Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nanompo ny Hafa Ilay Mpampianatra Lehibe

Nanompo ny Hafa Ilay Mpampianatra Lehibe

Toko Faha-6

Nanompo ny Hafa Ilay Mpampianatra Lehibe

TIANAO ve ny hotompoina? — Tian’ny hafa koa ny hotompoina. Tia izany isika rehetra. Fantatr’ilay Mpampianatra Lehibe izany ary tsy nitsahatra nanompo ny hafa izy. Hoy izy: ‘Tsy tonga mba hotompoina aho, fa mba hanompo’. — Matio 20:28.

Raha maniry hitovy amin’ilay Mpampianatra Lehibe isika, inona no tokony hataontsika? — Manompo ny mpiara-belona amintsika, manao zavatra tsara ho azy ireny.

Marina fa tsy manao izany ny ankamaroan’ny olona. Raha ny marina, dia maniry hotompoina ny ankamaroany. Na dia ireo mpianatr’i Jesosy aza dia nieritreritra toy izany tamin’ny fotoana sasany. Naniry ho ny nalaza indrindra ny tsirairay avy taminy.

Fantatr’i Jesosy fa tsy tsara ny hieritreretana toy izany. Noho izany, indray andro, dia nanome lesona tsy hohadinoin’izy ireo mihitsy izy.

Raha mbola niara-nisakafo izy ireo, dia niala avy teo amin’ny latabatra i Jesosy ka naka rano tamin’ny siny. Nitety ny rehetra izy ka nanasa ny tongony. Nofafany tamin’ny servieta izany. Tsapanao ve izany? Raha teo ianao ka nanasa ny tongotrao i Jesosy, inona no ho noeritreretinao? —

Nieritreritra ireo mpianatr’ilay Mpampianatra Lehibe fa tsy tsara ny hanompoan’i Jesosy azy ireo amin’izany fomba izany. Tsy nety namela an’i Jesosy hanao io asa ambany io ny iray tamin’izy ireo. Nanambara anefa i Jesosy fa zava-dehibe ny hanaovany toy izany.

Tsy manana fahazarana mifanasa tongotra isika amin’izao andro izao. Fahita anefa izany fony tetỳ an-tany i Jesosy. Fantatrao ve ny antony? —

Tany amin’ilay tany nonenan’ireo mpianatra, dia nanana kapa nampiseho tongotra ny olona. Noho izany, rehefa avy nandeha teny amin’ny lalan-tany izy ireny, dia feno vovoka ny tongony. Fanehoana hatsaram-po àry ny fanasana ny tongotry ny olona iray nitsidika anao.

Tamin’io andro io anefa, dia tsy nisy na dia iray aza tamin’ireo mpianatr’i Jesosy nanolo-tena hanasa ny tongotry ny namany. Nataon’i Jesosy àry izany. Nomeny azy ireo tamin’izany ny lesona lehibe iray nilainy. Tokony hianatra izany isika amin’izao andro izao.

Araka ny hevitrao, inona moa io lesona io? — Rehefa avy niverina teo amin’ny toerany i Jesosy dia nanazava hoe: ‘Fantatrareo ve izay nataoko taminareo? Miantso ahy hoe “Mpampianatra” sy “Tompo” ianareo, ary marina ny filazanareo. Koa raha izaho, na dia Tompo sy Mpampianatra aza, no nanasa ny tongotrareo, dia mba tokony hifanasa tongotra koa ianareo’. — Jaona 13:2-14.

Nasehon’ilay Mpampianatra Lehibe fa niriny ny hahita ireo mpianany hifanompo fa tsy hoe tsy hieritreritra afa-tsy ny tenan’izy ireo. Tsy tiany ny hiheveran’izy ireo tena ho ambony loatra sy ny hanantenany ny hotompoina foana. Niriny ny hahavonona an’ireo mpianany hanompo ny mpiara-belona aminy.

Tsy lesona tsara dia tsara ve izany? — Hanahaka an’ilay Mpampianatra Lehibe ve ianao amin’ny fanompoana ny mpiara-belona aminao? — Afaka manao toy izany daholo isika.

Tsy sarotra ny manompo ny hafa. Raha mandinika tsara ianao, dia hahatsapa fa afaka manao zavatra be dia be ho azy ireny ianao.

Mieritrereta kely ange! Tsy ho afaka hanampy ny mamanao ve ianao? Fantatrao fa miasa mafy ho anao sy ho an’ny fianakaviana manontolo izy. Afaka manampy azy ve ianao? — Nahoana no tsy manontany izany azy? —

Mety ho azonao atao angamba ny mandahatra ny lovia aman-tsotro eo amin’ny latabatra na manala izany rehefa vita ny sakafo. Mamoaka ny fasiam-pako isan’andro ny ankizy sasany. Na inona na inona ataonao, dia hanompo ny mpiara-belona aminao toy ny nataon’i Jesosy ianao.

Manana zandry ho azonao tompoina ve ianao? — Tadidio fa nanompo ireo mpianany mihitsy aza i Jesosy, ilay Mpampianatra Lehibe. Hanahaka azy ianao raha manampy ny zandrinao.

Inona no azonao atao ho azy? Mahita hevitra ve ianao? — Azonao atao ny manampy azy hianatra hampirina ireo kilalaony. Na hanampy azy handeha hatory ianao. Toy ny nitiavan’ireo mpianatra an’i Jesosy, dia ho tia anao ireo zandrinao raha manao izany ianao.

Afaka manompo ny mpiara-belona aminao koa ianao any an-tsekoly. Raha misy mandatsaka ny bokiny, dia haneho hatsaram-panahy ianao amin’ny fanampiana azy hitsimpona izany. Afaka manolo-tena hamafa ny solaitrabe na hanao zavatra hafa ianao. Na dia ny fitanana ny varavarana hivoha mba hamelana olona handalo aza dia efa fanompoana mampiseho hatsaram-panahy.

Indraindray dia tsy misaotra antsika ireo olona tompointsika. Tokony hanakivy antsika tsy hanao izay tsara ve izany? — Tsia. Be dia be ny olona tsy nisaotra an’i Jesosy noho ireo asany tsara dia tsara. Tsy nisakana azy tsy hanao ny tsara anefa izany.

Aoka isika tsy ho voasakana tsy hanompo ny mpiara-belona amintsika mihitsy. Aoka harahintsika foana ny ohatr’i Jesosy.

(Mandrisika antsika mba hanampy ny hafa ny andinin-tenin’ny Baiboly hafa; vakio ny Romana 15:1, 2; Ohabolana 3:27, 28; Galatiana 6:⁠2.)