Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Olona Roa Tsy Nilaza ny Marina

Olona Roa Tsy Nilaza ny Marina

Toko Faha-17

Olona Roa Tsy Nilaza ny Marina

AOKA hatao hoe milaza amin’ny reniny toy izao ny zazavavy kely iray: “Eny, hody aho raha vao mirava avy mianatra.” Misy ankizy hafa manasa azy hijanona sy hiara-milalao amin’izy ireo anefa. Raha mijanona izy, na dia vetivety monja aza, hanao tsara ve izy? —

Na mety hampanantena ny rainy toy izao ny zazalahy iray: “Tsia, tsy handefa baolina ho atỳ an-trano intsony aho.” Hanao tsara ve izy raha manao izany rehefa afaka kelikely, rehefa tsy mijery azy ny rainy? —

Asehon’ilay Mpampianatra Lehibe antsika izay tsara. ‘Aoka ny Eny lazainareo hidika hoe Eny, ary ny Tsia lazainareo, hidika hoe Tsia; satria izay lazaina mihoatra noho izany dia avy amin’ilay ratsy.’ — Matio 5:⁠37.

Inona no tian’i Jesosy holazaina? — Fa tokony hitana ny teny nataontsika isika ary hilaza ny marina.

Intỳ misy tantara mampiseho ny maha-zava-dehibe ny hilazana ny marina. Izany dia momba ny olona roa nilaza tena ho mpianatr’i Jesosy.

Fotoana fohy taorian’ny nahafatesan’i Jesosy, dia olona maro be no tonga mpianany. Ny sasany tonga tao Jerosalema avy tany amin’ny faritra lavitra. Vao voalohany no nandrenesany firesahana ny amin’i Jesosy ary tiany ny hahafantatra bebe kokoa ny amin’izany. Nijanona naharitra kokoa tao Jerosalema tsy araka ny niheverana azy izy ireo. Tsy nanam-bola ny sasany tamin’izy ireo ka nila fanampiana mba hividianana sakafo.

Naniry hanampy azy ireny ireo mpianatra tao Jerosalema. Maro be tamin’izy ireo no nivarotra ny sasany tamin’ny fananany ka nitondra ny vola teo amin’ireo apostolin’i Jesosy. Nozarain’ireo tamin’izay nila azy izany.

Nivarotra saha ny mpianatra iray nantsoina hoe Ananiasy sy i Safira vadiny. Tsy nisy nanery azy ireo hanao izany. Ny tenan’izy ireo ihany no nanapa-kevitra hanao izany, kanefa tsy noho ny fitiavana ireo mpianatra vaovao. Tiany ny hiheveran’ny hafa azy ho tsara kokoa tsy araka ny naha-izy azy ireo. Nanapa-kevitra àry izy ireo ny hiseho ho toy ny hoe nanome ny vola azo rehetra. Raha ny marina, dia ampahany monja no homeny ary hotanany ny sisa. Ahoana no fiheveranao izany? —

Nanatona an’ireo apostolin’i Jesosy aloha i Ananiasy. Nomeny azy ireo ny vola, nefa tsy izy rehetra. Fantatr’Andriamanitra izany. Nambarany tamin’i Petera àry fa tsy nilaza ny marina i Ananiasy. Dia hoy i Petera taminy:

‘Ry Ananiasy, nahoana ianao no namela an’i Satana hanan-kery ao aminao toy izao? Anao ny tany. Tsy voatery nivarotra azy ianao. Ary rehefa avy nivarotra azy ianao, dia anjaranao ny manapa-kevitra ny amin’ny fomba hampiasana ny vola. Nahoana ianao no nanantitrantitra fa nanome ny vola rehetra, kanefa ampahany monja no nomenao? Tamin’izany, dia tsy taminay fotsiny ianao no nandainga, fa tamin’Andriamanitra.’

Ratsy izany. Nandainga i Ananiasy. Tsy nanao izay nihamboany ho natao izy mivady.

Milaza amintsika izay nitranga nanaraka izany ny Baiboly: ‘Rehefa nandre ny tenin’i Petera i Ananiasy dia nianjera ka maty.’ Novonoin’Andriamanitra izy. Nentina ny fatiny, dia nalevina.

Rehefa afaka adiny telo, dia tonga i Safira vadiny. Tsy fantany izay nitranga tamin’ny vadiny. Nanontany azy toy izao àry i Petera: ‘Ilay vola nomenareo anay ve no vidin’ny tany?’

Namaly toy izao i Safira: ‘Eny, iny vola iny no vidiny nivarotanay azy.’

Lainga izany. Notanany ny ampahany sasany tamin’ny vola. Novonoin’Andriamanitra koa àry i Safira. — Asan’ny Apostoly 5:1-11.

Araka ny hevitrao, afaka manatsoaka lesona avy amin’izay nitranga tamin’i Ananiasy sy i Safira ve isika? — Eny. Asehon’izany amintsika fa tsy tian’Andriamanitra ny mpandainga. Tiany ny hilazantsika ny marina foana.

Be dia be ny olona milaza fa tsy ratsy ny mandainga. Mandainga saika isan’andro izy ireny. Tsara ve anefa izany? —

Fantatrao ve fa vokatry ny lainga iray ny aretina rehetra sy ny fanaintainana rehetra ary ny fahafatesana misy eto an-tany? — Niteny tamin’ny vehivavy voalohany, i Eva, ny Devoly ka nanendrikendrika an’Andriamanitra. Noho izany, dia nandika ny lalàn’Andriamanitra i Eva, avy eo dia nitaona an’i Adama hanao toy izany koa izy. Mpanota izy ireo nanomboka teo ary ho teraka mpanota ireo zanany rehetra. Hijaly izy ireo noho ny fahotana. Inona no nahatonga izany? — Lainga iray.

Tsy mahagaga àry raha niantso ny Devoly hoe ‘mpandainga sady rain’ny lainga’ i Jesosy. Izy io no voalohany nandainga. Manahaka ny Devoly izay mandainga. Tokony hieritreritra izany isika rehefa alaim-panahy handainga. — Jaona 8:⁠44.

Matetika ny olona no alaim-panahy handainga rehefa manao zavatra ratsy. Ohatra, rehefa mamaky zavatra ianao, dia angamba tsy nanao fanahy iniana akory, nefa dia vaky ilay izy. Inona no tokony hataonao? — Tsy hilaza na inona na inona ve ary hanantena fa tsy hisy olona hahalala izany? —

Tokony hotadidintsika i Ananiasy sy i Safira izay nitady hanafina ny marina. Nasehon’Andriamanitra fa ratsy dia ratsy izany tamin’ny famonoana azy ireo ho faty.

Na inona na inona ataontsika, dia aoka isika tsy handainga mihitsy. Izao no lazain’ny Baiboly: ‘Milazà ny marina.’ Manampy teny toy izao izy: “Aza mifandainga hianareo”. Milaza ny marina foana i Jehovah ary manantena ny hanahafantsika azy. — Efesiana 4:25; Kolosiana 3:⁠9.

(Tokony hilaza ny marina foana isika. Izany no asehon’ny Eksodosy 20:16; Ohabolana 6:16-19; 14:⁠5; 12:19; 16:⁠6.)