Ny Mahatonga ny Olona Hanao Zavatra Ratsy
Toko Faha-18
Ny Mahatonga ny Olona Hanao Zavatra Ratsy
TSY hahafinaritra ve raha manao ny tsara daholo ny olona rehetra? — Tsy hisy hanao ratsy amin’ny mpiara-belona aminy.
Misy olona manao ny tsara foana ve anefa? Ahoana ny hevitrao? — Milaza amintsika ny Baiboly fa manao ny tsara foana i Jehovah. Toy izany koa i Jesosy. Tsy misy na dia iray aza amintsika kosa anefa ka hoe tsy manao afa-tsy zavatra tsara.
Afaka mitady hanao ny tsara isika; manana eritreri-dratsy anefa isika indraindray, sa tsy izany? — Manao ratsy isika indraindray. Ninia tsy nankato an’Andriamanitra i Adama, lehilahy voalohany. Ratsy dia ratsy izany. Noho izany, dia teraka tsy lavorary daholo isika. Zanak’i Adama isika rehetra. Izany no antony mahatonga ny olona hanao zavatra ratsy, na dia rehefa tsy maniry hanao izany aza izy.
Ny olona sasany minia manao ratsy. Mankahala ny mpiara-belona aminy izy ireny ary mitady izay hanisiana ratsy azy. Heverinao ve fa afaka miova sy mianatra hanao ny tsara izy ireny? —
Manome antsika ohatra ny amin’ny olona niova ny Baiboly. Hiresaka aminao ny amin’ny iray amin’izy ireny aho. Hiarahantsika mijery ny antony nanaovan’io lehilahy io ratsy.
Saoly no anarany ary tia fivavahana tokoa izy io. Izy io dia anisan’ny antokom-pivavahana izay ny mpikambana tao aminy dia nantsoina hoe Fariseo. Nanana ny Tenin’Andriamanitra izy ireo, kanefa liana kokoa tamin’ny fampianaran’ny sasany tamin’ireo filohany. Fahendrena ve izany? — Nety ho niteraka fahasahiranana ho azy ireo izany.
Indray andro, raha tany Jerosalema i Saoly, dia nosamborina i Stefana, mpianatr’i Jesosy. Nentina teo anatrehan’ny fitsarana, izay Fariseo ny mpitsara vitsivitsy tao, izy. Na dia nisy zavatra ratsy be dia be nolazaina momba azy aza, dia tsy natahotra i Stefana. Niteny tamim-pahasahiana tamin’ireo mpitsara izy ary nanao fanambarana momba an’Andriamanitra sy momba an’i Jesosy.
Tsy nankasitraka ny teniny anefa ireo mpitsara ireo. Tezitra izy ireo ka nisambotra an’i Stefana sy nitaritarika azy ho any ivelan’ny tanàna. Nazerany tamin’ny tany izy io ary notorahany vato mandra-pahafatiny.
Nanatrika ny namonoana an’i Stefana i Saoly
ary nankasitraka izany. Fa ahoana no nety ho nahatonga azy hanao zavatra ratsy toy izany? —Nampianarina toy ireo Fariseo i Saoly. Nilazana foana izy fa marina ny voalazan’izy ireo. Ohatra tokony harahina ireny lehilahy ireny taminy.
Rehefa maty i Stefana, dia naniry hamongotra ny mpianatr’i Jesosy hafa i Saoly. Niditra tao an-tranon’izy ireny izy ary nitaritarika ho any ivelany ny lehilahy sy ny vehivavy mba hasaina hampidirina an-tranomaizina. Mpianatra maro be no nandao an’i Jerosalema mba handositra an’i Saoly. Tsy nitsahatra ny nitory momba an’i Jesosy anefa izy ireo. — Asan’ny Apostoly 8:1-4.
Nampitombo ny fankahalan’i Saoly ireo mpianatr’i Jesosy izany. Nankany amin’ny mpisoronabe izy ka nahazo fahazoan-dalana hisambotra ireo Kristiana tany Damaskosy. Nisy zavatra nahatalanjona nitranga anefa teny an-dalana ho any Damaskosy.
Nisy fahazavana teny amin’ny lanitra nanjelajelatra aoka izany, hany ka nahatonga an’i Saoly ho jamba. Avy eo, dia nisy feo nanambara hoe: “Saoly, Saoly, nahoana hianao no manenjika Ahy?” Ny Tompo Jesosy no niteny avy any an-danitra! Nentina jamba nankany Damaskosy àry i Saoly.
Rehefa afaka telo andro, dia niseho tao amin’ny fahitana tamin’ny iray tamin’ireo mpianany nantsoina hoe Ananiasy i Jesosy. Nilazany izy io mba ho any amin’i Saoly mba hampahiratra ny masony sy hiresaka aminy. Vonona ny hihaino izao i Saoly. Nanaiky ny fahamarinana momba an’i Jesosy izy ary nahiratra indray ny masony. Niova fihetsika tanteraka izy ary tonga mpanompon’Andriamanitra nahatoky. — Asan’ny Apostoly 9:1-22.
Fantatrao ve izao ny antony nanaovan’i Saoly zavatra ratsy dia ratsy? — Nampianarina zavatra ratsy izy. Nanaraka olona nivadika tamin’Andriamanitra izay nametraka ireo hevitr’olombelona teo alohan’ny Tenin’Andriamanitra izy. Niova anefa i Saoly satria tsy tena nankahala ny fahamarinana izy.
Olona maro be no mitovy amin’i Saoly amin’izao andro izao. Afaka miova izy ireny, saingy tsy mora akory izany. Misy manao fiezahana lehibe tokoa mba hitaomana antsika hanao ratsy. Fantatrao ve hoe iza izany? — Niresaka momba azy io i Jesosy rehefa niteny tamin’i Saoly avy any an-danitra; hoy izy: “Maniraka anao aho mba hampahiratra ny masony hialany amin’ny maizina ho amin’ny mazava, ary amin’ny fahefan’i Satana ho amin’Andriamanitra.’ — Asan’ny Apostoly 26:17, 18.
I Satana Devoly tokoa no niandohan’ny fampianarana ratsy rehetra. Iriny ny hanaovan’ny olona ratsy. Faly ny Devoly raha zatra manao izany isika. Kanefa, tsy tiantsika ve ny hahafaly an’i Jehovah? — Ahoana no mety hahazoantsika antoka fa mahafaly azy isika? —
Hahafaly an’Andriamanitra isika raha mihaino ny Baiboly foana sy manao izay lazainy. Rehefa asehony amintsika fa ratsy izay ataontsika, dia tokony hitsahatra tsy hanao izany isika. Rehefa ambarany amintsika izay irin’Andriamanitra hataontsika, dia tokony ho dodona ny hankato isika. Amin’ny fanaovana izay mahafaly an’Andriamanitra, dia manatanteraka zavatra tsara dia tsara isika, satria tsara Andriamanitra.
(Hahazo fanampiana handa ny ratsy isika amin’ny famakiana ny Ohabolana 3:5-7; 12:15; 2:10-14; Salamo 119:9-11.)