Ny Fanampian’ireo Anjelin’Andriamanitra
Toko Faha-24
Ny Fanampian’ireo Anjelin’Andriamanitra
MISY milaza fa tsy mino afa-tsy izay hitany izy. Hadalana izany, satria misy zavatra maro tsy hitantsika. Mahalala amin’izany ve ianao? —
Ary ny rivotra? Mifoka azy isika. Tsapantsika ve izany? — Atsangano ange ny tanana e. Hitsoka eo aho. Misy zavatra tsapanao ve? — Eny, kanefa mahita ny rivotra ve isika? —
Misy olona tsy mety ho hitantsika ve? — Eny. Andriamanitra, ohatra. Mbola tsy nahita azy mihitsy aho, nefa hitako izay noforoniny. Ianao koa, sa tsy izany? — Fantatsika àry fa misy Andriamanitra.
Milaza ny Baiboly fa namorona olona maro Andriamanitra, mba hiara-miaina aminy any an-danitra. Afaka mahita azy ireny Andriamanitra, ary afaka mahita an’Andriamanitra izy ireny. Tsy afaka mahita azy ireny kosa anefa isika. Nataony mahery dia mahery izy ireny, mihoatra lavitra noho ny olombelona. Antsoina hoe anjely ireny zavaboary ireny.
Nahafantatra zavatra be dia be momba ireo anjely ilay Mpampianatra Lehibe. Iray tamin’ireny koa aza ny tenany fony izy tany an-danitra ka niara-niaina tamin’ireo anjely hafa an-tapitrisany maro. Mihevitra antsika izy ireny raha manompo an’i Jehovah isika.
Nisy lehilahy iray nantsoina hoe Daniela izay nanompo an’i Jehovah. Tany Babylona izy. Be dia be ny Daniela 6:18-22.
olona tsy tia an’i Jehovah tany. Natsipin’izy ireo tao an-davaky ny liona mihitsy aza i Daniela, satria nanohy nivavaka tamin’i Jehovah. Inona no hiafaran’i Daniela teo afovoan’ireo liona noana rehetra ireo? ‘Naniraka ny anjeliny Andriamanitra ka nanakombona ny vavan’ny liona.’ Voavonjy i Daniela! Afaka manao zavatra mahatalanjona ireo anjely. —Ela be tatỳ aoriana, dia tany an-tranomaizina i Petera. Apostolin’ilay Mpampianatra Lehibe izy io. Nisy tsy tia ny nandre azy nilaza fa Zanak’Andriamanitra i Jesosy. Nampidirin’izy ireo an-tranomaizina àry i Petera. Nisy miaramila niambina azy sao nandositra izy. Nisy afaka nanampy an’i Petera ve? —
Natory nifatotra rojo vy teo anelanelan’ny mpiambina roa izy. Izao anefa no lazain’ny Baiboly amintsika: “Indro, nisy anjelin’ny Tompo tonga teo, sady nisy mazava namirapiratra tao an-trano; ary izy nanohina ny tehezan’i Petera, dia namoha azy ka nanao hoe: Mitsangàna faingana.”
Nianjera avy teny amin’ny tanan’i Petera ny rojo vy ary hoy ilay anjely taminy: ‘Miakanjoa, ampidiro ny kapanao, dia manaraha ahy.’ Tsy nahatana azy ireo mpiambina, satria nampian’ilay anjely i Petera. Tonga teo amin’ny vavahady vy izy ireo ary nahagaga fa Asan’ny Apostoly 12:4-11.
nivoha ho azy io! Nivoaka i Petera sy ilay anjely. Nafahan’ilay anjely izy. —Hanampy antsika koa ve ireo anjely? — Eny. Milaza ve izany fa tsy hamela anao haratra mihitsy izy ireny? — Raha miampita eo anoloan’ny aotomobilina iray ianao, hiaro anao ve ny anjely iray? — Tsia. Tsy hiaro antsika izy ireny raha manao zavatra amin-kadalana isika. Raha mitsambikina eo amin’ny varavarankely iray avy eny amin’ny rihana ambony ianao, hisambotra anao ve ireo anjely? — Nampirisika an’i Jesosy hanao toy izany ny Devoly. Nanda anefa izy. Afaka manatsoaka lesona avy amin’izany isika. — Lioka 4:9-13.
Nanankina asa manokana amin’ny anjely Andriamanitra. Resahin’ny Baiboly amintsika ny amin’ny anjely iray izay milaza amin’ny olona rehetra mba hanompo an’Andriamanitra. — Apokalypsy 14:6, 7.
Amin’ny fomba ahoana no anaovan’ny anjely izany? Mikiakiaka avy any an-danitra ve izy ireo mba handrenesan’ny olona rehetra azy? — Tsia; miresaka ny amin’Andriamanitra amin’ny mpiara-belona aminy kosa ireo Kristiana marina, ary mitari-dalana azy ireny amin’ny asany ireo anjely. Ataony izay hananan’ireo tena maniry marina hahalala an’Andriamanitra fahafahana handre. Afaka mandray anjara amin’io asa io isika, dia hanampy antsika ireo anjely.
Ary raha mitondra fahasahiranana ho antsika ireo olona tsy tia an’Andriamanitra? Raha mampiditra antsika any an-tranomaizina toy ny natao tamin’i Petera izy ireny? Hanafaka antsika ve ireo anjely? — Mety ho afaka hanao izany izy ireo. Tsy manao toy izany foana anefa izy ireo.
Rehefa nampidirina an-tranomaizina ny apostoly Paoly, dia tsy nanafaka azy avy hatrany ireo anjely. Nisy mpigadra tokony handre firesahana ny amin’Andriamanitra sy i Kristy. Nisy filoha tokony handre firesahana ny amin’izany koa. Hampifankahalalaina amin’izy ireny i Paoly, ka izany dia hahatonga azy ho afaka hiresaka aminy. Fantatr’ireo anjely foana anefa izay nisy an’i Paoly ka nanampy azy izy ireo. Hanampy antsika koa izy ireny raha manompo amim-pahatsorana an’Andriamanitra isika. —Tsy ho ela ireo anjely dia hanatanteraka asa lehibe dia lehibe. Akaiky ny fandringanan’Andriamanitra ny ratsy fanahy rehetra. Haringana daholo izay rehetra tsy manolotra fanompoam-pivavahana aminy. Hahatsapa ny fahadisoan-keviny ny olona izay milaza fa tsy mino ny anjely noho ny tsy fahitany azy ireny. Ho diso aoriana loatra anefa amin’izay. Tsy hisy ratsy fanahy ho afa-mandositra na dia iray aza. Ho hitan’ireo anjely izy rehetra. — 2 Tesaloniana 1:6-8.
Milaza inona ho antsika izany? — Raha miandany amin’ireo anjely isika, dia ho rahalahy ho antsika izy ireny. Tsy hisy na inona na inona tokony hatahorantsika, satria hanampy antsika izy ireny.
Kanefa, miandany amin’izy ireny ve isika? — Eny, raha manompo an’i Jehovah isika. Raha izany no izy, dia hanasa ny mpiara-belona amintsika hanompo azy koa isika.
(Mba hahafantarana tsara kokoa ny herin’ny anjely eo amin’ny fiainan’ny olona, dia vakio ny Salamo 34:7; Matio 18:10; Asan’ny Apostoly 8:26-31.)