Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nifaoka Tontolo Iray ny Rano

Nifaoka Tontolo Iray ny Rano

Toko Faha-31

Nifaoka Tontolo Iray ny Rano

TIANAO ve ny milalao? — Tiako koa. Tsy mahafinaritra erỳ ve izany? — Fantatrao ve anefa fa mampidi-doza ny ho variana milalao loatra? — Mety hanadino ny hihaino an’Andriamanitra isika. Fantatrao ve izany? —

Tsy niafina tamin’ilay Mpampianatra Lehibe fa nitranga tamin’ny tontolon’olona manontolo izany taloha. Hoy ny nambarany: ‘Nihinana ny olona. Nisotro izy ireo. Nampaka-bady izy ireo.’ Tsy ratsy akory ny mihinana, misotro na mampaka-bady. Variana aoka izany tamin’ireo zavatra ireo anefa izy ireny ka tsy naka fotoana hihainoana an’Andriamanitra. Tsy tsara izany.

Inona no nitranga tamin’izy ireo? — Nanampy teny toy izao i Jesosy: “Tsy fantany mandra-pihavin’ny Safo-drano izay nandringana ny olona rehetra.” Niresaka ny amin’ny olona maty tamin’ny andron’i Noa izy, fony nandrakotra ny tany manontolo ny ranon’ny safo-drano. — Matio 24:37-39.

Nilaza i Jesosy fa tokony ho fianarana ho antsika izay nanjo ireny olona ireny. Zava-dehibe àry ny hahafantarantsika izay rehetra mahakasika ny safo-drano.

Voalohany indrindra, nahoana moa no nahatonga ny safo-drano i Jehovah? — Satria nanao ratsy ny olona. Nahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra anefa ny lehilahy iray. Iza moa izany? — Noa. Tia an’i Jehovah Andriamanitra izy ary tsy hoe sahirana loatra mihitsy ka tsy ho afaka hihaino azy. Moa ve tsy tokony ho toy izany isika? —

Indray andro, dia nilaza tamin’i Noa i Jehovah fa handringana ny olona rehetra izay tsy nitsahatra nanao ratsy izy. Hataony avy be ny orana ka hanarona ny tany manontolo, hatramin’ireo tendrombohitra koa aza, ny rano.

Ho faty koa ve i Noa? — Tsia. Hamonjy azy i Jehovah. Nilazany izy mba hanamboatra sambo fiara goavana iray. Izy io dia karazan-tsambo mitovy kokoa amin’ny kesika na vata lehibe dia lehibe izay mitsinkafona eny ambonin’ny rano. Nilaza taminy i Jehovah mba hanamboatra azy io ho ampy habe mba hahafahan’izy sy ny fianakaviany mbamin’ny biby maro hialoka tao.

Mbola tsy nanamboatra sambo fiara mihitsy i Noa. Nihaino ireo toromarik’Andriamanitra anefa izy, ary niasa tamim-pahazotoana izy mianakavy. Nikapa hazo be izy ireo mba hanombohana ny fanamboarana. Nila taona maro izy ireo, satria tokony ho lehibe dia lehibe ilay sambo fiara.

Moa ve i Jehovah nanome ho an’ny olon-kafa fahafahana hiditra tao amin’ilay sambo fiara mba hahavoavonjy azy? — Eny. Nilaza tamin’i Noa izy mba hitory. Nandritra ireo taona rehetra nanamboarana, dia ­nampiomana ny olona ny amin’ny hahatongavan’ny safo-drano tsy ho ela i Noa.

Nisy nihaino ve? — Ny fianakavian’i Noa ihany no nihaino. Sahirana loatra ny hafa rehetra. Tsy nihevitra ny tenany ho ratsy toy izany izy ireny ary tsy naka fotoana hihainoana.

Tamin’ny farany, ny biby rehetra tian’i Jehovah hovonjena dia nentina tao anaty sambo fiara. Tonga ny fotoana mba hidiran’ny olona tao koa, ka nanao izany ry Noa mianakavy. Avy eo dia nakaton’i Jehovah ny sambo fiara. Diso aoriana loatra tamin’izay ka tsy nisy olon-kafa afaka niditra tao intsony.

Tsy nino ny safo-drano ireo olona tafajanona tany ivelany. Nilatsaka tampoka anefa ny rano. Marina ny voalazan’i Noa!

Tsy orana tsotra fotsiny akory izany fa rano mahery. Nitosaka niteraka firohondrohona nahatahotra ny rano. Niongotra ny hazo lehibe ary nikodiadia toy ny vatokilonjy fotsiny ny vatolampy.

Ary ireo olona tany ivelan’ny sambo fiara? — Hoy i Jesosy: ‘Avy ny Safo-drano izay nandringana ny olona rehetra.’ Tsy nisy nilana mihitsy ny hierena teny amin’ireo havoana. Avy toy izany ny orana nandritra ny efapolo andro sy efapolo alina. Tsy ela dia voasaron’ny rano ny tany manontolo. Ringana ny olona rehetra tany ivelan’ny sambo fiara. Nahoana? — Satria ‘tsy nihaino izy ireo’.

Nitsinkafona teo ambonin’ny rano anefa ny sambo fiara. Tsy naninon-tsy naninona ry Noa mianakavy sy ireo biby. Niaro ireo izay nihaino azy i Jehovah. — Genesisy 6:⁠5 ka hatramin’ny 7:⁠24.

Nahoana moa isika no tokony hahafantatra izay nitranga tamin’ny andron’i Noa? Tadidinao ve izay nambaran’i Jesosy? — Nilaza izy fa tokony hampiasaina ho lesona ho antsika izany. Handringana indray ny ratsy fanahy rehetra i Jehovah, kanefa, tsy ho amin’ny alalan’ny safo-drano. Akaiky ankehitriny io fandringanana io.

Rehefa handray anjara Andriamanitra, karazan’olona manao ahoana no hovonjeny? — Moa ve ireo izay sahirana loatra ka tsy afaka mianatra mahafantatra an’Andriamanitra na mianatra ny Baiboly? — Ireo izay tsy ho nety nanatrika ireo fivoriana ianarana ny sitrapon’Andriamanitra mihitsy ve? Ahoana ny hevitrao? —

Moa ve isika tsy maniry ho anisan’ireo izay hovonjen’Andriamanitra? — Tsy hahafinaritra erỳ ve raha sahala amin’ny an’i Noa ny fianakaviantsika ka vonjen’Andriamanitra? — Aoka isika hifanampy foana mba hitoetra ho mahatoky eo anatrehan’Andriamanitra, mba hamonjeny antsika rehetra.

(Tokony haka fotoana hihainoana an’Andriamanitra isika. Vakio ny voalaza ao amin’ny Hosea 4:⁠6; Matio 13:18-22; Deoteronomia 30:15, 16.)