ny fitondram-panjakana ianao. Vonoy izy!’ Mitombo ny tabataba. Inona no hataon’i Pilato?

Resy izy. Asainy kapohina i Jesosy ary atolony an’ireo miaramila mba hovonoina ho faty.

Teren’izy ireo hitondra hazo lehibe iray i Jesosy. Farany dia tonga any ivelan’ny ­tanàna izy ireo, ao amin’ilay ­toerana antsoina hoe Ikarandoha. Fantsihin’izy ireo eo amin’ilay hazo amin’ny tanany sy ny tongony i Jesosy ary atsangany ilay hazo. Mandeha ra ny tenan’i Jesosy. Mahatsiravina ny fanaintainana.

Tsy maty avy hatrany akory i Jesosy. Raha mbola mihantona eo amin’ny hazo izy, dia maneso azy ireo lohan’ny mpisorona. Milaza aminy toy izao izy ireo: “Raha Zanak’Andriamanitra Hianao, midìna hiala amin’ny hazofijaliana.” Fantatr’i Jesosy anefa ny antony nanirahan’ny Rainy azy teto an-tany; fantany fa tokony hanome ny ainy lavorary izy mba hahafahantsika hahazo ny fiainana mandrakizay. Farany, tokony ho tamin’ny telo ora tolakandro, dia niantso ny Rainy i Jesosy ary maty. — Matio 26:⁠36 ka hatramin’ny 27:⁠50; Lioka 22:⁠39 ka hatramin’ny 23:⁠46; Jaona 18:⁠1 ka hatramin’ny 19:⁠30.

Hafa dia hafa noho i Adama i Jesosy. Tsy tia an’Andriamanitra i Adama; tsy nankato azy izy. Tsy tia antsika koa i Adama. Noho ny fahotany, dia teraka mpanota daholo isika. Jesosy kosa anefa nampiseho ny fitiavany an’Andriamanitra sy isika. Nankato azy foana izy ary nanome ny ainy, mba hanafoanana ny ratsy nataon’i Adama tamintsika.

Tsapanao ve ny zavatra mahatalanjona nataon’i Jesosy? — Rehefa mivavaka amin’Andriamanitra ianao, moa ve ianao misaotra azy noho izay nataon’ny Zanany? — Hasehonao amin’izany ny fankasitrahanao. Amin’ny fankatoavana tokoa an’ilay Mpampianatra Lehibe, dia hasehontsika bebe kokoa ihany fa mankasitraka azy aoka izany isika noho ny nanomezany ny ainy ho antsika.

(Mba hampitomboana ny fankasitrahantsika an’i Jesosy, dia hovakintsika ny Jaona 3:⁠16; Romana 5:8, 19; 1 Timoty 2:5, 6; Matio 20:⁠28.)