Ny Asa dia Fitahiana
Toko Faha-23
Ny Asa dia Fitahiana
INONA no tianao kokoa: ny miasa sa ny milalao? — Marina fa tiantsika rehetra ny milalao. Kanefa ho tsara ve ny hilalaovana foana? — Efa mba noeritreretinao ve izay hitranga raha tsy misy olona miasa mihitsy? —
Avy aiza ny sakafo haninao? — Avy amin’ny zavamaniry sy ny hazo ny ankabetsahany. Kanefa raha tsy misy olona mamboly voankazo sy legioma mihitsy, inona no hohaninao? Tsy mahafinaritra ve ny fisian’ny olona miasa mba hanananao hanina? —
Tsy isalasalana fa manana farafara ianareo ao an-tranonareo. — Manana seza sy latabatra ianareo. — Tsy mahafaly anao ve ny nisian’olona namboatra izany? —
Ahoana ny hevitr’ilay Mpampianatra Lehibe ny amin’izany? Aoka hojerentsika.
Fony mbola ankizy izy dia niasa tamin’ny hazo tao amin’ny trano fandrafetana iray. Nitaiza an’i Jesosy toy ny zanany naterany i Josefa izay mpandrafitra. Izany no antony niresahan’ny Baiboly an’i Jesosy ho “Zanaky ny mpandrafitra”. Tamin’izany fotoana izany, dia nianatra ny asan’ny rainy ny ankizilahy. — Matio 13:55.
Tsy maintsy ho mafy izany tamin’ny voalohany. Noho ny fanandraman-javatra anefa, dia nianatra Marka 6:3.
niasa tsara i Jesosy. Tonga mpandrafitra izy. —Heverinao ve fa nitondra fifaliana ho an’i Jesosy io asa io? — Ho faly ve ianao afaka namboatra latabatra tsara tarehy na seza tsara tarehy? — Milaza ny Baiboly fa tsara ny ‘mifaly amin’ny asan’ny tena’. Mitondra fahafinaretana tsy mety ho tsapa rehefa milalao ny asa. Tsara ny milalao, kanefa ratsy ny milalao foana. — Mpitoriteny 3:22.
Tsy mpandrafitra nandritra ny androm-piainany akory i Jesosy. Nanankina taminy asa nanirahana manokana teto an-tany i Jehovah. Fantatrao ve hoe inona izany? — Hoy i Jesosy: “Tsy maintsy mitory ny teny soa mahafaly ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra (...) Aho, satria izany no nanirahana Ahy.” Nirin’Andriamanitra ny hitorian’i Jesosy. — Lioka 4:43.
Nanao ahoana ny fiheveran’i Jesosy izany? Vonona ny hanao io asa io ve izy? —
Hoy izy: “Ny haniko dia ny manao ny sitrapon’Izay naniraka Ahy sy ny mahavita ny asany.” Tianao ve ny sakafo tsara? — Asehon’izany aminao fa tian’i Jesosy aoka izany ny asa nankinin’Andriamanitra taminy. —Nataon’Andriamanitra ho sambatra amin’ny fiasana isika. Lazainy amintsika fa nomeny ny olombelona ny ‘hifaly amin’ny fisasarany [asany mafy, NW ]’. Koa raha mianatra miasa mandritra ny fahatanoranao ianao, dia ho sambatra kokoa ny fiainanao. — Mpitoriteny 5:18.
Mazava ho azy fa tsy afaka manao ny asan’ny lehilahy iray ny ankizy iray; afaka manao ny asa sasany anefa isika rehetra. Miasa isan’andro ny dadanao mba hanananao sakafo sy fonenana. Fantatrao ve izay ataony? — Tsy ho an’ny tenany ihany no iasany fa ho an’ny fianakaviana manontolo. Manomana ireo sakafo ny mamanao ary mikarakara ny trano sy ny fitafiana.
Inona no azonao atao mba hahasoa ny fianakaviana manontolo? — Afaka mandahatra ny eo ambonin’ny latabatra ianao, mamafa lovia, mamafa ny efitranonao sy mampirina ireo kilalaonao. Angamba efa manao ny sasany amin’ireny zavatra ireny ianao. Tena fitahiana tokoa ve izany? —
Aoka hojerentsika ny hoe nahoana no fitahiana ny asa. Ilaina ny mampirina ireo kilalaonao rehefa avy nilalao. Nahoana no zava-dehibe izany? — Manampy mba hisian’ny filaminana ao an-trano izany. Mety ho fisorohana ny loza koa izany. Raha tsy ampiriminao izy
ireo, dia mety handalo ny mamanao ka hanitsaka ny iray aminy. Mety ho tafintohina sy hianjera ary haratra eo amin’ny loha izy. Ho voatery ho any amin’ny hopitaly angamba izy. Tsy hahatsiravina ve izany? — Ho fitahiana ho an’ny rehetra àry raha mampirina ireo kilalaonao ianao.Afaka manao zavatra hafa koa ny ankizy. Ny asa any am-pianarana no eritreretiko. Mianatra mamaky teny ianao any an-tsekoly. Ny sasany mahita izany ho mahafinaritra, ny hafa kosa milaza fa sarotra izany. Na dia tena sarotra aza izany eo am-boalohany, dia ho faly ianao hianatra hamaky teny tsara. Rehefa avy eo, dia ho afaka hianatra zavatra be dia be ianao. Ho afaka hamaky irery ny Baiboly ianao. Rehefa miasa tsara ianao any am-pianarana, moa ve tsy tena fitahiana izany? —
Misy mitady hanalavitra izay rehetra mety ho asa. Mahafantatra amin’izy ireny angamba ianao. Kanefa, noho isika nataon’Andriamanitra hiasa, dia tokony hianatra hifaly ao amin’ny asa isika.
Indreto misy fanipazan-kevitra vitsivitsy hanampy anao. Rehefa manana asa hatao ianao, dia manontania tena hoe nahoana no ilaina izy io. Mora kokoa ny manatanteraka azy rehefa fantatra izany. Na zava-dehibe ilay izy na tsia, dia ataovy araka ny mety. Amin’ny fanaovana toy izany, dia hifaly amin’ny asan’ny tananao ianao ary hahafantatra fa tena fitahiana tokoa ny asa.
(Mampianatra ho tonga mpiasa tsara ny Baiboly. Vakio ny Kolosiana 3:23; Ohabolana 10:4; 22:29; Mpitoriteny 3:12, 13, 22.)