Taratasy avy Amin’Andriamanitra
Toko Faha-2
Taratasy avy Amin’Andriamanitra
LAZAO amiko, inona no boky tianao indrindra? — Ny sasany hifidy boky miresaka momba ny biby, ny hafa kosa ho tia kokoa boky misy sary maro. Mahafinaritra tokoa angamba izany famakian-teny izany.
Ny boky tsara indrindra anefa dia ireo izay milaza ny fahamarinana momba an’Andriamanitra. Sarobidy kokoa noho ny hafa rehetra ny iray amin’izy ireny. Inona izany? — Ny Baiboly.
Nahoana no zava-dehibe ny Baiboly? — Satria avy amin’Andriamanitra izy io. Miresaka amintsika momba azy sy momba ny zavatra tsara hataony ho antsika izy io. Ambonin’izany, dia asehony amintsika izay tokony hataontsika mba hampifaliana azy. Taratasy avy amin’Andriamanitra izy io.
Mazava ho azy fa nety ho afaka nanoratra ny Baiboly manontolo tany an-danitra Andriamanitra, ary avy eo dia nanome izany ny olombelona. Tsy nanao izany anefa izy. An’Andriamanitra ny hevitra, kanefa nampiasa ireo mpanompony teto an-tany izy mba hanoratra ny tapany lehibe indrindra tamin’izany.
Ahoana no nataony? — Hanampy antsika hahazo izany ny ohatra iray. Ao amin’ny radio, dia feon’olona iray any lavitra be no miteny. Tsy hita izy io, nefa re ny feony, sa tsy izany?
Afaka ny ho tonga hatrany amin’ny Volana mihitsy aza ny olona, ary avy eny dia handefa hafatra ho etỳ an-tany. Fantatrao ve izany? — Raha afaka manao izany izy ireny,
moa ve Andriamanitra tsy afaka mandefa hafatra avy any an-danitra? — Afaka dia afaka tokoa, ary nanao izany izy taloha elan’ny nahafahan’ny olona nampiasa ny radio sy ny televiziona.I Mosesy, izay niresahan’Andriamanitra, dia tsy afaka nahita azy, kanefa afaka nandre ny feony. Olona an-tapitrisany maro no nanatrika teo rehefa nitranga izany. Rehefa nampihorohoro ny tendrombohitra manontolo sy nahatonga kotroka aman-tselatra Andriamanitra, dia vavolombelon’izany izy ireo. Rehefa nisy feo avy tany an-danitra, dia ren’izy ireo izany. Fantany fa niteny Andriamanitra. Tatỳ aoriana, dia mbola niteny tamin’i Mosesy izay nanoratra ny teniny Andriamanitra. Hita ao amin’ny Baiboly izay nosoratany. — Eksodosy 19:3 ka hatramin’ny 20:21.
Tsy i Mosesy irery akory no nanoratra. Nampiasa olona teo amin’ny efapolo teo Andriamanitra mba hanoratra ny Baiboly. Nanoratra ireo zavatra nokasain’Andriamanitra hatao amin’ny hoavy izy ireo. Ahoana no nahafahany nahalala izany talohan’ny nitrangany mihitsy? — Andriamanitra no nilaza izany tamin’izy ireo.
Rehefa tonga teto an-tany i Jesosy, ilay Mpampianatra Lehibe, dia efa voasoratra ny tapany lehibe amin’ny Baiboly. Tadidio anefa fa nonina tany an-danitra izy. Fantany izay nataon’Andriamanitra. Nino ve izy fa avy tamin’Andriamanitra ny Baiboly? — Eny, tena izany tokoa.
Rehefa niresaka tamin’ireo mpihaino azy momba ny asan’Andriamanitra i Jesosy, dia namaky andinin-teny tao amin’ny Baiboly. Notononiny araka ny fitadidiany izany indraindray.
Nampita fanazavana maro avy tamin’Andriamanitra ho antsika koa i Jesosy. Izao no nambarany: ‘Ny zavatra reko tamin’Andriamanitra no lazaiko amin’izao tontolo izao.’ Jaona 8:26.
Nandre zavatra be dia be avy tamin’ny vavan’Andriamanitra i Jesosy, satria efa niara-niaina taminy. Aiza no azontsika amakiana izay nambaran’i Jesosy? — Ao amin’ny Baiboly. Nosoratana mba hovakintsika izy io. —Marina tokoa fa rehefa nampiasa olona mba hanoratra Andriamanitra, dia tamin’ny fitenin’izy ireo ihany no nanaovany izany. Araka izany, ny tapany iray amin’ny Baiboly dia nosoratana tamin’ny teny hebreo, ny tapany hafa iray tamin’ny teny aramiana, ary ny fahatelo tamin’ny teny grika. Tsy mahay mamaky ireo fiteny ireo ny ankamaroan’ny olona amin’izao andro izao. Ary ianao? —
Izany no antony nanaovana kopia ny Baiboly tamin’ny fiteny hafa. Misy amin’ny fiteny maherin’ny 2 000 izy io amin’izao androntsika izao. Eritrereto kely ange! Taratasin’Andriamanitra natao ho an’ny olona maneran-tany ny Baiboly. Tokony hosoratana amin’ny fiteny maro àry izy io. Tsy mampaninona izay isan’ny nanaovana kopia azy, fa avy amin’Andriamanitra io hafatra io.
Zava-dehibe tokoa izay ambaran’ny Baiboly. Nosoratana efa ela be tokoa izay izy io, kanefa miresaka amintsika ny amin’ny zavatra mitranga amin’izao andro izao sy mampiharihary amintsika
izay hataon’Andriamanitra amin’ny hoavy tsy ho ela. Manome antsika fanantenana tsara dia tsara izy io.Lazain’ny Baiboly amintsika koa ny hoe karazam-piainana inona no irin’Andriamanitra ho hita hananantsika. Hazavainy amintsika izay marina sy izay ratsy. Tokony ho fantatsika izany. Resahiny amintsika ny amin’ny olona zatra nanao ratsy ary lazainy amintsika izay nitranga tamin’izy ireny. Azontsika atao àry ny misoroka ny fahasahiranana hitan’izy ireny. Resahin’ny Baiboly amintsika koa ny amin’ny olona nanao ny tsara sy ny amin’ny vokatra tsara azon’izy ireny.
Kanefa, mba handraisan-tsoa faran’izay betsaka amin’ny Baiboly, dia ilaintsika ny mahalala ny valin’itỳ fanontaniana itỳ: “Iza no nanome antsika ny Baiboly?” Ahoana no havalinao? — Tena avy amin’Andriamanitra tokoa ny Baiboly manontolo.
Tsy mihaino izay lazain’Andriamanitra aminy ao amin’io boky io anefa ny olona sasany. Tsy manao afa-tsy izay mahafinaritra ny tenany izy ireny. Tsara ve izany? — Heverinao ve fa misy olona afaka mahalala zavatra mihoatra noho Andriamanitra? — Ny fomba tsara indrindra hampisehoana fa tena hendry isika dia ny fihainoana an’Andriamanitra sy ny fanaovana izay lazainy amintsika.
Ilaintsika àry ny maka fotoana hiaraha-mamaky ny Baiboly. Rehefa maharay taratasy avy amin’ny olona iray tena tiantsika isika, dia vakintsika imbetsaka izany. Sarobidy eo imasontsika izy io. Toy izany no tokony hiheverantsika ny Baiboly, satria izy io taratasy avy amin’Andriamanitra, dia ilay Persona tia antsika indrindra.
(Vakio ireto andinin-teny manaraka ireto izay mampiseho fa ny Baiboly dia tena Tenin’Andriamanitra tokoa, nosoratana mba hahasoa antsika: 2 Timoty 3:16, 17; 2 Petera 1:20, 21; Romana 15:4.)