Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Voavela ny Helokao”

“Voavela ny Helokao”

Toko Faha-21

“Voavela ny Helokao”

FALY ve ianao manao izay tsara? — Mahafaly ny ray aman-dreninao izany, ary toy izany koa i Jehovah. Indraindray, na dia eo aza ny fiezahana rehetra ataontsika, dia manao ratsy isika, sa tsy izany? — Rehefa manao izay melohin’Andriamanitra isika, dia manota.

Rehefa nanao ny iray tamin’ireo fahagagana mahatalanjona indrindra i Jesosy Kristy, ilay Mpampianatra Lehibe, dia nasehony fa miteraka loza ho an’ny tsirairay avy amintsika ny fahotana.

Nivahiny tao amin’ny tanàna iray teo akaikin’ny ranomasin’i Galilia izy. Maro be ny olona tonga mba hijery azy, hany ka tsy ampy ho an’ny rehetra ny toerana. Tsy nisy afaka nanatona ny varavarana akory aza.

Nisy olon-kafa tonga anefa, anisan’izany ny antokon’olona iray nitondra lehilahy malemy. Nila lehilahy efatra mba hibata azy niaraka tamin’ny fandriana, satria tsy afaka nandeha izy.

Nahoana no nentin’izy ireo teo amin’i Jesosy io marary io? — Nino izy ireo fa afaka nanasitrana azy i Jesosy.

Fa ahoana no hahafahany hitondra ilay olona malemy hatreo amin’i Jesosy? — Nahita fomba iray izy ireo. Niakatra teo ambonin’ny tafon-trano fisaka izy ireo, nanao lavaka lehibe tao ary nampidina ilay lehilahy nitsotra teo ambonin’ny fandriany. Finoana re izany!

Gaga ny olona rehetra nahita ilay malemy nidina teo afovoan’izy ireo teo ambonin’ny fandriany. Tezitra ve i Jesosy? — Tsy izany velively! Faly izy nahita ny finoan’izy ireo. Hoy izy tamin’ilay malemy: “Voavela ny helokao.”

Nieritreritra ny sasany fa hoe tsy nanana zo hilaza izany i Jesosy, fa tsy afaka namela ny fahotana izy. Mba hampisehoana tsara tamin’izy ireo fa afaka nanao izany izy, dia hoy i Jesosy tamin’ilay marary: “Mitsangàna, betao ny fandrianao, ka modia any an-tranonao.”

Sitrana niaraka tamin’izay ilay lehilahy! Tsy malemy intsony izy. Tsy nila ny hobataina intsony izy, fa afaka nitsangana sy nandeha irery.

Talanjona ny olona tonga teo. Mbola tsy nahita zavatra mahagaga toy izany mihitsy izy ireo. — Marka 2:1-12.

Inona no lesona tsoahintsika avy a­min’io fahagagana io? — Nanana fahefana hamela ny fahotana sy hanasitrana ny marary i Jesosy. Asehon’izany amintsika koa anefa fa avy amin’ny fahotana ny aretina.

Efa narary ve ianao? — Mety harary daholo isika rehetra; mpanota daholo àry ve isika rehetra? — Eny; lazain’ny Baiboly fa teraka tao anatin’ny ota daholo isika rehetra.

Fantatrao ve ny dikan’izany? — Teraka tsy lavorary isika. Na dia tsy tiantsika aza izany, dia manao zavatra ratsy daholo isika rehetra, satria tsy nankato an’Andriamanitra i Adama sy i Eva. Nanota izy ireo tamin’ny fandikana ny lalàny. Nandova ny fahotan’i Adama isika rehetra.

Fantatrao ve hoe tamin’ny fomba ahoana? — Hohazavaiko tsotra aminao izany. Efa mba nanamboatra mofo fotaka natao tao anaty kapoaka ve ianao? Inona no mitranga raha asianao mivohitra eo amin’ilay kapoaka? — Hamela soritra eo amin’ny mofo rehetra hataonao amin’io kapoaka io izy, sa tsy izany? —

Sahala amin’io kapoaka io i Adama, ary sahala amin’ireo mofo fotaka isika. Nanjary tsy lavorary izy rehefa nandika ny lalàn’Andriamanitra. Toy ny hoe nahazo mivohitra na marika ratsy izy. Inona no hitranga amin’ireo zanany? — Hahazo mariky ny tsy fahalavorariana mitovy izy rehetra.

Teraka tsy ahitana tsy fahalavorariana hitan’ny maso ny ankamaroan’ny ankizy. Tsy hoe tokana ny sandriny na misy loaka eo amin’ny tehezany. Ny tsy fahalavorariana anefa dia ampy hahatonga azy ireny harary ary ho faty, rehefa ela ny ela.

Mazava ho azy fa marary matetika kokoa noho ny hafa ny sasany. Nahoana? — Teraka be ota kokoa ve izy ireny? — Tsia. Mety ho tsy ampy sakafo na hihinana vatomamy na mofomamy be loatra anefa izy ireny. Angamba alina loatra izy vao matory ka tsy ampy torimaso. Na tsy manao mafana izy rehefa mivoaka avy orana na rehefa mangatsiaka ny andro.

Ho avy ve ny andro tsy hahavoan’ny aretina antsika intsony mihitsy, hanafahana antsika amin’ny fahotana? — Inona no nataon’i Jesosy ho an’ilay malemy? — Namela ny fahotany sy nanasitrana azy izy. Nasehony izay hataony ho an’ireo izay miezaka manao ny tsara.

Raha tsy tia mainty ny ota sy mankahala ny ratsy isika, dia hanasitrana antsika izy. Hanafoana tsy ho ela ny tsy fahalavorariantsika izy, noho ny Fanjakan’Andriamanitra.

Tsy hanjavona tampoka akory ny fahotantsika. Hila fotoana elaela amin’izany, kanefa aorian’izay, dia tsy harary intsony mihitsy isika. Hanana fahasalamana tonga lafatra isika. Fitahiana re izany!

(Mba hahafantarana ireo vokatry ny ota sy hahalalana izay tokony hatao, dia hovakintsika ny Romana 3:23; 5:12; 6:12-14, 23; 1 Jaona 2:⁠1.)