Hifarana Tsy ho Ela ny Fijaliana Rehetra!
Hifarana Tsy ho Ela ny Fijaliana Rehetra!
Efa nanontany tena angamba ianao hoe: ‘Nahoana no misy fijaliana be dia be toy izao?’ Efa an’arivony taona ny olombelona no nijaly mafy noho ny ady, fahantrana, loza, heloka bevava, tsy rariny, aretina, ary fahafatesana. Be kokoa noho ny hatramin’izay ny fijaliana nandritra ireo zato taona lasa. Hifarana ve izany rehetra izany indray andro any?
Mampionona ny mahafantatra fa hifarana tsy ho ela izany! Hoy ny Baiboly: “Tsy hisy ny ratsy fanahy ... Fa ny mpandefitra kosa no handova ny tany ka hiravoravo amin’ny haben’ny fiadanana.” Haharitra hafiriana izany? “Ny marina handova ny tany ka honina eo aminy mandrakizay.”—Salamo 37:10, 11, 29.
Hanala ny faharatsiana sy ny fijaliana Andriamanitra, ary ho lasa paradisa ny tany aorian’izay. Ho afaka hiaina mandrakizay ny olona, ary ho sambatra sy hanana fahasalamana tonga lafatra. Nilaza mialoha ny Tenin’Andriamanitra hoe: “Hofafan[’Andriamanitra] ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ka tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana.”—Apokalypsy 21:4.
Hatsangana koa ny maty, ao amin’io tontolo vaovao io, ka hahazo ireo fitahiana ireo. Hoy ny Baiboly: “Hisy fitsanganan’ny marina sy ny tsy marina.” (Asan’ny Apostoly 24:15) Izany no antony nilazan’i Jesosy tamin’ilay jiolahy efa nibebaka sy nino azy hoe: “Hiaraka amiko any amin’ny Paradisa ianao.”—Lioka 23:43.
Nahoana no nisy ny fijaliana?
Raha fikasan’Andriamanitra àry ny hananan’ny olombelona hoavy sambatra toy izany, nahoana izy no namela ny fijaliana hisy? Nahoana no navelany haharitra be toy izao izy io?
Nomen’Andriamanitra vatana sy saina lavorary i Adama sy Eva, rehefa noforoniny. Napetrany tao amin’ny zaridaina tsara tarehy izy ireo, ary nomeny asa nahafa-po. Hoy ny Baiboly: “Hitan’Andriamanitra izay rehetra nataony, ary, indro, tsara indrindra izany.” (Genesisy 1:31) Raha nankatò an’Andriamanitra izy ireo dia ho nanana taranaka lavorary, ary ho lasa paradisa ny tany manontolo. Ho afaka niaina mandrakizay teto an-tany ny olona, ary ho sambatra sy nandry fahizay.
Nomen’Andriamanitra fanomezana tena lehibe, dia ny safidy malalaka, i Adama sy Eva, ka afaka nandray fanapahan-kevitra. Tsy maintsy nampiasa an’io safidy malalaka io tamin’ny fomba tsara anefa izy ireo, ka nankatò ny lalàn’Andriamanitra, raha te ho sambatra foana. Hoy mantsy Andriamanitra: “Izaho, Jehovah Andriamanitrao, no mampianatra anao hahita soa sady mitarika anao amin’ny làlana tokony halehanao.” (Isaia 48:17) Hitera-doza ny fampiasana an’ilay safidy malalaka amin’ny fomba ratsy. Tsy hahomby mihitsy mantsy ny olombelona, raha tsy miantehitra amin’Andriamanitra. Hoy ny Baiboly: “Tsy an’ny olombelona ny làlan-kalehany, na an’ny mpandeha ny hahalavorary ny diany.”—Jeremia 10:23.
Nampalahelo anefa fa nihevitra ireo ray aman-drenintsika voalohany hoe hahomby izy ireo, na dia tsy niantehitra tamin’Andriamanitra aza. Tsy nanampy azy ireo intsony anefa Andriamanitra, rehefa tsy nanaiky hofeheziny izy ireo. Lasa tsy lavorary i Adama sy Eva, Romanina 5:12.
ka nanjary nihantitra, ary maty tamin’ny farany. Nandova tsy fahalavorariana sy fahafatesana koa isika, satria taranak’izy ireo.—Iza no manana zo hitondra?
Nahoana Andriamanitra no tsy nandringana an’i Adama sy Eva, ka namorona mpivady hafa? Satria nisy nanohitra ny zony hitondra an’izao rehetra izao. Ny fanontaniana nipetraka dia hoe: Iza no manana zo hitondra, ary ny fitondran’iza no mahomby? Raha lazaina amin’ny teny hafa dia hoe: Ho sambatra kokoa ve ny olombelona raha tsy fehezin’Andriamanitra? Navelan’Andriamanitra hahaleo tena mandritra ny fotoana ampy izy ireo, mba hahitana ny valin’izany. Ho voavaha indray mandeha tsy miverina io olana io amin’izay. Ho ampy tsara io fotoana nomen’Andriamanitra ny olombelona io, mba hanandraman’izy ireo samirery ny karazana rafitra rehetra teo amin’ny sehatra politika, sosialy, toe-karena, ary fivavahana.
Inona no vokany? Porofoin’ny tantaran’ny olombelona nandritra ny an’arivony taona, fa nitombo hatrany ny fijaliana. Ireo zato taona lasa no niaretan’ny olombelona fahoriana mangidy indrindra noho ny hatramin’izay. Olona an-tapitrisany no maty tamin’ny Famonoana Tambabe, nandritra ny Ady Lehibe II. Maherin’ny 100 tapitrisa no maty tamin’ny ady. Manjaka ny heloka bevava sy ny herisetra. Mihamaro hatrany ny midoroka zava-mahadomelina, sy voan’ny aretina azo avy amin’ny firaisana. Am-polony tapitrisa isan-taona no maty noho ny mosary sy ny aretina. Miharatsy ny fiainam-pianakaviana sy ny fitondran-tena na aiza na aiza. Tsy misy fitondran’olombelona mahavaha ireo olana ireo. Tsy nisy tamin’izy ireo afaka nanafoana ny fahanterana sy ny aretina ary ny fahafatesana.
Mifanaraka tsara amin’izay nolazain’ny Baiboly mialoha momba ny androntsika, ny fiainan’ny olombelona ankehitriny. Milaza ny Tenin’Andriamanitra fa izao vanim-potoana misy antsika izao no “andro farany”, izay isian’ny “fotoan-tsarotra tsy mora setraina.” Nilaza koa ny Baiboly fa ‘vao mainka miharatsy kokoa hatrany ny ratsy fanahy sy ny mpisandoka.’—Hifarana tsy ho ela ny fijaliana
Asehon’ny porofo fa efa kely sisa dia hifarana ilay fotoana mampahory, nanandraman’ny olombelona karazana fitondram-panjakana maro. Voaporofo fa tsy hahomby mihitsy ny olombelona, rehefa tsy miantehitra amin’Andriamanitra. Ny fitondran’Andriamanitra ihany no afaka hanome fiadanana, fahasambarana, fahasalamana tonga lafatra, ary fiainana mandrakizay. Hofaranan’Andriamanitra tsy ho ela àry ny faharatsiana sy ny fijaliana. Hisalovana amin’ny raharahan’olombelona izy tsy ho ela, ka handrava ity tontolo mandiso fanantenana ity.
Hoy ny faminanian’ny Baiboly: “Amin’ny andron’ireo mpanjaka ireo [fitondran’olombelona misy ankehitriny] Andriamanitry ny lanitra dia hanorina fanjakana [any an-danitra] izay tsy ho rava mandrakizay; ... fa ireo fanjakana rehetra ireo [fitondrana misy ankehitriny] dia hotorotoroiny sy holevoniny, fa izy kosa hitoetra mandrakizay.” (Daniela 2:44) Ny fanamarinana ny zon’i Jehovah hitondra amin’ny alalan’ny Fanjakany any an-danitra, no fototry ny fampianarana ao amin’ny Baiboly. Nilaza lafin-javatra lehibe hamantarana ny “andro farany” i Jesosy. Hoy izy: “Ho vita manerana ny tany onenana ny fitoriana ity vaovao tsaran’ilay fanjakana ity, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, vao ho tonga ny farany.”—Matio 24:14.
Ohabolana 2:21, 22) Ny olona mahitsy, dia ireo mianatra ny sitrapon’i Jehovah sy manatanteraka izany. Hoy i Jesosy Kristy: “Mba hahazoan’izy ireo fiainana mandrakizay, dia ilainy ny mianatra hahalala anao, ilay hany Andriamanitra marina, sy Jesosy Kristy, ilay nirahinao.” (Jaona 17:3) “Mandalo [tokoa] izao tontolo izao ..., fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay.”—1 Jaona 2:17.
Iza no ho tafavoaka velona rehefa tonga ny farany? Mamaly ny Baiboly hoe: “Ny olona mahitsy no honina amin’ny tany, ary ny tsy manan-tsiny ihany no ho sisa mitoetra ao; fa ny ratsy fanahy kosa hofongorana amin’ny tany.” (Raha tsy misy fanamarihana manokana, ny andinin-teny avy amin’ny Soratra Grika dia nalaina avy amin’ilay dikan-teny maoderina hoe Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Ny andinin-teny avy amin’ny Soratra Hebreo kosa dia avy amin’ny Baiboly Fandikan-teny Protestanta (1997).