Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Sambatra ny Tia Fihavanana”

“Sambatra ny Tia Fihavanana”

Toko Faha-32

“Sambatra ny Tia Fihavanana”

MAHALALA ankizilahy mihetraketraka foana ve ianao? — Tianao ve ny miaraka amin’izy ireny? Sa aleonao miaraka amin’ny ankizilahy tia fihavanana? —

Fantatr’ilay Mpampianatra Lehibe ny hoe karazan’olona manao ahoana no tian’Andriamanitra. Izao no nambarany: “Sambatra ny tia fihavanana, fa hantsoina hoe ‘zanak’Andriamanitra izy ireny’.” Tsy maniry ho toy izany ve isika? — Tiantsika ny ho tia fihavanana. — Matio 5:⁠9NW.

Manao izay hampahasosotra antsika anefa ny olon-kafa indraindray. Alaim-panahy hamaly ratsy azy ireny aza isika. Izany no hita tamin’ireo mpianatr’i Jesosy.

Niara-dia taminy ho any Jerosalema izy ireo. Rehefa avy nandeha kelikely i Jesosy dia naniraka ny sasany tamin’izy ireo hialoha ho any amin’ny tanàna kely iray mba hitady toerana hialana sasatra tany. Tsy naniry hampiantrano azy ireo anefa ireo mponina. Hafa ny finoan’izy ireny ka tsy tiany ny olona nankany Jerosalema mba hivavaka.

Inona no ho nataonao raha teo amin’ny toeran’ny mpianatra ianao? Ho tezitra ve ianao? Ho naniry hamaly ratsy ve ianao? —

Nitady hanao toy izany i Jakoba sy i Jaona mpianatra. Hoy izy ireo tamin’i Jesosy: ‘Tianao ve ny hitenenanay mba hisy afo hilatsaka avy any an-danitra ka handevona azy?’ Nilaza tamin’izy ireo anefa i Jesosy fa tsy tsara ny hanaovana toy izany. — Lioka 9:51-56.

Marina fa mety hisy olona hanisy ratsy antsika. Tsy tia ny hiarahanao hilalao aminy angamba ny ankizy sasany. Mety hilaza mihitsy aza izy ireny hoe: “Tsy mila anao izahay.” Tsy hampalahelo anao ve izany? — Haniry ny hamaly ratsy angamba ianao. Kanefa tokony hanao izany ve ianao? —

Horaisintsika ny Baibolintsika, dia hojerentsika izay lazain’ny bokin’ny Ohabolana ao amin’ny toko fahefatra amby roapolo, eo amin’ny andininy fahasivy amby roapolo. Izao no vakintsika: “Aza manao hoe: Araka izay nataony tamiko no mba hataoko aminy kosa, hovaliako ny olona araka izay nataony.”

Inona no dikan’izany? — Tsy tokony hitady hamaly faty isika. Tsy mety ny mamaly ratsy ny ratsy. Tsy tian’Andriamanitra izany.

Inona anefa no hatao raha misy mila ady aminao? Mety hanandrana hanao izay hampahatezitra anao izy amin’ny fanompana anao. Haneso anao angamba izy amin’ny filazana fa kanosa ianao. Inona no hataonao? Hanaiky ho voatarika ao anatin’ny ady ve ianao? —

Aoka hojerentsika indray izay lazain’ny Baiboly. Izao no nambaran’i Jesosy ao amin’ny Matio 5:39: “Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Aza manohitra izay manisy ratsy anao; fa na zovy na zovy no mamely tahamaina ny takolakao ankavanana, atolory azy koa ny anankiray.”

Te hilaza ve i Jesosy fa raha misy mamely totohondry anao eo amin’ny takolaka iray dia tokony hanolotra ny ilany ianao? — Tsia.

Tsy totohondry akory ny tahamaina. Fanositosehana kosa izany. Izany no ataon’izay mitady hamorona ady. Iriny ny hampahatezitra antsika. Inona àry no mitranga raha tezitra isika ka mamaly ratsy? — Azo antoka fa hiady isika.

Tsy nirin’i Jesosy ny hanaovan’ireo mpianany toy izany. Nanambara àry izy fa raha misy mamely tahamaina antsika, dia tsy tokony hamaly ratsy isika. Tsy tokony ho tezitra isika na hiady, raha tsy izany dia tsy ho tsara kokoa noho ilay nanomboka isika.

Raha manomboka ny ady, ny tsara indrindra dia ny manalavitra. Mbola hanositosika anao indray mandeha na indroa angamba ilay mila ady aminao, kanefa dia hitsahatra eo izany. Tsy hoe miharihary ho osa akory ianao raha manalavitra, fa miharihary ho matanjaka kosa raha ny amin’izay marina.

Fa inona no hatao rehefa mahita olona maromaro miady isika? Tokony hitsabaka amin’izany ve isika ka hiandany amin’ny iray? —

Asehon’ny Baiboly antsika izay tsara. Izao no vakintsika ao amin’ny Ohabolana, toko faha-26, andininy faha-17: “Izay mandalo ka mitsaraingona amin’ny ady tsy azy dia mandroritra amboa amin’ny sofiny.”

Inona no hitranga raha mandroritra amboa amin’ny sofiny ianao? Haharary azy izany ka hanandrana hanaikitra anao izy, sa tsy izany? — Arakaraka ny hanandramany hanafa-tena, no hanerenao ny sofiny. Hanjary hisafoaka kokoa ihany izy. Raha alefanao izy, dia azo antoka fa hanaikitra anao. Ho afaka hitana foana ny sofiny toy izany ve anefa ianao? —

Hahita izany karazam-pahasahiranana izany isika raha mitsabaka amin’ny ady mampifanohitra olon-kafa. Tsy ho fantatsika hoe iza no nanomboka na nahoana no miady izy ireo. Mety handresy ny iray aminy, kanefa angamba izy nangala-javatra tamin’ilay niady taminy. Raha manampy azy isika, dia hanampy mpangalatra. Tsy ho tsara izany, sa tsy izany? —

Inona no tokony hatao amin’izay? — Raha any am-pianarana no mitranga izany, dia afaka miantso ny mpampianatra ianao. Raha any an-toeran-kafa, dia afaka mankany amin’ny polisy ianao.

Na dia tia ny miady aza ny hafa, dia afaka ny ho tia fihavanana isika. Hasehontsika azy fa matanjaka isika raha ny amin’ny fanaovana ny tsara.

(Mba hanampiana antsika hanalavitra ny ady, dia aoka hojerentsika ireo torohevitra voalaza ao amin’ny Romana 12:17-21; Salamo 34:14; 2 Timoty 2:⁠24.)