Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Fomba Ilazana Amin’Andriamanitra hoe: ‘Tiako Ianao’

Ny Fomba Ilazana Amin’Andriamanitra hoe: ‘Tiako Ianao’

Toko Faha-45

Ny Fomba Ilazana Amin’Andriamanitra hoe: ‘Tiako Ianao’

FANTATRAO ve fa misy tia anao talohan’ny hahaterahanao mihitsy aza? — Marina fa nanampo ny hahatongavanao izahay. Tsy fantatray anefa hoe hitovy amin’iza ianao. Mbola tao an-kibon’ny mamanao ianao. Efa nanao zavatra be dia be anefa ny dadanao sy ny mamanao mba hampisehoana aminao ny fitiavany.

Araka izany, raha vao teraka ianao dia efa nanana fitafiana sy fandriana kely hatoriana.

Toy inona anefa ny fifaliana rehefa nahita anao ny dadanao sy ny mamanao! Tia anao avy hatrany izy, ary mbola tia anao ihany. Tia ny dadanao sy ny mamanao koa ve ianao? —

Mieritreritra olona tia anao talohan’ny nahaterahanao mihitsy koa anefa aho. Fantatrao ve hoe iza izany? — Jehovah Andriamanitra. Raha ny marina dia tia antsika rehetra izy talohan’ny hahaterahantsika. Ahoana anefa no ahafantarantsika izany? —

Satria efa ela be tokoa izay, dia naniraka ny Zanany izy mba hanome ny ainy ho antsika. Ankoatra izany, Andriamanitra dia hahatonga ny tany ho zaridaina mahafinaritra hahafahantsika hiaina mandrakizay ao anatin’ny fahasambarana, raha maniry izany anefa isika.

Manao ahoana ny fihetseham-ponao amin’Andriamanitra? — Tia azy aoka izany ny tenako ka maniry hanompo azy mandritra ny androm-piainako rehetra aho. Ary ianao? —

Fa ahoana no ahafahantsika milaza amin’Andriamanitra fa tia azy isika? — Fantatr’i Jesosy izany ka nolazainy tamintsika. Andeha hojerentsika izany.

Indray andro, dia nankeny amoron’i Jordana izay nisy an’i Jaona Mpanao batisa izy. Nidina tao anaty rano i Jesosy sy i Jaona. Tonga hatreo am-balahany izany. Araka ny hevitrao, hanao inona izy ireo? —

Nisakambina ny sorok’i Jesosy i Jaona Mpanao batisa. Avy eo dia nalentiny tao anaty rano nandritra ny iray segondra izy ary dia navoakany avy tao. Nataony batisa izy. Nahoana? Nangataka azy mba hanao toy izany i Jesosy. Fa nahoana? Fantatrao ve? —

Nanao toy izany i Jesosy mba hampisehoana tamin’Andriamanitra fa naniry hanompo azy mandritra ny androm-piai­nany rehetra izy, eny, ho mandrakizay. Nirin’Andriamanitra anefa ve ny handentehana an’i Jesosy tao anaty rano toy izany? — Eny. Ahoana no ahafantarantsika izany?—

Satria rehefa nivoaka avy tao amin’ny rano i Jesosy, dia reny avy tany an-danitra ny feo avo iray nilaza hoe: ‘Zanako tiako ianao. Ankasitrahako tokoa ianao.’ — Marka 1:9-11.

Inona no nataon’i Jesosy taorian’izany? — Nanomboka niresaka ny amin’Andriamanitra tamin’izay rehetra naniry handre izany izy. Nitory ny Fanjakan’Andriamanitra tamin’izy ireo izy ka nampiseho taminy ny fomba nahafahany ho velona mandrakizay.

Nisy lehilahy sy vehivavy nino ny tenin’ilay Mpampianatra Lehibe. Nalahelo anefa izy ireo. Fantatrao ve hoe nahoana? —

Satria nieritreritra ireo zavatra ratsy maro nataony izy ireo. Fantany fa tsy nahafaly an’Andriamanitra izany. Tsy niafina taminy fa, araka ny Baiboly, dia ratsy ireny zavatra ireny. Niriny anefa izao ny hanahaka an’i Jesosy sy hanao izay hahafaly an’Andriamanitra. Fantatrao ve izay nataon’izy ireo? —

Nangataka mba hatao batisa toy ny nataon’i Jesosy izy ireo. Tiany ny hilaza tamin’Andriamanitra fa tia azy izy ireo ary naniry hanompo azy mandritra ny androm-piainany rehetra.

Afaka manao toy izany koa isika amin’izao andro izao. Mazava ho azy fa ilainao aloha ny hihalehibe. Kanefa mila ny androm-piainana manontolo ve ianao mba hahatongavana ho lehibe? — Mazava ho azy fa tsia. Ho lehibe ianao indray andro any. Inona no hataonao amin’izay? —

Hanahaka an’i Jesosy ve ianao? — Hanahaka ireny lehilahy sy vehivavy nino azy ireny ve ianao? Hanatona mba hatao batisa ve ianao? — Raha izany no izy dia hilaza amin’Andriamanitra ianao fa tia azy ianao ka maniry hanompo azy mandritra ny androm-piainanao rehetra. Mirary tokoa ny hanaovanao izany aho, ary ho faly dia faly amin’izany koa Andriamanitra.

Rehefa tonga olon-dehibe ny tena dia afaka manao zavatra be dia be. Ny sasany miara-miaina amin’ny fianakaviany. Miasa izy ireny ary mahazo vola, ka izany dia mahatonga azy ireny ho afaka hividy ireo zavatra ilain’ny fianakaviana. Mividy fitafiana, sakafo sy fanaka ary aotomobilina mihitsy aza izy ireny. Tsara izany. Kanefa moa ve amin’izany fomba izany no ampisehoantsika ny fitiavantsika an’Andriamanitra? Amin’izany ve no anehoantsika aminy ny faniriantsika hanompo azy mandritra ny androm-piainantsika rehetra? —

Olona maro be no tsy maniry hihaino akory aza rehefa misy mitady hiresaka momba ny Baiboly amin’izy ireo. Ny sasany mahalana vao miresaka ny amin’Andriamanitra na ny amin’ilay Mpampianatra Lehibe, na dia amin’ireo zanany aza. Ny hafa tsy misaotra azy noho ny sakafo haniny ary tsy mivavaka aminy mihitsy amin’ny hariva. Tsy tena tia an’Andriamanitra izy ireny, sa tsy izany? — Irinao ve ny ho tonga lehibe ka ho tahaka azy ireny? — Hampalahelo raha izany.

Ilay Mpampianatra Lehibe dia niresaka ny amin’Andriamanitra tamin’ny karazan’olona rehetra, anisan’izany ny ankizy kely. Tiany ny niresaka ny amin’Andriamanitra sy ny amin’ny zavatra tsara hataony ho an’ireo izay tia azy. Nanana fahatsorana izy rehefa nilaza tamin’Andriamanitra hoe: ‘Ray ô, tia anao aho ka maniry hanompo anao mandrakizay.’ Ianaro izay rehetra azonao ianarana momba ilay Mpampianatra Lehibe raha mbola tanora ianao. Enga anie ny fitiavana an’i Jehovah Andriamanitra hameno ny fonao! Araka izany dia hanana fahatsorana koa ianao rehefa hilaza amin’Andriamanitra hoe: ‘Tia anao aho ka maniry hanompo anao mandrakizay.’

(Indreto misy andinin-teny hafa mampiseho ny fomba azontsika anehoana ny fitiavantsika an’Andriamanitra: Matio 6:24-33; 24:⁠14; 1 Jaona 2:15-17; 5:⁠3.)